Hijery ny anatiny

19 OKTOBRA 2016
ÉRYTHRÉE

Mandinika Akaiky ny Fanenjehana Vavolombelon’i Jehovah any Érythrée ny ONU

Mandinika Akaiky ny Fanenjehana Vavolombelon’i Jehovah any Érythrée ny ONU

Any Érythrée no misy fanenjehana Vavolombelon’i Jehovah mafy indrindra, maneran-tany. Nanomboka tamin’ny 1993, rehefa nahaleo tena i Érythrée, dia nogadraina sy nampijalina ary nambanina foana ny Vavolombelon’i Jehovah. Enjehina izy ireo satria tsy manao politika mihitsy sady tsy mety mampiasa fitaovam-piadiana hamonoana olona.

Vavolombelon’i Jehovah 54 izao no migadra any Érythrée. Tsy misy fiampangana na fitsarana fa tonga dia gadraina izy ireo. Vavolombelon’i Jehovah iray ihany no nampangaina sy notsaraina, tato anatin’ny 22 taona. Efa nigadra nanomboka tamin’ny 1994 ny telo amin’izy ireo.

Mitombo ny fanahian’ny fikambanana iraisam-pirenena

Vao nanomboka ny fampijaliana Vavolombelon’i Jehovah any Érythrée dia efa nanameloka an’izany ny fikambanana miaro ny zon’olombelona sy ny fikambanana ara-panjakana. Vao tsy ela izay dia lasa be dia be ireo firenena mahafantatra ny fampijaliana ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nampahafantatra an’izany ny Vaomiera Mamotopototra Momba ny Zon’olombelona any Érythrée (COIE), vaomiera iray eo anivon’ny ONU. Nanokana fizarana iray momba ny fanavakavahana sy fampijaliana Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, tao amin’ny tatitra voalohany nataony ho an’ny Filan-kevitra Momba ny Zon’olombelona ao Amin’ny Firenena Mikambana, tamin’ny Jona 2015.

Tamin’ny 21 Jona 2016 ny COIE no nanome tatitra faharoa ho an’io Filan-kevitra io. Nandidy an’i Érythrée ny COIE mba “hanaja ny fahalalahana ara-pivavahana na ara-pinoana.” Asainy ajanona hatreo koa ny “fisamborana sy fanagadrana olona tsy ara-drariny noho ny fivavahany, indrindra fa... ny Vavolombelon’i Jehovah.” Asainy “avoaka haingana tsy misy fepetra daholo izay migadra tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny.”

Milaza ny COIE, eo am-pamaranana, fa mandika ny lalàna iraisam-pirenena i Érythrée satria “manenjika olona noho ny fivavahany sy ny fiaviany” ary “heloka bevava amin’ny maha olona” izany. Miaiky ny firenena maro fa anisan’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona ratsy indrindra izany. Hanao fanambarana am-bava eo anatrehan’ny Fivoriamben’ny ONU ny COIE amin’ny 27 Oktobra 2016.

Hiova ihany ve ny fomba itondrana ny Vavolombelon’i Jehovah any Érythrée?

Tena manahy momba ny namany any Érythrée ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Miangavy ny fitondrana any Érythrée izy ireo mba tsy hanenjika an’ireo Kristianina tso-po ireo sy hanaja ny zo fototra ananan’izy ireo.