Hijery ny anatiny

15 AOGOSITRA 2019
ETAZONIA

Phoenix, Etazonia: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!

Phoenix, Etazonia: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
  • Daty: 9-11 Aogositra 2019

  • Toerana: Chase Field any Phoenix, Etazonia

  • Fiteny: Anglisy

  • Tampon’isan’ny mpanatrika: 40237

  • Tontalin’ny natao batisa: 352

  • Solontena avy any ivelany: 5000

  • Sampana nasaina: Aostralazia, Eoropa Afovoany, Frantsa, Grande-Bretagne, Gresy, Inde, Italia, Kanada, Korea, Mikronezia, Silia, Skandinavia, Sri Lanka, Tahiti, Tailandy, Torkia, Trinité sy Tobago

  • Fitantarana: Manampy amin’ny fikarakarana fihaonam-be sy famandrihana hotely sy toerana fitsangantsanganana any Phoenix ny kompania Visit Phoenix. Hoy i Steve Moore, izay filohan’io kompania io: “[Ity no fivoriambe] nilamina indrindra hitako hatramin’izay niasako. Nahafinaritra be ny niara-niasa taminareo. Nilaza koa ianareo hoe hodiovinareo ilay kianja rehefa vita ny ataonareo. Tsy mbola nisy nanao an’izany mihitsy.”

 

Arahabaina tonga soa ao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Sky Harbor, any Phoenix, ny solontena avy any ivelany

Rahalahy sy anabavy any Phoenix vonona hiarahaba tonga soa ny vahiny, eo ivelan’ny hotely iray

Rahalahy sy anabavy an-jatony faly be miarahaba an’ireo vahiny tonga ao Chase Field, ny zoma maraina

Manaraka ny fandaharana ny mpanatrika, ary manao akanjo mampiavaka ny taniny ny sasany amin’izy ireo

Ny 2 amin’ireo rahalahy sy anabavy 352 natao batisa

Ny Rahalahy Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny famaranana ny asabotsy

Vahiny maka sary mandritra ny fitsidihana valan-javaboary

Mpiara-manompo mitaingina saretin-tsoavaly mba hampisehoana ny fiainana tany Amerika Andrefana tamin’ny taonjato faha-19

Mankeo afovoan’ny kianja ny mpanompo manontolo andro manokana avy any an-tany hafa, amin’ny faran’ny fandaharana ny alahady