Hijery ny anatiny

11 JOLAY 2019
GRESY

Atena, Gresy: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!

Atena, Gresy: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
  • Daty: 5-7 Jolay 2019

  • Toerana: Kianja Olympikan’i Atena any Atena, any Gresy

  • Fiteny: Albaney, anglisy, grika, rômania (Gresy atsimo), rosianina, tenin’ny tanana grika

  • Tampon’isan’ny mpanatrika: 36873

  • Tontalin’ny natao batisa: 406

  • Solontena avy any ivelany: 6000

  • Sampana nasaina: Albania, Amerika Afovoany, Aostralazia, Armenia, Boligaria, Eoropa Afovoany, Etazonia, Fidji, Japon, Kirghizistan, Macédoine Avaratra, Torkia

  • Fitantarana: Hoy ny olona iray miasa ao amin’ny toerana mpikarakara dia lavitra: “Efa mpikarakara dia lavitra foana no asako hatramin’izay. Milamina be ny fikarakaranareo ny mpanao dia lavitra, ary mbola tsy nahita hoatr’izao mihitsy aho na taiza na taiza. Gaga be mihitsy aho nahita ny fomba fiasanareo omaly! Ao anatin’ny ora vitsivitsy fotsiny dia olona 2600 no nalaminareo, sady tsara kokoa noho izay mety ho nataon’ny olona efa matihanina ny nanaovanareo azy. Fa ny tsara indrindra, ilay ianareo mitsiky. Efa an-taonany maro aho no nanao an’ity asako ity, dia haiko tsara ny manavaka hoe tena avy amin’ny fony ve ny tsikin’ny olona iray sa amboamboarina. Ianareo rehetra anefa tena nitsiky tamin’ny fonareo.”

 

Ny sasany amin’ireo mpiasa an-tsitrapo 4000 mahery nikarakara an’ilay kianja hanaovana fivoriambe

Ankizy miarahaba tonga soa an’ireo vahiny tonga any Gresy

Ny iray amin’ireo 406 natao batisa

Anabavy eo amin’ny toeran’ireo mampiasa ny teny rômania. Io no fivoriambe iraisam-pirenena voalohany natao tany Gresy, izay nisy tamin’ny fiteny rômania

Miara-mitory ny vahiny sy ny mpitory eo an-toerana

Vahiny mitsidika toerana ahitana sisan-javatra amin’ny tanàna grika fahiny

Lalaovina an-tsehatra ny fanompoan’ny apostoly Paoly tany Gresy, mandritra ny korana takariva

Aseho an’ireo vahiny ilay dihy malaza atao hoe Syrtaki

Anabavy mitendry bouzouki, zavamaneno grika nentim-paharazana

Vahiny mianatra voambolana grika

Manao ny lahateny famaranana ny alahady ny Rahalahy David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ary nadika tamin’ny teny grika ilay izy

Manofahofa tanana manao veloma ny mpanatrika ny mpanompo manontolo andro manokana, amin’ny andro farany amin’ilay fivoriambe