Hijery ny anatiny

31 OKTOBRA 2019
INDE

Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Baiboly Amin’ny Teny Télougou any Inde

Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Baiboly Amin’ny Teny Télougou any Inde

Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra natao tao amin’ny Hyderabad International Convention Centre any Hyderabad, any Inde, tamin’ny 25 Oktobra 2019. Tamin’izay ny Rahalahy Ashok Patel, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Inde, no namoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny télougou.

Tombanana ho 91900000 ny olona miteny télougou ary io no fiteny fahatelo be mpampiasa indrindra any Inde, aorian’ny hindi sy bengali. Mpitory 6000 eo ho eo izao no mitory amin’ny olona miteny télougou. Nisy mpanatrika 8868 anefa tamin’ilay fivoriambe. Hita amin’izany hoe be dia be ny olona miteny télougou mianatra ny fahamarinana. Mitombo be ny fiangonana any ka faritra roa sahady no niforona tamin’ity taona ity.

Dimy taona no nandikana an’ilay Baiboly ho amin’ny teny télougou. Nilaza ny mpandika teny iray hoe tsy azon’ny tanora ny Baiboly hafa amin’ny teny télougou satria tranainy sy sarotra be ny teny ao anatiny. Hoy izy: “Rehefa mamaky ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izao ny tanora, dia hoatran’ny hoe miresaka aminy mivantana amin’ny fiteny azony tsara i Jehovah.” Hoy indray ny mpandika teny iray: “Tonga dia ho azon’ny olona izay andinin-teny vakintsika, rehefa mitory isika.”

Nanala ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ny ankamaroan’ny Baiboly télougou. Hanampy ny olona hahafantatra ny anaran’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra àry ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Ho azon’ny olona koa ny dikan’ny teny sasany nampiasaina tany am-boalohany, ohatra hoe fanahy. Nadika araka izay ninoan’ny Hindoa fotsiny mantsy izy ireny ao amin’ny Baiboly télougou hafa.

Hoy ny mpitory iray: “Ho tsapan’izay hamaky an’ity Baiboly télougou ity hoe tena tia azy i Jehovah.” Azo antoka hoe hanampy ny mpamaky io Baiboly vaovao io mba ‘hanandrana ka hijery fa tsara i Jehovah.’—Salamo 34:8.