Hijery ny anatiny

31 DESAMBRA 2021
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Nozaraina Tamin’ny Fiteny 300 Mahery Ny Tilikambo Fiambenana ho An’ny Besinimaro No. 2 Nandritra ny Ezaka Manokana Tamin’ny Novambra

Nivoaka Tamin’ny Fiteny Fito Vaovao Ilay Gazety

Nozaraina Tamin’ny Fiteny 300 Mahery Ny Tilikambo Fiambenana ho An’ny Besinimaro No. 2 Nandritra ny Ezaka Manokana Tamin’ny Novambra

Nizara Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro No. 2 2021, tamin’ny fiteny 300 mahery, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, tamin’ny Novambra 2021. Tamin’izay mihitsy ny fiteny fito tamin’ireo fiteny 300 ireo vao nisy Tilikambo Fiambenana navoaka, ka ilay Tilikambo Fiambenana No. 2 2021 no gazety voadika voalohany tamin’ireo fiteny fito ireo. Ireto avy ilay fiteny: Féroïen, hawaii pidgin, luxembourgeois, manipuri (romanina), odia, poméranien, ary saint lucien kreôla.

Nilaza ny Rahalahy Nicholas Ahladis, anisan’ny sampan-draharahan’ny fandikan-teny any amin’ny foibe, hoe: “Mahaliana ny karazan’olona rehetra ny zavatra avoakantsika. Kely anefa ny fitaovana ananan’ny ekipa mpandika teny sasany, dia tsy afaka mandika Ny Tilikambo Fiambenana mivoaka rehetra ry zareo. Afaka mandefa fangatahana any amin’ny Komitin’ny Fanoratana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana anefa ny Komitin’ny Sampana miandraikitra an’ilay ekipa raha te handika lahatsoratra manokana iray izy ireo. Hoatran’izany no nataon-dry zareo tamin’ny Tilikambo Fiambenana No. 2 2021, ka nahatonga an’ilay izy voadika tamin’ireo fiteny ireo.”

Ho hitantsika amin’ireto tantara manaraka ireto ny vokatra tsara nandritra an’ilay ezaka manokana tany amin’ny faritany nampiasa an’ireo fiteny fito ireo. Ho hitantsika koa ny vokatra tsara azontsika noho isika miezaka foana mizara ny hafatra ao amin’ny Baiboly amin’ny olona mampiasa fiteny samihafa.

Tena faly be isika satria olona be dia be no nandray an’ilay Tilikambo Fiambenana nandritra an’ilay ezaka manokana. Fantatsika hoe manohana an’ireny ezaka manokana ireny i Jehovah, satria sitrapony ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hahalalan’izy ireo tsara ny fahamarinana.”​—1 Timoty 2:4.