Hijery ny anatiny

Rahalahy Stanislav Teliatnikov any Litoania

15 JONA 2022
LITOANIA

Melohin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona i Litoania Satria Tsy Namela ny Rahalahy Stanislav Teliatnikov Hanao Fanompoana Sivily

Melohin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona i Litoania Satria Tsy Namela ny Rahalahy Stanislav Teliatnikov Hanao Fanompoana Sivily

Tamin’ny 7 Jona 2022 dia namoaka didy manameloka an’i Litoania ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny raharaha mahakasika ny Rahalahy Stanislav Teliatnikov. Niombonan’ny mpitsara rehetra ilay didy. Niakatra fitsarana i Stanislav satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nampahatsiahivin’ny CEDH fa arovan’ny Andininy faha-9 (zo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretana ary hanana fivavahana) amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana. Noho izany, dia nilaza ilay fitsarana fa nandika an’io Fifanarahana io i Litoania, ka tsy maintsy mandoa vola 3 000 euros (12 400 000 ariary eo ho eo) amin’i Stanislav.

Efa ho ny firenena rehetra mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina no mamela ny olona hanao fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila, any amin’ny firenena ilana an’izany. Nangataka hanao fanompoana sivily àry i Stanislav rehefa voantso hanao miaramila, satria tokony hisy an’izany ny firenena anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina. Tsy misy fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila anefa any Litoania. Hoatran’ny tamin’ny didy navoakany momba an’i Armenia sy Azerbaïdjan ary Torkia àry, dia naverin’ny CEDH hoe tokony hanisy fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila ny firenena rehetra mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina. Nilaza koa ilay didy manameloka an’i Litoania hoe tsy tokony ho sazy ilay izy, tsy tokony hifandray amin’ny raharaha miaramila mihitsy, ary tsy tokony hahitana taratry ny fanavakavahana.

Efa misy fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila izao any Armenia, ary tena mety tsara ilay izy. Raha misy tovolahy armenianina tsy mety hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, dia azo ampanaovina asa fanasoavam-bahoaka izy ho solony.

Manantena isika fa hanaraka ny didy navoakan’ny CEDH koa i Litoania ka hanisy fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila mba hahasoa an’ireo rahalahintsika sy ny fiaraha-monina any. Eo am-piandrasana an’izany, dia matoky isika fa homen’i Jehovah ny tari-dalana sy ny fanampiana ilainy foana ny rahalahintsika any Litoania.​—Fitomaniana 3:25.