Hijery ny anatiny

Tanora avy any Timaoro Atsinanana, manazava tantara avy ao amin’ny Vaovao JW amin’ny ray aman-dreniny

22 JANOARY 2021
TIMAORO ATSINANANA

Nanampy ny Rahalahy sy Anabavy Tanora Tany Timaoro Atsinanana ny Vaovao JW

Nanampy ny Rahalahy sy Anabavy Tanora Tany Timaoro Atsinanana ny Vaovao JW

Tena mampahery olona be dia be ny mamaky ny Vaovao JW momba an’ireo rahalahy tanora any Rosia enjehina nefa vao mainka mandroso. Mbola vao lahatsoratra telo amin’ireo fotsiny izao no voadika amin’ny teny Tetun Dili, fiteny fampiasan’ny mpitory any Timaoro Atsinanana. Ny tantaran’ny Rahalahy Andrey Suvorkov ny iray amin’ireo lahatsoratra voadika ireo. Nisy tanora vita batisa dimy niatrika fitsapana mafy be, andro vitsivitsy taorianan’ny nivoahan’ilay lahatsoratra tamin’ny teny Tetun Dili. Nilaza ry zareo fa tena nanatanjaka ny finoan-dry zareo ny nisaintsaina ny tantaran’ny Rahalahy Andrey Suvorkov.

Nasaina nanangan-tsaina ireo tanora ireo tamin’izay, nandritra ny fety tany ampianarana. Tsy nety anefa ry zareo dia nasaina nankany amin’ny tale. Nanontanintaniany teo imason’ny mpampianatra hafa ry zareo. Sahy nefa nanaja tsara ry zareo nanazava ny antony tsy hanaovany an’ilay izy avy ao amin’ny Soratra Masina, ary tsy nety nilefitra mihitsy.

Niantso polisy ireo mpampianatra ireo, dia nasainy nentin’ny polisy tany amin’ny paositry ny polisy ry zareo, nefa tsy nampandrenesina akory ny ray aman-drenin’ireo ankizy ireo. Niantso ny tany amin’ny toby miaramila tany an-toerana ilay polisy, dia nampiantso miaramila anankiray hiresaka tamin’ireo tanora Vavolombelona ireo. Nampitahorin’ny polisy sy ilay miaramila ry zareo avy eo, ka nampidiriny am-ponja antsasak’adiny teo ho eo. Nisy polisy iray aza nametraka basy teo ambony latabatra teo alohan-dry zareo sady nanadinadina an-dry zareo teo efa ho adiny roa. Navela hody ihany ireo tanora Vavolombelona ireo tamin’ny farany.

Anabavy Ruth Ximenes (ankavanana) miaraka amin’i Anita reniny (ankavia)

Rehefa fantatry ny ray aman-drenin’ireo ankizy ireo ilay zava-nitranga, dia lasa niresaka tamin’ny mpampianatra sy ilay polisy izy. Mbola nitohy ihany ilay fanenjehana, dia nametraka fitoriana tany amin’ny manam-pahefana teo an-toerana ireo ray aman-dreniny ireo. Voatery nifindra sekoly mihitsy àry ireo tanora ireo tamin’ny farany.

Tena faly ireo tanora Vavolombelona ireo fa mbola tadidin’izy tsirairay tao an-tsainy tsara ny tantaran’ny Rahalahy Andrey Suvorkov, tamin’izy ireo niatrika fanoheran’ny tanora mitovy taona aminy, ny mpampianatra, ary ny manam-pahefana.

Izao no tadidin’i Noviana Jose do Carmo: “Nanohitra be anay ny mpampianatra anay dia voaroaka tany ampianarana izahay. Nanampy an’ahy ho tony sy ho falifaly foana anefa ny tantaran’ny Rahalahy Suvorkov.” Hozy koa i Cejiana, zokin’i Noviana: “Nanampy an’ahy ho tony ny tantaran’ny Ranadahy Suvorkov, na dia enjehina aza aho.” I Ruth Ximenes indray niteny hoe nanampy azy “tsy hanaiky hivadika mihitsy” ilay tantara.

Anabavy Ananda Maria Delavega (ankavanana) miaraka amin’i Juliana reniny (ankavia)

Nilaza koa i Ananda Maria Delavega hoe: “Natoky be an’i Jehovah ny Ranadahy Andrey Suvorkov, dia lasa niantehitra be tamin’i Jehovah tamin’ny vavaka koa izaho”, indrindra fa rehefa niatrika fanoherana.

I Roni da Cruz indray niteny hoe: “Fantatro hoe manohana ny ranadahy sy rahavavy eran-tany i Jehovah, dia lasa natoky be koa izaho hoe manohana ahy i Jehovah, ka tsy misy hatahorako.”

Nankasitraka be an’ireny tantara ao amin’ny Vaovao JW ireny koa ny ray aman-drenin’ireo tanora tsy mivadika ireo.

Reny mitaiza irery ny zanany ny Anabavy Anita Ximenes, maman’i Ruth, ary mbola manan-janakavavy roa izy ankoatra an’i Ruth. Tena tsy maintsy hoe nitebiteby be sy natahotra i Anita rehefa naheno ny mpiray tanàna taminy niteny hoe: “Andao hovonointsika ireo fa mpamadika!” Hoy anefa i Anita: “Fantatro hoe sahy nijoro teo anatrehan’ny fitsarana ny ranadahy sy rahavavy tany Rosia, sady tony erỳ, dia lasa tsy natahotra koa izaho. Afaka nanampy ny zanako vavy aho tamin’ireny tantara ireny. Tena tsapanay hoe hoatran’ny hoe Dada manohana anay foana i Jehovah.”

Avy eo ankavia miankavanana: Roni da Cruz, Cejiana Jose do Carmo, Noviana Jose do Carmo, Ananda Maria Delavega, ary Ruth Ximenes, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2019, herinandro vitsivitsy taorian’ny nitondrana azy ireo tany amin’ny paositry ny polisy, noho izy ireo tsy nety hanangan-tsaina

Hoatran’ireo tanora mpiray finoana amintsika any Timaoro Atsinanana ireo sy ny ray aman-dreniny koa isika. Tena mampahery antsika ny misaintsaina ny tantaran’ny rahalahy sy anabavy be herim-po. “Mivoaka ho mpandresy tanteraka” mantsy izy ireo na dia miatrika fanoherana aza.​—Romanina 8:37.