Hijery ny anatiny

Inona no Tokony Hataoko Raha Te ho Lasa Vavolombelon’i Jehovah Aho?

Inona no Tokony Hataoko Raha Te ho Lasa Vavolombelon’i Jehovah Aho?

 Nolazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 28:19, 20 ny dingana tokony hataon’izay te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah. Hazavaina ao hoe inona no tokony hataon’ny olona iray te ho lasa mpianatr’i Kristy. Takina aminy, ohatra, ny hoe miresaka na mitory momba an’i Jehovah.

 Dingana 1: Mianatra an’izay voalaza ao amin’ny Baiboly. Nasain’i Jesosy ‘hanao mpianatra’, izany hoe ‘hampianatra’, ny mpanara-dia azy. (Matio 28:19, 20) Hanampy anao hanana fiainana sambatra sy mahafa-po ny fanazavana ao amin’ny Baiboly, indrindra fa ny fampianaran’i Jesosy Kristy. (2 Timoty 3:16, 17) Faly izahay hanampy anao hianatra Baiboly maimaim-poana.​—Matio 10:7, 8; 1 Tesalonianina 2:13.

 Dingana 2: Mampihatra an’izay ianaranao. Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy ‘mitandrina an’izay rehetra nandidiany’ koa izay olona mianatra. (Matio 28:20) Tsy hoe hiana-java-baovao fotsiny àry ianao rehefa mianatra Baiboly, fa mety hila hanova ny fomba fisainanao sy ny fitondran-tenanao koa. (Asan’ny Apostoly 10:42; Efesianina 4:22-29; Hebreo 10:24, 25) Manapa-kevitra ny hanara-dia an’i Jesosy izay mitandrina ny didiny, ka manokana ny fiainany hanompoana an’i Jehovah Andriamanitra.​—Matio 16:24.

 Dingana 3: Atao batisa. (Matio 28:19) Oharin’ny Baiboly amin’ny fandevenana ny batisa. (Ampitahao amin’ny Romanina 6:2-4.) Toy ny hoe maty ilay olona atao batisa, dia tapitra hatreo ny fomba fiainany taloha ary manomboka fiainam-baovao indray izy. Mampiseho amin’ny besinimaro àry ianao rehefa atao batisa fa nahavita an’ireo dingana roa voalohany nolazain’i Jesosy. Mangataka amin’Andriamanitra koa ianao mba hanana feon’ny fieritreretana madio.​—Hebreo 9:14; 1 Petera 3:21.

Ahoana no hahalalako hoe azo atao batisa aho?

 Miresaha amin’ny anti-panahin’ny fiangonana. Hiara-midinika aminao izy ireo mba hahitana raha azonao tsara hoe inona avy no tafiditra amin’izany. Hojereny koa raha mampihatra an’izay ianaranao ianao, ary efa nanokan-tena an-tsitrapo ho an’Andriamanitra.​—Asan’ny Apostoly 20:28; 1 Petera 5:1-3.

Tokony hanao an’ireo dingana ireo ve ny zanaka Vavolombelona?

 Eny. Miezaka izahay hitaiza ny zanakay “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah”, satria izany no asain’ny Baiboly atao. (Efesianina 6:4) Rehefa lehibe anefa izy ireo, dia izy ireo ihany no manapa-kevitra hoe hianatra sy hanaiky ary hampihatra an’izay ampianarin’ny Baiboly. Rehefa manao an’izany izy ireo vao azo atao batisa. (Romanina 12:2) Tsy maintsy mifidy an’izay fivavahana tiany harahina mantsy ny tsirairay.​—Romanina 14:12; Galatianina 6:5.