Hijery ny anatiny

Iza no Nanorina ny Fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Iza no Nanorina ny Fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Taloha kelin’ny taona 1900 no nanomboka nisy ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Tamin’izay no nisy mpianatra ny Baiboly vitsivitsy tany akaikin’i Pittsburgh, any Etazonia, nanomboka nandinika tsikelikely an’izay lazain’ny Baiboly. Nampitahain’izy ireo tamin’izay tena ampianarin’ny Baiboly ny zavatra nampianarin’ny fiangonana. Nataon’izy ireo pirinty ny zavatra nianarany, ka navoakany tamin’ny boky sy gazety, anisan’izany ilay gazety antsoina ankehitriny hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah.

 Anisan’ireo mpianatra ny Baiboly tso-po ireo ny lehilahy iray antsoina hoe Charles Taze Russell. Marina fa i Russell no nitarika ny asa fampianarana Baiboly tamin’izany, ary izy koa no mpampanonta voalohany an’ilay gazety Tilikambo Fiambenana. Tsy hoe nanorina fivavahana vaovao anefa izy. Mpianatra ny Baiboly no nahafantarana an’ilay antokon’olona tamin’izany ary izao no tanjon’izy ireo sy Russell: Ny hanaraka ny fanaon’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy hampirisika ny olona hanaraka ny fampianaran’i Jesosy Kristy. I Jesosy no heverinay ho mpanorina ny fandaminanay satria izy no Mpanorina ny Fivavahana Kristianina.—Kolosianina 1:18-20.