Hijery ny anatiny

Kristianina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Kristianina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Eny. Kristianina izahay noho ireto antony ireto:

  •   Miezaka manaraka akaiky ny fampianaran’i Jesosy Kristy sy manahaka azy izahay.—1 Petera 2:21.

  •   Mino izahay fa i Jesosy no hahazoana famonjena satria “tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.”—Asan’ny Apostoly 4:12.

  •   Atao batisa amin’ny anaran’i Jesosy ny olona lasa Vavolombelon’i Jehovah.—Matio 28:18, 19.

  •   Ataonay amin’ny anaran’i Jesosy ny vavakay.—Jaona 15:16.

  •   Mino izahay fa i Jesosy no Loha, na nomena fahefana, eo amin’ny lehilahy rehetra.—1 Korintianina 11:3.

 Betsaka anefa ny tsy itovizanay amin’ny fivavahana hafa antsoina hoe Kristianina. Mino, ohatra, izahay fa mampianatra ny Baiboly hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy fa tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray. (Marka 12:29) Tsy mino izahay hoe tsy mety maty ny fanahy. Tsy mino izahay hoe mampijaly olona any amin’ny afobe mandrakizay Andriamanitra satria tsy milaza an’izany ny Baiboly. Tsy mino koa izahay hoe tokony homena anaram-boninahitra ny mpitondra fivavahana mba hanavahana azy amin’ny olon-kafa.—Mpitoriteny 9:5; Ezekiela 18:4; Matio 23:8-10.