Hijery ny anatiny

“Tsy Ambakan’ny Lehilahy Mihitsy ny Vehivavy Amin’ny Resaka Fanorenana!”

“Tsy Ambakan’ny Lehilahy Mihitsy ny Vehivavy Amin’ny Resaka Fanorenana!”

Mampiofana vehivavy be dia be hahay hitondra bilidaozera sy kamiao ary milina hafa ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ilay toerana anorenan-dry zareo biraon’ny sampana, any akaikin’i Chelmsford, any Essex, any Grande-Bretagne. Nisy fikambanana anankiray tena hajain’ny olona àry nidera azy ireo. Antsoina hoe Mpanao Fanorenana Miaro ny Tontolo Iainana sy ny Mpiasa, na CCS, a ilay fikambanana. Nomen’ny CCS ny naoty ambony indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tena mahay mampiofana vehivavy amin’ny asa fanorenana, sady mampiasa teknika “hafakely” rehefa manao an’izany. Nahoana anefa no tena miavaka ilay nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Latsaky ny 13 isan-jaton’ny mpanao fanorenana any Grande-Bretagne no vehivavy. Vitsy ihany, raha hisy aza, ny vehivavy hitady asa any amin’ny orinasa mpanao fanorenana, araka ny tatitra nataon’ny fikambanana iray any. Ny 40 isan-jato eo ho eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah manao fanorenana any Chelmsford anefa no vehivavy. Ny ao amin’ny ekipa mpitondra bilidaozera sy kamiao aza, dia 60 isan-jato mahery be izao no vehivavy.

Vehivavy miara-miasa amin’ny lehilahy, any Chelmsford

Ahoana no nahaizan’ireo vehivavy ireo an’io asa io? Satria ampiofanina sy ampiana ry zareo, ary atokisana. Ireo mihitsy anefa no fepetra takin’ny CCS. Anisan’ny takin-dry zareo amin’ny mpampiasa mantsy hoe “tokony hohajaina daholo ny mpiasa rehetra, dia tsy tokony hisy havakavahana. Mila omena toky sy ampiana koa ry zareo, dia ampiofanina tsara.”

Ampiofanina hitondra bilidaozera

Anisan’ny nampiofanina hitondra bilidaozera sy kamiao mpitatitra tany i Jade. Hoy izy: “Tsy noeritreretiko hoe hahay hitondra an’ireny mihitsy aho. Izaho aza gaga hoe lasa nahay! Sarotra aloha ilay izy indraindray e! Fa ampiofanin-dry zareo foana aho dia mianatra zava-baovao foana koa.” Efa mahay mitondra bilidaozera hoatran’i Jade koa izao i Lucy. Hoy izy: “Tsisy zavatra haiko mihitsy tamin’izaho vao tonga. Vao andro voalohany anefa aho dia efa nampiofanina. Efa ekipa dimy sahady izao no niara-niasa tamiko, ka efa be dia be mihitsy ny zavatra nianarako.”

Vehivavy ampianarina mitondra bilidaozera

Tsy hoe mitondra an’ilay bilidaozera fotsiny no hain’ny vehivavy. Hoy i Eric, mpiandraikitra ny asan-dry zareo: “Ny vehivavy matetika no mahakarakara kokoa an’ilay bilidaozera noho ny lehilahy. Ry zareo koa tonga dia mahita rehefa misy tsy metimety amin’ilay izy, sady hainy tsara ny manazava azy.”

Tsy avela hiady irery sady atokisana

Miandraikitra ekipa maromaro koa i Carl. Hoy izy: “Gaga mihitsy aho fa tena mora mahay mitondra bilidaozera ny vehivavy. Indraindray aza aleoko mampiasa an-dry zareo toy izay lehilahy efa nitondra bilidaozera an-taonany maro.”

Vehivavy mampiasa milina fanakambanana fantsona plastika

Lasa matoky tena ny mpiasa rehefa hitany hoe matoky azy sady te hanampy azy ny mpiandraikitra. Izany no tsapan’i Therese. Efa mahay tsara mitondra bilidaozera izy izao. Nilaza izy hoe andraikitra be mihitsy izany hoe mitondra bilidaozera sy kamiao izany. Tena mila mahay manapa-kevitra ianao mba hiarovana ny ainao sy ny ain’ny olon-kafa. Hoy koa izy: “Lasa mahavita mihoatra lavitra noho izay noeritreretiko hoe ho vitako aho, rehefa hitako hoe matoky an’ahy sady te hanampy an’ahy ny mpiandraikitra anay. Tena tsy mora ny asanay, nefa tsy mampaninona an’ahy izany satria tian’ny olona ilay zavatra nataoko sady afa-po ry zareo.”

Mpitondra bilidaozera sy kamiao mpitatitra tany koa i Abigail. Faly izy fa atokisana sady tsy avela hiady irery. Hoy izy: “Tsisy manambanimbany an’ahy mihitsy ny lehilahy ato. Tsy hoe tonga dia ataony ilay asa rehefa sendra tsy haiko, fa ampiany aho, dia avelany hotohiziko ilay izy avy eo.”

Tsy varimbariana sady mitandrina tsara

Tsy hoe ampianarina hitondra bilidaozera sy hampiasa milina isan-karazany fotsiny anefa ny vehivavy any Chelmsford. Ampianarina handrefy tany, hanamboatra milina simba, hanangana esafôdazy, ary tsy hanarinary ranon-tany na zavatra hafa mbola azo ampiasaina koa ry zareo. Efa imbetsaka niara-niasa tamin’ny vehivavy i Robert. Nilaza izy hoe “tsy varimbariana” ny vehivavy, fa “mifantoka tsara sady mazoto be rehefa hiasa. Mitandrina tsara koa ry zareo na dia amin’ny zavatra madinika aza.” Hoy indray i Tom, mpandrefy tany: “Rehefa manao zavatra ny vehivavy ao amin’ny ekipako, dia ataony marina tsara foana ilay izy. Tsy manao kitoatoa ry zareo sady mipetrapetraka tsara daholo izay zavatra ataony.”

Niaiky mihitsy aza i Fergus, mpiandraikitra ny ekipa anankiray, hoe: “Tena tsy ambakan’ny lehilahy mihitsy ny vehivavy amin’ny resaka fanorenana!”

a Fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ny Mpanao Fanorenana Miaro ny Tontolo Iainana sy ny Mpiasa, ary asaina arahiny maso ny resaka fanorenana any Grande-Bretagne, mba hanara-penitra kokoa.