Hijery ny anatiny

Natao Fampirantiana tao Amin’ilay Tanànan’ny Harena Ilay “Fanomezan’Andriamanitra ho An’ny Olombelona”

Natao Fampirantiana tao Amin’ilay Tanànan’ny Harena Ilay “Fanomezan’Andriamanitra ho An’ny Olombelona”

Cluj-Napoca, no anisan’ny tanàna lehibe indrindra any Romania, ary antsoina hoe ilay Tanànan’ny Harena izy io. Nisy foara Gaudeamus momba ny boky natao tao amin’io tanàna io, tamin’ny 20 ka hatramin’ny 24 Aprily 2016. Nandray anjara tamin’izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka ny momba an’Andriamanitra sy ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena no tena nasongadin-dry zareo. Nanangana trano heva ry zareo, ary nanao fampirantiana boky sy gazety, video, ary Baiboly tao amin’ilay foara. Olona an’arivony no liana tamin’izany ka niresahan-dry zareo.

Be dia be ny sekoly tonga nijery an’ilay foara, ka nentin’ireo mpampianatra teo amin’ilay trano hevan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpianany. Anisan’ny tena tian’ny ankizy mpianatra ilay video hoe Ataovy Namanao i Jehovah, ary maro tamin-dry zareo no nangataka an’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, sy ilay bokikely hoe Ampianaro ny Zanakao. Rehefa nahita an’ireo video ho an’ny ankizy ny vehivavy iray mpikarakara ankizy, dia hoy izy tamin’ny mpiara-miasa aminy: “Mila raisintsika mihitsy ity adiresy ity [www.ps8318.com], dia amin’izay isika afaka mampiseho an’ireo video rehetra ireo amin’ny ankizy.”

Ny ankizy efa lehibebe indray variana erỳ nijery an’ireo kisarisary naseho an-dry zareo tamin’ny tablette. Anisan’ny hitan-dry zareo ilay hoe Tena Tia sa Taratara Fotsiny?, Mbà Fetsifetsy Amin’ny Internet!, ary ilay hoe Tsy Mila Miady Nefa Mandresy!

Nisy pretra ortodoksa anankiray niverimberina nitsidika an’ilay trano heva niaraka tamin’ny vadiny, ary nahazo an’ilay hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy bokikely vitsivitsy. Nilaza ilay pretra fa tena nahavariana azy, hono, ilay hoe “Fanondroana Teny ato Amin’ny Baiboly” ao amin’io fandikan-teny io, sy ireo loharanon-kevitra tena azo antoka ampiasaina ao. Nomeny an’ireo Vavolombelona ny nomeraon’ny telefaoniny, amin’izay ry zareo afaka mifanao fotoana aminy sy miresaka bebe kokoa momba ny Baiboly.

Ny vadin’ilay pretra indray nanontany hoe aiza ho aiza ao amin’ilay tranonkala jw.org no ahitany zavatra mahaliana ny ankizy. Natoro azy ilay hoe “Ankizy”, dia avy eo izy nijery an’ilay video hoe Milazà ny Marina. Tena tiany ilay izy! Nojeren’ilay pretra daholo ny zavatra tao amin’io fizarana io, sy ny zavatra hafa tao amin’ilay tranonkala, ka nolazainy hoe “fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona” ilay izy.