Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

Nahoana ny Politika no Mampizarazara ny Olona? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Nahoana ny Politika no Mampizarazara ny Olona? Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Mampizarazara firenena maro maneran-tany ny politika. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Foibem-pikarohan’i Pew tamin’ny 2022, dia “65% amin’ny olon-dehibe any amin’ny tany 19 nanaovana fanadihadiana no nilaza hoe tena tsy mifanara-tsaina mihitsy ny olona samy hafa antoko politika any amin-dry zareo.”

 Tsikaritrao koa ve hoe vao mainka mizarazara ny olona any aminareo noho ny resaka politika? Fa inona ny antony? Mety hisy vahaolana ihany ve? Diniho izay lazain’ny Baiboly.

Toe-tsaina mampizarazara

 Efa nolazain’ny Baiboly mialoha hoe ho ratsy ny toe-tsain’ny olona amin’ny “andro farany”, izany hoe amin’izao androntsika izao, dia ho lasa sarotra be ny hiray saina.

  •   “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora atrehina. Fa ny olona ho tia tena, ... tsy ho azo ifanarahana.”​—2 Timoty 3:1-3.

 Be dia be ny olona miezaka mafy mba hahatonga ny fitondram-panjakana hahomby nefa tsy misy vokany akory izany. Rehefa tsy mitovy hevitra ny olona, dia sarotra be aminy na tsy vitany mihitsy ny miara-miasa mba hamaha olana. Efa ela be ny Baiboly no nilaza hoe inona no ho vokatr’izany.

  •   “Nifampitondra ny olona samy olona ka nijaly ny vahoaka.”​—Mpitoriteny 8:9.

 Inona ny vahaolana atoron’ny Baiboly? Fitondram-panjakana iray, dia olona iray afaka mamaha ny olana mahatonga ny olombelona hijaly no mitondra azy io.

Mpitondra mahay sady tia olona

 Milaza ny Baiboly fa i Jesosy Kristy ihany no mpitondra tena hahavita hamaha an’ireny olana ireny. Tsy vitan’ny hoe te hampiadana sy te hampiray saina ny olombelona izy, fa manana hery sy fahefana hanaovana an’izany koa.

  •   “Amin’ny andro anjakany, dia ho be dia be ny olo-marina, Ary ho be ny fiadanana.”​—Salamo 72:7.

  •   “Hanompo azy ny firenena rehetra.”​—Salamo 72:11.

 I Jesosy no mpitondra tsara indrindra satria tena tia olona izy sady te hanampy an-dry zareo, indrindra fa izay niharan’ny tsy rariny.

  •   “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, sy ny madinika, ary izay rehetra tsy mba misy manampy. Hiantra ny madinika sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hanafaka azy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”​—Salamo 72:12-14.

 Mianara bebe kokoa momba ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe ilay fitondram-panjakana any an-danitra hotarihin’i Jesosy. Jereo hoe inona ny soa ho azonao avy amin’io fanjakana io ary ahoana no hanohananao azy io.