Nosoratan’i Jaona 18:1-40

  • Namadika an’i Jesosy i Jodasy (1-9)

  • Nampiasa sabatra i Petera (10, 11)

  • Nentina tany amin’i Anasy i Jesosy (12-14)

  • Nanda an’i Jesosy voalohany i Petera (15-18)

  • Jesosy teo anatrehan’i Anasy (19-24)

  • Nanda an’i Jesosy fanindroany sy fanintelony i Petera (25-27)

  • Jesosy teo anatrehan’i Pilato (28-40)

    • “Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako” (36)

18  Rehefa avy nilaza an’izany i Jesosy, dia lasa nandeha niampita ny Lohasahan’i Kidrona,*+ niaraka tamin’ny mpianany. Dia nankao amin’ny zaridaina iray tany izy sy ny mpianany.+  Nahafantatra an’io toerana io koa i Jodasy, ilay namadika azy, satria mpankao matetika i Jesosy sy ny mpianany.  Nitondra andia-miaramila sy mpiambina avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo àry i Jodasy, ka tonga tao nitondra fanilo sy jiro ary fiadiana.+  Fantatr’i Jesosy hoe inona daholo ny zavatra hanjo azy, ka nanatona izy ary nanontany hoe: “Iza no tadiavinareo?”  Hoy ireo taminy: “I Jesosy avy any Nazareta.”+ Dia hoy izy: “Izaho no izy.” Teo koa i Jodasy, ilay namadika azy, nitsangana niaraka tamin’izy ireo teo.+  Rehefa nilaza anefa i Jesosy hoe: “Izaho no izy”, dia nihemotra izy ireo ka nianjera tamin’ny tany.+  Nanontany indray àry izy hoe: “Fa iza ho’aho no tadiavinareo?” Dia hoy ireo: “I Jesosy avy any Nazareta.”  Ary hoy i Jesosy: “Efa hoe izaho no izy! Koa raha izaho no tadiavinareo, dia avelao ireto handeha.”  Nitranga izany mba ho tanteraka ilay teniny hoe: “Tsy navelako hisy ho very izay nomenao ahy, na iray aza.”+ 10  Ary nanana sabatra i Simona Petera. Dia notsoahany ilay izy, ka nasiany ny mpanompon’ny mpisoronabe dia tapaka ny sofiny havanana.+ Malko no anaran’io mpanompo io. 11  Hoy anefa i Jesosy tamin’i Petera: “Ampidiro ao amin’ny tranony ny sabatrao.+ Izaho ve dia tsy hisotro amin’ny kaopy nomen’ny Raiko ahy?”+ 12  Dia nisambotra an’i Jesosy ilay andia-miaramila sy ny mpitari-tafika ary ny mpiambina teo amin’ny Jiosy, ka namatotra azy. 13  Nentiny tany amin’i Anasy aloha izy, satria i Anasy no rafozandahin’i Kaiafa,+ ilay mpisoronabe tamin’izany taona izany.+ 14  Io Kaiafa io ilay nanoro hevitra ny Jiosy hoe mahasoa azy ireo raha olona iray no maty ho an’ny vahoaka.+ 15  Nanaraka an’i Jesosy i Simona Petera sy ny mpianatra iray fantatry ny mpisoronabe.+ Dia niditra tao an-tokotanin’ny mpisoronabe niaraka tamin’i Jesosy ilay mpianatra, 16  fa i Petera kosa nijanona tao ivelany, teo am-bavahady.* Nivoaka àry ilay mpianatra fantatry ny mpisoronabe, dia niresaka tamin’ny mpiandry vavahady ka nampiditra an’i Petera. 17  Ary hoy ilay mpanompovavy mpiandry vavahady, tamin’i Petera: “Tsy mpianatr’io lehilahy io koa ve ianao?” Hoy i Petera: “Tsy mpianany aho ka!”+ 18  Nijoro nanodidina ny afon-tsaribao nampirehetiny teo ny mpanompo sy ny mpiambina, satria nangatsiaka ny andro. Nitanina afo izy ireo, dia mba nijoro nitanina afo teo koa i Petera. 19  Dia nanontany an’i Jesosy momba ny mpianany sy ny fampianarany ny lehiben’ny mpisorona. 20  Ary hoy i Jesosy: “Niteny teny imason’ny olona rehetra aho. Nampianatra tao amin’ny synagoga sy ny tempoly foana koa aho,+ dia tany amin’izay nivorian’ny Jiosy rehetra. Tsy niafinafina mihitsy aho rehefa niteny. 21  Dia maninona ianao no manontany ahy? Ireny olona nihaino ny teniko ireny anontaniana, fa ireny no mahafantatra an’izay nolazaiko.” 22  Rehefa avy nilaza an’izany izy, dia namely tehamaina azy ny mpiambina iray nijoro teo,+ ka niteny hoe: “Hoatr’izany ve no famalinao ny lehiben’ny mpisorona?” 23  Ary hoy i Jesosy: “Raha nisy diso izay nolazaiko, dia porofoy hoe inona no diso. Fa raha marina kosa ny teniko, dia maninona aho no asianao?” 24  Nasain’i Anasy nentina nifatotra ho any amin’i Kaiafa mpisoronabe i Jesosy avy eo.+ 25  Ary mbola nijoro nitanina afo teo i Simona Petera no nisy nanontany hoe: “Tsy mpianany koa moa ianao?” Dia nanda izy hoe: “Tsy mpianany aho ka!”+ 26  Hoy ny iray tamin’ny mpanompon’ny mpisoronabe, izay havan’ilay olona nokapain’i Petera ny sofiny:+ “Tsy ianao ve ilay hitako tao amin’ny zaridaina niaraka taminy?” 27  Nanda indray anefa i Petera, ary teo no ho eo ihany dia nisy akoho naneno.+ 28  Dia niala tao amin’i Kaiafa izy ireo ka nentiny tany an-tranon’ny governora+ i Jesosy. Vao maraina be tamin’izay. Tsy niditra tao an-tranon’ny governora anefa izy ireo mba tsy ho voaloto.+ Te hihinana ny sakafon’ny Paska mantsy izy ireo. 29  Nivoaka nankeo amin’izy ireo teo ivelany àry i Pilato, ka hoy izy: “Inona no iampanganareo an’io lehilahy io?” 30  Dia namaly ireo hoe: “Raha tsy mpanao ratsy* izy, dia tsy ho natolotray anao.” 31  Hoy àry i Pilato: “Ento izy, dia tsarao araka ny lalànareo.”+ Dia hoy ny Jiosy: “Tsy azonay atao ny mamono olona.”+ 32  Nitranga izany mba ho tanteraka ny teny efa nolazain’i Jesosy mahakasika ny fomba hahafatesany.+ 33  Niditra tao an-tranon’ny governora indray i Pilato, dia nantsoiny i Jesosy ka nanontaniany hoe: “Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy?”+ 34  Dia namaly i Jesosy hoe: “Ianao mihitsy ve no te hahafantatra, sa naheno resak’olona momba ahy fotsiny ianao?” 35  Ary namaly i Pilato hoe: “Izaho ange tsy Jiosy e! Ny firenenao sy ny lehiben’ny mpisorona ihany no nanolotra anao tamiko. Fa inona no nataonao?” 36  Hoy i Jesosy:+ “Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako.+ Raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny mpanara-dia ahy mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho.+ Tsy avy amin’izao tontolo izao anefa ny Fanjakako.” 37  Dia hoy i Pilato: “Mpanjaka ve izany ianao?” Ary hoy i Jesosy: “Voalazanao fa mpanjaka aho.+ Izao no antony nahaterahako, ary izao no antony nahatongavako eto amin’izao tontolo izao, dia ny hampahafantatra ny marina.*+ Ary mihaino ny feoko izay rehetra miandany amin’ny marina.” 38  Hoy i Pilato: “Fa inona ny marina?” Nivoaka teo amin’ny Jiosy indray i Pilato rehefa avy niteny an’izany, ka hoy izy: “Tsy hitako izay fahadisoan’io lehilahy io.+ 39  Sady raha araka ny fanaonareo, dia tokony hanafaka olona iray ho anareo aho rehefa Paska.+ Ka sao dia mba tianareo hafahako ho anareo ilay Mpanjakan’ny Jiosy?” 40  Niantsoantso mafy indray anefa ireo hoe: “Tsy io lehilahy io, fa i Barabasy!” Jiolahy anefa i Barabasy.+

Fanamarihana

Maina io lohasaha io na rehefa ririnina aza, afa-tsy rehefa avy be ny orana.
Na: “teo amin’ny fidirana.”
Na: “mpanao heloka bevava.”
Na: “ny fahamarinana.”