Nosoratan’i Jaona 5:1-47

  • Lehilahy nositranina tao Betizata (1-18)

  • Nomen’ny Rainy fahefana i Jesosy (19-24)

  • Haheno ny feon’i Jesosy ny maty (25-30)

  • Izay mijoro ho vavolombelona manamarina an’i Jesosy (31-47)

5  Nisy fetin’ny+ Jiosy taorian’izay, ka niakatra tany Jerosalema i Jesosy.  Nisy dobo iray tany Jerosalema, teo akaikin’ny Vavahadin’ondry,+ ary Betizata no niantsoana azy amin’ny teny hebreo. Nisy lala-mitafo dimy izy io.  Be olona marary, jamba, malemy tongotra, ary kilemaina* tao amin’ireo lala-mitafo ireo.  *——  Nisy lehilahy efa narary nandritra ny 38 taona koa tao.  Nahita azy nitsotra teo i Jesosy, ary fantany hoe efa ela izy no narary, ka hoy izy taminy: “Te ho sitrana ve ianao?”+  Dia namaly ilay marary hoe: “Tsy mba misy olona manampy ahy hankao anaty dobo, tompoko, rehefa mihetsika ny rano. Rehefa handeha hankao iny anefa aho, dia misy misongona ka izy no tafidina alohako.”  Hoy i Jesosy: “Mitsangàna! Batao ny fandriananao dia mandehana.”+  Tonga dia sitrana ilay lehilahy, ka nobatainy ny fandrianany dia nanomboka nandeha izy. Sabata ny andro tamin’izay. 10  Hoy àry ny Jiosy tamin’ilay lehilahy sitrana: “Sabata androany, ka tsy azo atao izao mitondra fandriana izao.”+ 11  Hoy anefa izy tamin’izy ireo: “Ka ilay nanasitrana ahy mihitsy ange no niteny tamiko hoe: ‘Batao ny fandriananao dia mandehana’ e!” 12  Dia nanontany ireo hoe: “Iza izany nilaza taminao izany hoe: ‘Batao ny fandriananao dia mandehana’?” 13  Tsy nahalala an’i Jesosy anefa ilay lehilahy sitrana, satria efa lasa tany anaty vahoaka tany i Jesosy. 14  Nahita azy tao amin’ny tempoly i Jesosy taorian’izay, ka niteny taminy hoe: “Efa sitrana ianao izao, ka aza manota intsony sao hisy zavatra ratsy noho iny hahazo anao.” 15  Dia lasa ilay lehilahy niteny tamin’ny Jiosy hoe i Jesosy no nanasitrana azy. 16  Izany àry no nahatonga ny Jiosy hanenjika an’i Jesosy. Nanao an’ireo zavatra ireo tamin’ny Sabata mantsy izy. 17  Hoy anefa izy: “Miasa foana ny Raiko hatramin’izao, dia izaho koa miasa foana.”+ 18  Ary vao mainka nitady hamono azy ny Jiosy. Nihevitra mantsy izy ireo fa tsy nitandrina ny Sabata izy sady niantso an’Andriamanitra hoe Rainy,+ ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra.+ 19  Dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Lazaiko marimarina aminareo fa tsy manao na inona na inona araka izay tiany* fotsiny ny Zanaka, fa izay hitany ataon’ny Ray ihany no ataony.+ Fa izay rehetra ataon’ny Ray dia izany koa no ataon’ny Zanaka, sady ataony mitovy amin’izay anaovan’ny Ray azy. 20  Tia an’ilay Zanaka+ mantsy ny Ray, dia asehony an’io Zanany io daholo ny zavatra ataony. Mbola hisy asa lehibe noho ireo aza hasehony azy, mba ho gaga ianareo.+ 21  Fa atsangan’ny Ray ny maty ka velominy indray,+ dia hoatr’izany koa fa atsangan’ny Zanaka izay tiany hatsangana.+ 22  Tsy mitsara na iza na iza ny Ray, fa nankininy tamin’ny Zanaka ny fitsarana rehetra.+ 23  Amin’izay dia hanome voninahitra ny Zanaka ny olona rehetra, toy ny anomezan’izy ireo voninahitra ny Ray. Izay tsy manome voninahitra ny Zanaka, dia tsy manome voninahitra an’ilay Ray naniraka azy.+ 24  Lazaiko marimarina aminareo fa hahazo fiainana mandrakizay izay mihaino ny teniko ka mino an’Ilay naniraka ahy.+ Ary tsy melohina izy satria hoatran’ny hoe efa maty nefa velona indray.+ 25  “Lazaiko marimarina aminareo fa ho avy ny fotoana, ary efa izao mihitsy ny fotoana handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, dia ho velona izay mihaino. 26  Fa manana fahefana hanome fiainana* ny Ray,+ dia nomeny fahefana hanome fiainana koa ny Zanaka.+ 27  Ary nomeny fahefana hitsara izy,+ satria izy no Zanak’olona.+ 28  Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana* ny feony,+ 29  dia hivoaka izy ireo. Izay nanao ny tsara dia hatsangana mba hahazo fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana mba hotsaraina.+ 30  Tsy afaka manao izay tiako* aho, na inona izany na inona. Araka izay henoko ihany no itsarako, ary ara-drariny ny fitsarako,+ satria tsy ny sitrapoko no tiako hatao, fa ny sitrapon’Ilay naniraka ahy.+ 31  “Raha izaho irery no mijoro ho vavolombelona manamarina ny tenako, dia tsy marina ny teniko.+ 32  Misy hafa koa anefa manamarina ahy, ary fantatro fa marina izay lazainy momba ahy.+ 33  Naniraka olona tany amin’i Jaona ianareo, ary nilaza ny marina izy.+ 34  Tsy miantehitra amin’ny tenin’olona anefa aho, fa milaza an’izany rehetra izany mba ho voavonjy ianareo. 35  Jiro nirehitra sy namirapiratra izany lehilahy izany, ary vetivety ihany ianareo no naniry hifalifaly tao amin’ny fahazavany.+ 36  Manana porofo lehibe noho ny porofo omen’i Jaona anefa aho, satria ny asa nanendren’ny Raiko ahy mihitsy izao no ataoko. Ary izany asa ataoko izany no manaporofo fa nirahin’ny Ray aho.+ 37  Ny Ray izay naniraka ahy mihitsy koa no nanome porofo momba ahy.+ Mbola tsy naheno ny feony mihitsy ianareo, sady mbola tsy nahita ny endriny.+ 38  Ary tsy mba mijanona ao am-ponareo ny teniny, satria ianareo tsy mino an’ilay nirahiny. 39  “Mikaroka ao amin’ny Soratra Masina ianareo,+ satria mieritreritra hoe amin’ny alalan’izy io no hahazoanareo fiainana mandrakizay, ary izy io* mihitsy no manome porofo momba ahy.+ 40  Tsy mety manatona ahy+ anefa ianareo mba hahazo fiainana. 41  Tsy mandray voninahitra omen’olona aho, 42  nefa fantatro tsara fa tsy mba tia an’Andriamanitra ianareo ao am-ponareo. 43  Tonga tamin’ny anaran’ny Raiko mantsy aho, nefa tsy noraisinareo. Raha misy olona tonga amin’ny anaran’ny tenany anefa, dia horaisinareo. 44  Ahoana moa no hinoanareo, nefa ianareo aza mandray voninahitra avy aminareo samy ianareo ihany, fa tsy mba mitady ny voninahitra avy amin’ilay Andriamanitra tokana?+ 45  Aza mieritreritra hoe hiampanga anareo any amin’ny Ray aho. Misy olon-kafa miampanga anareo, dia i Mosesy,+ ilay nantenainareo. 46  Raha nino an’i Mosesy ianareo, dia ho nino ahy, satria nanoratra momba ahy i Mosesy.+ 47  Fa raha tsy mino an’izay nosoratany ianareo, ahoana moa no hinoanareo ny teniko?”

Fanamarihana

Na: “malemy tanana na tongotra.”
Jereo F.F. A3.
Na: “araka ny heviny.”
Abt: “manana fiainana ao aminy.”
Abt: “fasana atao ho fahatsiarovana.” Mifandray amin’ny matoanteny midika hoe “mahatsiaro” ilay teny grika, ary asongadiny hoe atao izay hahatsiarovana an’ilay olona maty.
Na: “manao araka ny hevitro.”
Izany hoe ny Soratra Masina.