Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavamananaina

Zavamananaina

Famaritana: Izay rehetra misy aina, toy ny olombelona sy ny biby. Nefesh no ilazana azy io amin’ny teny hebreo, ary psykè amin’ny teny grika. Adikan’ny Baiboly sasany hoe fanahy ireo teny hebreo sy grika ireo. Tsy marina anefa izany dikan-teny izany, satria olona na biby na ain’ny olona na ain’ny biby no dikan’ireo teny ireo, tao amin’ny Baiboly tany am-boalohany. Maro koa no mino fa misy fanahy tsy mety maty misaraka amin’ny vatan’ny olona rehefa maty izy. Tsy mampianatra izany anefa ny Baiboly.

Inona no dikan’ny hoe nefesh sy psykè ao amin’ny Baiboly?

Gen. 2:7: “I Jehovah Andriamanitra namorona ny olona avy tamin’ny vovoky ny tany, sady nitsoka fofonaina nankao am-bavorony, ka lasa zavamananaina [hebreo: nefesh] ny olona.” (Mariho fa zavamananaina no atao hoe nefesh eto.) (Mandika azy io hoe “olombelona” ny Prot., ny Kat. hoe “zava-manana aina”, ary ny DIEM hoe “manana aina.”)

1 Kor. 15:45: “Izao mihitsy no voasoratra: ‘Tonga zavamananaina [grika: psykè] i Adama voalohany.’ Ary i Adama farany kosa tonga fanahy mahavelona.” (Ny teny ao amin’ny Genesisy 2:7 no naverina eto. Mitovy ihany àry ny dikan’ilay teny hebreo hoe nefesh sy ilay teny grika hoe psykè.)

1 Pet. 3:20: “Tamin’ny andron’i Noa ... [dia] olom-bitsy, eny, olona [grika: psykai] valo no nentin’izy io ka tafita soa aman-tsara avy tamin’ny rano.” (Teny mitovy amin’ny hoe psykè ihany ny hoe psykai, saingy amin’ny endriny milaza maro.)

Jos. 11:11: “Nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ny olona [hebreo: nefesh] rehetra tao.” (Araka izany, dia azo asiana amin’ny lelan-tsabatra ny nefesh. Midika izany fa tsy fanahy izy io, fa zavatra hita maso.)

Aiza ao amin’ny Baiboly no milaza fa mety ho biby koa ny “nefesh” sy “psykè”?

Gen. 1:20, 21, 24, 25: “Hoy koa Andriamanitra: ‘Aoka hisy zavamananaina* be dia be hifanaretsaka ao anaty rano ...’ Ary Andriamanitra nanomboka namorona ireo biby goavam-be any an-dranomasina sy ny zavamananaina* rehetra mihetsiketsika izay mifanaretsaka ao anaty rano, samy araka ny karazany avy, ary ny biby manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. ... Hoy koa Andriamanitra: ‘Aoka ny tany hamoaka zavamananaina* araka ny karazany avy ...’ Ary Andriamanitra nanomboka nanao ny bibidia eny ambonin’ny tany araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra mandady amin’ny tany araka ny karazany avy.” (*Ilay teny hebreo nefesh no nadika hoe “zavamananaina” eto.)

Lev. 24:17, 18: “Raha misy mamely olona [hebreo: nefesh] ka mahafaty azy, dia tsy maintsy vonoina ho faty koa izy. Ary izay nahafaty biby [hebreo: nefesh] fiompy dia hanonitra izany, ka hanome biby ho solon’ny biby.” (Mariho fa teny hebreo iray ihany no ilazana ny olona sy ny biby eto.)

Apok. 16:3: “Lasa ra tahaka ny ran’olona maty ny ranomasina, ka maty ny zavamananaina [grika: psykè] rehetra, eny, izay tao an-dranomasina.” (Antsoina hoe psykè koa àry ny biby, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.)

Misy manam-pahaizana tsy Vavolombelon’i Jehovah ve manaiky fa izany tokoa no dikan’ny hoe “nefesh” sy “psykè”?

‘Tsy milaza mihitsy ny Testamenta Taloha hoe mizara ho vatana sy fanahy ny olona. Tsy izany mihitsy koa no fiheveran’ny Israelita ny olombelona. Tsy midika ho fanahy misaraka amin’ny vatana ny hoe [nefesh], na dia izany aza no nandikantsika ny [nefesh]. [Psykè] no teny grika mifanitsy amin’ny hoe [nefesh], araka ny hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Mety hanondro aina na zavamananaina izy io.’—Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967), Boky Faha-13, p. 449, 450.

‘Nampiasa an’ilay teny hebreo (nefesh, midika hoe izay mifoka rivotra) i Mosesy mba hilazana “zavamananaina”, anisan’izany ny biby. Mitovy amin’ny nefesh ihany ny hoe psykè ao amin’ny Testamenta Vaovao.’—Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (1976), Macropædia, Boky Faha-15, p. 152.

‘Tombantomban’ny filozofa sy ireo nianatra teolojia ilay hevitra hoe mbola velona ny fanahy, rehefa maty ny vatana. Tsy finoana tsotra fotsiny izy io, sady tsy ampianarina ao amin’ny Soratra Masina.’—Ny Rakipahalalana Jiosy (1910), Boky Faha-6, p. 564.

‘Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny hevitra hoe zavatra tsy hita maso misaraka amin’ny “vatana” ny “fanahy.” ’—Ny Tenin’Andriamanitra (frantsay, Paris, 1960), Georges Auzou, mpampianatra Soratra Masina, Sekoly fiofanana ho pretra any Rouen, Frantsa, p. 128.

“Na dia nadika matetika hoe ‘fanahy’ aza ny teny hebreo hoe nefesh [ao amin’ny Soratra Hebreo], dia tsy mitovy amin’ny fiheveran’ny Grika azy ny hevitr’izy io. Tsy midika mihitsy hoe zavatra misaraka amin’ny vatana mantsy ny ... hoe nefesh. Nadika matetika hoe ‘fanahy’ koa ny teny grika hoe psykè ao amin’ny Testamenta Vaovao. Tsy tokony hieritreritra avy hatrany anefa isika hoe mitovy amin’ny fiheveran’ny filozofa grika azy ny hevitr’izy io. Matetika kosa izy io no midika hoe ‘aina’, ‘tanjaka’, na ‘ny tena’ mihitsy aza indraindray.”—Ny Rakipahalalana Amerikanina (1977), Boky Faha-25, p. 236.

Tsy mety maty ve ny nefesh na psykè?

Ezek. 18:4: “Fa ahy ny aina rehetra. Ahy ny ain’ny ray, ary toy izany koa ny ain’ny zanaka. Izay* manota no ho faty.” (*Ny teny hebreo hoe nefesh no nadika hoe “izay” eto. Nandika azy io hoe “fanahy” ny Prot. sy ny Kat. ary ny JM. Ny DIEM kosa nanao hoe “izay olona.”)

Mat. 10:28: “Aza matahotra an’izay mamono mahafaty anareo, nefa tsy mahafoana ny fiainanareo ho avy, fa aleo matahotra an’ilay mahavita mandringana anareo [grika: psykè] ao amin’ny Gehena.” (Nandika an’ilay teny grika psykè hoe “fanahy” ny Prot., Kat., DIEM, ary JM. Voalaza eo anefa fa mety ho ringana ny psykè. Raha izany no izy, mety àry ve ny nandikana azy io hoe “fanahy”, izay lazaina fa tsy mety maty?)

Jak. 5:20: “Izay mampiverina mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany dia hamonjy azy [grika: psykè] tsy ho faty sady hanarona fahotana maro be.” (Nandika an’ilay teny grika psykè hoe ‘fanahy’ ny Prot., Kat., DIEM, ary JM. Voalaza eo anefa fa mety ho faty ny psykè. Mety àry ve ny nandikana azy io hoe “fanahy”, izay lazaina fa tsy mety maty?)

Afaka ny ho velona mandrakizay ve ny olona?

Jereo ny loha hevitra hoe “Fiainana”, pejy 202-206.

Manana fanahy miala amin’ny vatana ve isika rehefa maty?

Gen. 3:19: “Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina, mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao. Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.” (Tsy voalaza eo hoe nanana fanahy niala tamin’ny vatany i Adama rehefa maty. Tsy nisy i Adama talohan’ny namoronan’Andriamanitra azy avy tamin’ny vovoka. Tsy nisy intsony indray àry izy, rehefa maty.)

Mpito. 3:19, 20: “Manam-piafarana ny zanak’olombelona ary manam-piafarana koa ny biby, ary mitovy ihany ny iafaran’izy roa tonta. Fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa. Iray ihany ny hery mamelona [hebreo: roah] azy roa tonta ... Samy mankany amin’ny toerana iray izy rehetra. Samy avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho vovoka indray izy rehetra.” (Manazava ny andininy faha-20, 21 ny pejy 162.)

Mpito. 12:7, Prot.: “Ny vovoka dia hiverina amin’ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy [“hery mamelona”, TV; hebreo: roah] kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny.” (Mariho fa roah no teny hebreo nadika hoe “fanahy” eto, fa tsy nefesh. Tsy te hilaza akory ilay andininy hoe misy zavatra tsy mety maty miala amin’ilay olona, ka mamakivaky ny lanitra mankany amin’Andriamanitra. Ny tiany holazaina kosa dia hoe miankina amin’Andriamanitra no hahavelona indray an’ilay olona. Fitenintsika, ohatra, ny hoe ‘miverina’ amin’ny tompony ny tany iray, raha tsy voaloan’ilay mpividy ny vidiny. Tsy voatery hidika hoe miala amin’ny toerana iray mba ho any an-toeran-kafa àry ny hoe ‘miverina.’)

Mbola mahalala zavatra ve ny maty?

Mpito. 9:5: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.”

Sal. 146:4: “Miala ny ainy [hebreo: roah], ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.” (Ny Prot. sy ny Kat. ary ny DIEM kosa nandika ny roah hoe ‘fofonaina.’) (Jereo koa ny Salamo 104:29.)

Ahoana no niandohan’ny finoana hoe tsy mety maty ny fanahy?

‘Nahazo vahana tsikelikely teo amin’ny filozofia kristianina ny finoana hoe namorona zavatra tsy hita maso atao hoe fanahy Andriamanitra, ary napetrany tao amin’ny vatana iray izany, ka ny fitambaran’ireo no lasa olombelona. Tsy nekena mantsy izany finoana izany raha tsy tamin’ny andron’i Origène [maty tamin’ny 254 tany ho any] sy Md. Augustin [maty tamin’ny 430]. Tamin’izay koa vao niforona ny hevitra filozofika momba azy io. Avy amin’ny fampianaran’i Platon ny ankamaroan’ny fampianaran’i [Augustin] (anisan’izany ny hevi-diso sasany).’—Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967), Boky Faha-13, p. 452, 454.

“Avy tamin’ny Grika ny finoana fa tsy mety maty ny fanahy. Ny Jiosy kosa nanantena fitsanganana amin’ny maty. ... Nekena tsikelikely teo anivon’ny Fivavahana Jiosy anefa ny zavatra ninoan’ny Grika, taorian’ireo fandresen’i Aleksandra [mpanjaka grika nalaza].”—Rakipahalalana Momba ny Baiboly (frantsay, Valence, Frantsa; 1935), natontan’i Alexandre Westphal, Boky Faha-2, p. 557.

‘Fivavahana taloha mifono zava-miafina no namorona an’ilay hevitra ninoan’ny Grika hoe tsy mety maty ny fanahy. Nohatsarain’ilay filozofa atao hoe Platon izany avy eo.’—Fiainan’ny Presbyterianina (anglisy), 1 Mey 1970, p. 35.

Nampianatra toy izao mantsy i Platon: “Mino ve isika fa misy ny fahafatesana? ... Moa ve izany tsy ny fisarahan’ny fanahy sy ny vatana? Maty isika rehefa mitranga izany. Inona moa no atao hoe fahafatesana? Moa ve izany tsy ny fialan’ny fanahy amin’ny vatana, ary ny fisarahan’ny vatana sy ny fanahy? ... Mety ho faty ve ny fanahy? Tsia. Tsy mety maty àry ve ny fanahy? Eny.”—Boky Miavaky ny Tandrefana (anglisy, 1952), natontan’i R. Hutchins, Boky Faha-7, p. 223, 245, 246.

“Hitantsika fa zava-dehibe tamin’ireo teolojianina babylonianina ilay hevitra hoe tsy mety maty ny fanahy. ... Tsy ninoan’ny vahoaka sy ny mpitondra fivavahana hoe lasa tsy misy intsony ny olona iray efa nisy teo. Fifindrana ho amin’ny fiainana hafa fotsiny mantsy amin’izy ireo ny fahafatesana.”—Ny Fivavahan’i Babylonia sy Asyria (Boston, 1898), M. Jastrow, p. 556.

Jereo koa ny pejy 121-123, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fahafatesana.”