Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Fitaovana natao hanampiana anao hahalala an’izay lazain’ny Baiboly ity boky ity. Ho fantatrao ato, ohatra, hoe nahoana isika no mijaly, mankaiza ny olona rehefa maty, ary ahoana no hahasambatra ny fianakaviana.

Izao ve no Fikasan’Andriamanitra?

Mety ho efa nieritreritra ianao hoe maninona no be dia be ny olana eran-tany. Milaza ny Baiboly fa hiova ny fiainana eto an-tany amin’ny hoavy, ary afaka ny handray soa amin’izany ianao.

TOKO 1

Inona no Marina Momba An’Andriamanitra?

Tsy miraharaha anao ve Andriamanitra? Jereo ato ny toetrany sy ny fomba hifandraisana aminy.

TOKO 2

Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly

Nahoana ny Baiboly no afaka manampy anao hiatrika olana? Nahoana no azonao itokisana ny faminaniana ao?

TOKO 3

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?

Ho tanteraka ve ny fikasan’Andriamanitra hanova ny tany ho paradisa? Raha eny, dia rahoviana?

TOKO 4

Iza i Jesosy Kristy?

Jereo ato hoe nahoana i Jesosy no lazaina fa Mesia, avy aiza izy, ary nahoana izy no antsoina hoe zanaka lahitokan’i Jehovah.

TOKO 5

Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra

Inona no atao hoe vidim-panavotana? Inona no soa azonao avy amin’izy io?

TOKO 6

Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny?

Jereo ato hoe lasa aiza ireny olona maty ireny, araka ny lazain’ny Baiboly, ary nahoana ny olona no maty.

TOKO 7

Fanantenana Azo Antoka Momba An’ireo Havanao Efa Maty

Efa nisy havanao maty ve? Mbola hahita azy ireny indray ve ianao? Jereo ato izay ampianarin’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty.

TOKO 8

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

Maro no mahay tsianjery an’ilay vavaka hoe Rainay Izay any An-danitra. Inona ny dikan’ilay hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”?

TOKO 9

“Andro Farany” ve Izao Iainantsika Izao?

Voaporofo fa “andro farany” izao, raha jerena ny zava-mitranga sy ny toetran’ny olona manodidina antsika.

TOKO 10

Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy

Miresaka momba ny anjely sy ny demonia ny Baiboly. Tena misy ve ny anjely? Manan-kery eo amin’ny fiainanao ve izy ireo?

TOKO 11

Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly?

Olona maro no mieritreritra hoe Andriamanitra no mahatonga ny fijaliana eto an-tany. Ahoana ny hevitrao? Jereo ato hoe inona no lazain’Andriamanitra fa mahatonga ny fijaliana.

TOKO 12

Fomba Fiaina Mampifaly An’Andriamanitra

Ho vitanao izany hoe manana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra izany. Afaka ny ho namany mihitsy aza ianao.

TOKO 13

Sarobidy ny Aina

Ahoana ny fiheveran’Andriamanitra ny fanalana zaza, ny fampidiran-dra, ary ny ain’ny biby?

TOKO 14

Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao?

Be fitiavana i Jesosy ka modely ho an’ny lehilahy sy vehivavy manambady, ny ray aman-dreny, ary ny ankizy. Inona no azonao ianarana avy amin’izay nataony?

TOKO 15

Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra

Jereo ato ireo zavatra enina amantarana ny fivavahana marina.

TOKO 16

Miandania Amin’ny Fivavahana Marina

Inona ny zava-tsarotra mety hatrehinao rehefa miresaka ny zavatra inoanao amin’ny hafa ianao? Ahoana no hataonao mba tsy hampahatezitra olona?

TOKO 17

Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka

Mihaino ny vavaka ataonao ve Andriamanitra? Mamaly an’izany ny Baiboly.

TOKO 18

Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra Ianao Raha Atao Batisa

Inona avy no tokony hataon’ny olona iray vao azo atao batisa izy? Jereo ato ny dikan’ny batisa, sy ny fomba fanaovana azy.

TOKO 19

Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra

Inona no azontsika atao mba hampisehoana fa tia an’Andriamanitra isika, ary mankasitraka ny zavatra rehetra nataony ho antsika?

FANAZAVANA FANAMPINY

Ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra sy ny Dikany

Nesorina tao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro ny anaran’Andriamanitra. Nahoana? Tena zava-dehibe ve ny mampiasa ny anaran’Andriamanitra?

FANAZAVANA FANAMPINY

Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i Daniela

Efa nolazain’Andriamanitra 500 taona mahery mialoha hoe oviana marina no ho tonga ny Mesia. Ho hitanao ato io faminaniana mahavariana io.

FANAZAVANA FANAMPINY

Jesosy Kristy: Ilay Mesia Nampanantenaina

Tanteraka tamin’i Jesosy ny faminanian’ny Baiboly rehetra momba ny Mesia. Azonao hamarinina ao amin’ny Baibolinao izany fa tanteraka tamin’ny an-tsipiriany.

FANAZAVANA FANAMPINY

Ny Marina Momba ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina

Be dia be ny olona mino fa fampianaran’ny Baiboly ilay hoe Andriamanitra telo izay iray? Marina ve izany?

FANAZAVANA FANAMPINY

Tokony Hampiasa Lakroa ve ny Kristianina?

Maty teo amin’ny lakroa ve i Jesosy? Jereo ato izay lazain’ny Baiboly.

FANAZAVANA FANAMPINY

Manome Voninahitra An’Andriamanitra Isika, Rehefa Manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Nasaina nahatsiaro ny nahafatesan’i Kristy, ny Kristianina. Isaky ny inona izany no atao, ary amin’ny fomba ahoana?

FANAZAVANA FANAMPINY

Manana Fanahy Tsy Mety Maty Tokoa ve ny Olona?

Maro ny olona no mihevitra fa misy zavatra misaraka amin’ny vatan’ny olona rehefa maty izy, ary mbola velona any ankoatra izany. Inona no lazain’ny Baiboly?

FANAZAVANA FANAMPINY

Inona no Atao hoe Sheola sy Hadesy?

Adika hoe “fiainan-tsi-hita” na “fasana” ny hoe Sheola sy Hadesy, ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany. Inona ny dikan’ireo teny ireo?

FANAZAVANA FANAMPINY

Inona no Atao hoe Andro Fitsarana?

Jereo ato fa hitondra fitahiana ho an’ny olona rehetra tsy mivadika ny Andro Fitsarana.

FANAZAVANA FANAMPINY

1914: Taona Miavaka ao Amin’ny Faminanian’ny Baiboly

Inona no porofo fa taona miavaka ao amin’ny Baiboly ny taona 1914?

FANAZAVANA FANAMPINY

Iza i Mikaela Arkanjely?

Hazavain’ny Baiboly ny mombamomba an’io arkanjely io. Jereo ato ny momba azy sy ny zavatra ataony amin’izao.

FANAZAVANA FANAMPINY

Inona no Atao hoe “Babylona Lehibe”?

Hazavain’ny bokin’ny Apokalypsy ilay mpivaro-tena antsoina hoe ‘Babylona Lehibe.’ Vehivavy ara-bakiteny ve izy io? Inona no lazain’ny Baiboly?

FANAZAVANA FANAMPINY

Teraka Volana Desambra ve i Jesosy?

Jereo ato hoe hoatran’ny ahoana ny toetrandro tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy. Nahoana izany no tsara ho fantatra?

FANAZAVANA FANAMPINY

Tokony Hankalaza Fety ve Isika?

Ahoana no niandohan’ireo fety be mpitia fanaon’ny olona any aminareo? Jereo ato izany dia ho gaga ianao.