Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO FAHA-2

Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly

Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly
  • Inona no mampiavaka ny Baiboly amin’ny boky hafa?

  • Tena afaka manampy anao hiatrika olana ve ny Baiboly?

  • Nahoana no azonao itokisana ny faminaniana ao amin’ny Baiboly?

1, 2. Nahoana ny Baiboly no fanomezana faran’izay tsara avy amin’Andriamanitra?

EFA nahazo fanomezana manokana avy tamin’ny namanao ve ianao? Faly erỳ angamba ianao tamin’izay. Tena tian’ilay namanao ianao matoa omeny fanomezana. Azo antoka fa nankasitrahanao izany.

2 Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, ary tokony hankasitrahantsika. Tena miavaka mantsy io boky io, satria milaza zavatra tsy hitantsika na aiza na aiza mihitsy. Tantaraina ao, ohatra, ny namoronana ny lanitra feno kintana sy ny tany ary ny lehilahy sy vehivavy voalohany. Misy toro lalana tena manampy antsika hiatrika zava-tsarotra ao. Hazavaina ao koa ny fomba hanatanterahan’Andriamanitra ny fikasany sy hanatsarany ny fiainana etỳ an-tany. Fanomezana faran’izay tsara tokoa ny Baiboly!

3. Nahoana i Jehovah no nanome antsika ny Baiboly, ary nahoana izany no tena mampahery?

3 Matoa i Jehovah nanome antsika ny Baiboly, dia midika izany hoe tiany hahafantatra azy tsara isika. Afaka manampy anao hifandray amin’i Jehovah àry ny Baiboly. Tsy mampahery anao ve izany?

4. Nahoana ianao no miaiky fa tsy misy boky mitovy amin’ny Baiboly?

4 Manana Baiboly ve ianao? Be dia be koa no manana azy io. Misy amin’ny fiteny 2600 eo ho eo ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy. Afaka manana azy io àry ny 90 isan-jato mahery amin’ny mponina eran-tany. Iray tapitrisa mahery ny Baiboly voazara isan-kerinandro. Dimy arivo tapitrisa eo ho eo koa ny Baiboly efa natonta, na izy manontolo izany na ny ampahany aminy. Tsy misy boky mitovy amin’izany mihitsy!

Misy amin’ny fiteny maro be “Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao”

5. Inona ny dikan’ny hoe “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” ny Baiboly?

5 “Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” koa ny Baiboly. (Vakio ny 2 Timoty 3:16.) Ny Baiboly mihitsy no milaza hoe: ‘Avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.’ (2 Petera 1:21) Inona ny dikan’izany? Intỳ misy ohatra: Misy lahiantitra iray mangataka an-janany mba hanoratra taratasy. Ny heviny sy ny toromarika nomeny no ao amin’izy io. Taratasiny àry izy io raha ny marina, fa tsy an’ilay zanany. Toy izany koa ny Baiboly. Ny hevitr’Andriamanitra no hita ao, fa tsy ny an’ny olona nanoratra azy io. Tena “tenin’Andriamanitra” tokoa ny Baiboly manontolo.—1 Tesalonianina 2:13.

MIRINDRA TSARA SY MARINA

6, 7. Nahoana isika no milaza fa tena mirindra ny Baiboly?

6 Nandritra ny 1 600 taona mahery no nanoratana ny Baiboly. Tsy nitovy ny fotoana niainan’ireo mpanoratra azy io, sy ny fari-piainan’izy ireo. Ny sasany tantsaha, mpanarato, na mpiandry ondry. Ny hafa indray mpaminany, na mpitsara, na mpanjaka. Dokotera kosa i Lioka, mpanoratra Filazantsara. Mirindra tsara anefa ny Baiboly, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. *

7 Hita ao amin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly hoe ahoana no nampisy ny olana teto an-tany. Ny boky farany indray miresaka fa ho lasa paradisa, na zaridaina, ny tany manontolo. Zava-nitranga nandritra ny 4 000 taona eo ho eo no voaresaka ao amin’ny Baiboly, nefa samy mifandray amin’ny fikasan’Andriamanitra daholo. Tena mirindra tokoa ny Baiboly, ka hita mihitsy hoe boky avy amin’Andriamanitra.

8. Milazà ohatra mampiseho fa mifanaraka tsara amin’ny siansa ny Baiboly.

8 Mifanaraka tsara amin’ny siansa ny Baiboly. Misy zavatra lazain’izy io aza tsy fantatry ny olona raha tsy ela be tatỳ aoriana. Hita ao amin’ireo lalàna nomena ny Israelita ao amin’ny Levitikosy, ohatra, hoe ahoana no hitandroana fahasalamana, ary inona no atao rehefa misy areti-mifindra. Ny firenena nanodidina azy ireo anefa tsy nahalala an’izany. Tsy fantatry ny olona koa taloha hoe boribory ny tany, nefa ny Baiboly efa nilaza an’izany. (Isaia 40:22) Efa nilaza koa ny Baiboly fa ‘mihantona eo amin’ny tsy misy ny tany.’ (Joba 26:7) Tsy boky momba ny siansa ny Baiboly, nefa marina foana izay zavatra lazainy momba ny siansa. Hita tokoa hoe avy amin’Andriamanitra io boky io.

9. a) Inona ny porofo fa marina sy azo itokisana ny tantara ao amin’ny Baiboly? b) Ahoana no fiheveranao ny Baiboly, rehefa hitanao hoe nilaza ny marina ny mpanoratra azy io?

9 Raha jerena koa ny tantara, dia marina sy azo itokisana ny Baiboly, sady misy tsipiriany. Tsy ny anaran’ny olona fotsiny no ao, fa ny razambeny koa. * Tsy mitovy amin’ny mpahay tantara ireo nanoratra ny Baiboly. Matetika mantsy ny mpahay tantara no tsy miresaka zavatra ratsy momba azy ao amin’ny bokiny, ohatra hoe resy ny fireneny. Ny mpanoratra Baiboly kosa nitantara ny marina foana, na dia ny fahadisoany sy ny an’ny fireneny aza. Niaiky, ohatra, i Mosesy ao amin’ny Nomery fa nanao fahadisoana lehibe, ka nanarina mafy. (Nomery 20:2-12) Tsy milaza ny marina hoatr’izany matetika ny bokin-tantara hafa. Hafa mihitsy ny Baiboly, satria avy amin’Andriamanitra.

AZO AMPIHARINA TSARA NY TOROHEVITRA AO

10. Nahoana no tsy mahagaga raha azo ampiharina ny zavatra lazain’ny Baiboly?

10 “Mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso” ny Baiboly, satria avy amin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16) Azo ampiharina tsara izay lazainy ao. Hita hoe tena mahafantatra tsara ny olombelona ilay nampanoratra azy. Tsy mahagaga izany satria avy amin’i Jehovah io boky io, ary izy no nanao antsika! Mahafantatra tsara ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika, mihoatra noho ny tenantsika mihitsy aza, izy. Fantany koa izay hahasambatra antsika sy izay tsy tokony hataontsika.

11, 12. a) Inona avy no noresahin’i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra? b) Inona koa no azo ampiharina ao amin’ny Baiboly, ary nahoana no tsy mety lany andro ny toroheviny?

11 Jereo, ohatra, ny toritenin’i Jesosy teo an-tendrombohitra, ao amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7. Nampianatra zavatra faran’izay tsara izy tao. Ohatra hoe inona no tena mahasambatra, na ahoana no atao raha misy tsy mifankahazo aminao. Nampianatra ny olona hivavaka koa izy, ary nampirisika azy ireo mba tsy hitoky amin’ny vola sy harena. Mbola mahasoa sy azo ampiharina foana ireo tenin’i Jesosy ireo hatramin’izao.

12 Misy toro lalana momba ny fianakaviana sy ny fomba fiasa ary ny fifandraisana amin’ny olona koa ao amin’ny Baiboly. Azon’ny olona rehetra ampiharina izy ireny, ary mahasoa ny torohevitra ao. Nasain’Andriamanitra nanoratra toy izao i Isaia mpaminany: “Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa.”—Isaia 48:17.

BOKY MISY FAMINANIANA

Nilaza mialoha i Isaia, mpanoratra Baiboly, fa ho rava i Babylona

13. Inona avy no nasain’i Jehovah nolazain’i Isaia mpaminany mialoha, momba an’i Babylona?

13 Misy faminaniana be dia be ao amin’ny Baiboly, ary maro no efa tanteraka. Nasain’i Jehovah nilaza, ohatra, i Isaia mpaminany fa ho rava ny tanànan’i Babylona. (Isaia 13:19; 14:22, 23) Nolazaina tamin’ny an-tsipiriany hoe ahoana no handravana an’ilay tanàna. Hisy miaramila hanafika azy. Hataon’izy ireo aloha izay haharìtra ny reniranon’ilay tanàna, ary tsy mila miady akory izy ireo dia ho tafiditra ao. Nolazain’i Isaia mialoha mihitsy aza ny anaran’ilay mpanjaka handresy an’i Babylona, dia i Kyrosy.—Vakio ny Isaia 44:27–45:2.

14, 15. Hazavao fa tanteraka tamin’ny an-tsipiriany ny tenin’i Isaia momba an’i Babylona.

14 Nisy miaramila nitoby teo akaikin’i Babylona, 200 taona teo ho eo tatỳ aoriana, izany hoe ny alin’ny 5 Oktobra 539 T.K. * Ilay mpanjaka persianina atao hoe Kyrosy no mpitarika azy ireo. Nanomboka tanteraka amin’izay ilay faminaniana. Tena ho tafiditra ao Babylona tokoa ve anefa ny tafik’i Kyrosy, ary tsy hila hiady akory?

15 Nanao fety ny Babylonianina tamin’io alina io, ary tsy nieritreritra mihitsy hoe hisy hanafika. Nisy manda avo be mantsy nanodidina ny tanànany. Fetsy i Kyrosy, ka naviliny lalana ny renirano nandalo tao amin’ilay tanàna. Afaka niampita nankeny amin’ilay manda izy ireo rehefa nihena ny rano. Ahoana anefa no nidiran’izy ireo tamin’ilay manda tao Babylona? Tsy fantatra izay antony, fa navelan’ny Babylonianina nidanadana ny vavahadin’ilay tanàna tamin’io alina io!

16. a) Inona no nolazain’i Isaia fa hiafaran’i Babylona? b) Ahoana no nahatanterahan’izany?

16 Izao no voalaza momba an’i Babylona: “Tsy honenana intsony izy, ary tsy hisy toerana ho azy intsony hatramin’ny taranaka fara mandimby. Tsy hanangana ny tranolainy any ny Arabo, ary tsy hisy mpiandry ondry hampandry ny andian’ondriny any.” (Isaia 13:20) Voalaza eo fa sady ho resy i Babylona, no tsy honenana intsony mandrakizay. Izany tokoa no nitranga. Tsy misy mipetraka mantsy izao ao amin’ilay tanànan’i Babylona fahiny, any amin’ny 80 kilaometatra any atsimon’i Bagdad, any Irak. Tanteraka ilay nasain’i Jehovah nolazain’i Isaia hoe: ‘Hofafako amin’ny kifafa fandringanana izy.’—Isaia 14:22, 23. *

Sisa tavela amin’i Babylona

17. Nahoana no lasa matanjaka ny finoantsika rehefa hitantsika hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly?

17 Vao mainka matanjaka ny finoantsika rehefa hitantsika hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Raha nanatanteraka ny fampanantenany taloha mantsy i Jehovah, dia azo antoka fa hotanterahiny koa ilay teniny hoe hatao paradisa ny tany. (Vakio ny Nomery 23:19.) Manantena tokoa isika fa hahazo “fiainana mandrakizay, izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, eny, efa nampanantenainy hatry ny ela be.”—Titosy 1:2. *

‘VELONA NY TENIN’ANDRIAMANITRA’

18. Inona no nolazain’ny apostoly Paoly momba ny “tenin’Andriamanitra”?

18 Hitantsika tato amin’ity toko ity, fa boky tena miavaka ny Baiboly. Mirindra tsara izy io, mifanaraka amin’ny siansa sy ny tantara, azo ampiharina, ary tanteraka ny faminaniana ao anatiny. Tsy izay ihany anefa no mahasarobidy azy. Hoy ny apostoly Paoly: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, eny, maranitra noho ny sabatra roa lela, ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.”—Hebreo 4:12.

19, 20. a) Inona no ho hitantsika, raha mandini-tena isika rehefa mamaky Baiboly? b) Ahoana no ampisehoanao fa mankasitraka ny Baiboly, ilay fanomezana tena tsara avy amin’Andriamanitra, ianao?

19 Tena afaka manova ny fiainantsika ny Tenin’Andriamanitra. Manampy antsika handini-tena mantsy izy io. Mety hilaza, ohatra, isika hoe tia an’Andriamanitra, kanefa mampihatra an’izay lazainy ao amin’ny Baiboly tokoa ve isika? Izany no ahitana an’izay tena ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika.

20 Boky avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, ka tokony hovakina sy hianarana ary hankasitrahana. Mankasitraka an’io fanomezana io ianao raha mianatra tsara azy io foana. Ho azonao tsara amin’izay ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona. Hodinihina ao amin’ny toko manaraka hoe inona izany fikasany izany, ary ahoana no hahatanteraka azy io.

^ feh. 6 Misy milaza fa mifanohitra ny andininy sasany ao amin’ny Baiboly. Tsy marina anefa izany. Jereo ny toko 7 amin’ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 9 Jereo, ohatra, ny lisitry ny razamben’i Jesosy ao amin’ny Lioka 3:23-38.

^ feh. 14 Ny hoe T.K. dia midika hoe “Talohan’i Kristy”, ary ny “A.K.” hoe “Aorian’i Kristy.”

^ feh. 16 Mbola manazava ny faminanian’ny Baiboly koa ny pejy 27-29 amin’ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 17 Vao iray monja amin’ireo faminanian’ny Baiboly efa tanteraka ny nandravana an’i Babylona. Noravana koa, ohatra, i Tyro sy Ninive. (Ezekiela 26:1-5; Zefania 2:13-15) Naminany koa i Daniela fa hisy fanjakana matanjaka maromaro hifandimby aorian’i Babylona, anisan’izany i Media sy Persa ary Gresy. (Daniela 8:5-7, 20-22) Misy faminaniana maro momba ny Mesia, tanteraka tamin’i Jesosy Kristy, ao amin’ny Fanazavana Fanampiny, “Jesosy Kristy: Ilay Mesia Nampanantenaina.”