Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA FAHEFATRA

Manamelo-tena: “Diovy Aho ho Afaka Amin’ny Fahotako”

Manamelo-tena: “Diovy Aho ho Afaka Amin’ny Fahotako”

“Nihatsara ny fari-piainanay mianakavy noho ny asako vaovao. Nahatonga ahy hanao zavatra tsy mety koa anefa ilay izy. Lasa nankalaza ny fetin’ity tontolo ity aho, nanao politika, ary niangona tany amin’ny fivavahan-diso mihitsy. Tsy niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony aho nandritra ny 40 taona. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana no nahatonga ahy hieritreritra hoe tsy hamela ahy intsony i Jehovah. Nanamelo-tena foana aho. Efa nahalala ny marina mantsy aho nefa nivily lalana.”—Martha.

METY hanavesatra antsika ny fahatsiarovan-tena ho meloka. Hoy i Davida Mpanjaka: “Efa mihoatra ny lohako ny fahadisoako. Toy ny enta-mavesatra ireny, ka mavesatra loatra amiko.” (Salamo 38:4) Difotry ny alahelo be loatra ny Kristianina sasany, ary mieritreritra hoe tsy hamela azy intsony i Jehovah. (2 Korintianina 2:7) Tsy hamela antsika tokoa ve anefa i Jehovah raha nahavita fahotana faran’izay ratsy isika? Tsy izany mihitsy!

“Avia hifandamina isika”

Tsy mahafoy ny mpanota mibebaka i Jehovah. Miezaka manatona azy ireo kosa izy! Nampitahain’i Jesosy tamin’ny ray be fitiavana i Jehovah tao amin’ilay fanoharana momba ny zanaka adala. Nandao ny fianakaviany ilay zanany lahy ary nivarilavo. Tapa-kevitra ny hody anefa izy tatỳ aoriana. “Raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy ary nangoraka azy rainy, ka nihazakazaka ary niantoraka teo amin’ny vozony sady nanoroka azy tamim-pitiavana.” (Lioka 15:11-20) Te ho akaiky kokoa an’i Jehovah koa ve ianao nefa mahatsapa hoe “mbola lavitra” azy? Toa an’ilay ray tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy, dia tena mangoraka anao koa i Jehovah, ary tsy andriny izay hiverenanao aminy.

Ahoana anefa raha mieritreritra ianao hoe lehibe na betsaka loatra ny fahotanao ka tsy havelan’i Jehovah intsony? Diniho ity fanasan’i Jehovah ao amin’ny Isaia 1:18 ity: ‘Avia hifandamina isika. Na mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia hatao fotsy mangatsakatsaka.’ Na dia toy ny tasy mena midorehitra eo amin’ny lamba fotsy aza ny fahotantsika, araka izany, dia mbola azon’i Jehovah avela foana.

Tsy tian’i Jehovah hanamelo-tena foana ianao ary hijaly vokatr’izany. Inona àry no azonao atao mba hamelany ny helokao ka hampahadio ny feon’ny fieritreretanao? Diniho ny zavatra roa nanampy an’i Davida Mpanjaka. Voalohany, hoy izy: “Hiaiky ny heloko eo anatrehan’i Jehovah aho.” (Salamo 32:5) Tadidio fa efa nanasa anao i Jehovah mba hivavaka sy “hifandamina” aminy. Resaho aminy àry izay fahotanao sy izay tsapanao. Tsy niahotra nivavaka toy izao i Davida, noho ny zavatra hitany teo amin’ny fiainany: ‘Diovy aho ho afaka amin’ny fahotako. Tsy hataonao tsinontsinona ny fo torotoro sy kivy, Andriamanitra ô!’—Salamo 51:2, 17.

Faharoa, nisy solontenan’Andriamanitra nanampy an’i Davida. Tsy iza izany fa i Natana mpaminany. (2 Samoela 12:13) Nomen’i Jehovah anti-panahy koa ny fiangonana ankehitriny. Efa nampiofanina hanampy ny mpanota mibebaka mba hifandray amin’i Jehovah indray izy ireo. Rehefa manatona anti-panahy ianao, dia hampiasa ny Soratra Masina sy hivavaka amin’ny fo izy ireo, mba hampitony anao sy hanampy anao tsy hanamelo-tena loatra ary hanompo an’i Jehovah indray.—Jakoba 5:14-16.

Tian’i Jehovah hadio ny feon’ny fieritreretanao mba hanamaivamaivana anao

“Sambatra izay voavela ny helony”

Ekena aloha fa mety ho tena sarotra aminao ny hiaiky ny fahotanao amin’i Jehovah sy hanatona anti-panahy. Azo antoka fa izany koa no tsapan’i Davida. Tsy niaiky ny fahotany izy tamin’ny voalohany fa “nangina tsy niteny.” (Salamo 32:3) Nandray soa anefa izy avy eo rehefa nitsotra ny fahotany sady niova.

Anisan’ny soa lehibe noraisin’i Davida ny hoe lasa faly indray izy. Hoy izy: “Sambatra izay voavela ny helony ary voasarona ny fahotany.” (Salamo 32:1) Nivavaka koa izy hoe: “Hanokatra an’ireto molotro ireto anie ianao, Jehovah ô, mba hideran’ny vavako anao!” (Salamo 51:15) Nankasitraka an’i Jehovah noho ny famindram-pony i Davida ary tsy nanamelo-tena intsony. Lasa te hiresaka momba an’i Jehovah izy vokatr’izany.

Tian’i Jehovah hadio ny feon’ny fieritreretanao mba hanamaivamaivana anao. Tiany ho faly ianao rehefa miresaka momba azy sy ny fikasany, fa tsy henjehin’ny eritreritrao. (Salamo 65:1-4) Aza hadinoina ity fanasan’i Jehovah ity: “Miverena hamonoana ny fahotanareo, mba hisian’ny fotoana mamelombelona avy amin’i Jehovah.”—Asan’ny Apostoly 3:19.

Nahatsapa ny fahamarinan’izany i Martha. Hoy izy: “Nandefa Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ho ahy foana ny zanako lahy. Lasa nifandray tsikelikely tamin’i Jehovah indray aho. Ilay hoe hangata-pamelana noho ny fahadisoako rehetra anefa no tena sarotra tamiko. Nivavaka tamin’i Jehovah ihany anefa aho tamin’ny farany, ary nangata-pamelana taminy. Tsy mampino hoe 40 taona tatỳ aoriana aho vao tafaverina. Hitako hoe afaka ny ho tian’i Jehovah sy hanompo azy indray ny olona, na dia efa an-taonany maro aza no niala taminy.”