Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tongotry ny Katsatsaka

Tongotry ny Katsatsaka

Nisy Namorona Ve?

Tongotry ny Katsatsaka

▪ Gaga ny mpahay siansa, rehefa mahita ny fahaizan’ny katsatsaka mananika fitaratra. Mitsoriaka eny amin’ny valindrihana malama mihitsy aza izy ireny, nefa tsy mianjera! Ahoana no ahavitany izany?

Milaza ny Baiboly fa “mandady amin’ny tànany” ny antsiantsy na katsatsaka. (Ohabolana 30:28) Hoatran’ny tanana tokoa ny tongotry ny katsatsaka, ary mahavariana ny fahaizany mamikitra amin-javatra malama. Misy tsipika kely be dia be mivohitra, izay samy misy volo an’arivony, ny rantsany tsirairay. Mbola misy volo bitika kely tsy hita maso an-jatony koa anefa eo amin’ny volo tsirairay. Misy hery kely dia kely atao hoe herin’i van der Waals eo amin’ireny volo bitika kely ireny. Izany no tsy mampianjera ny katsatsaka, na dia mitsoriaka eny amin’ny faritra malama aza!

Te hanamboatra zavatra afaka miraikitra amin’ny faritra malama koa ny mpikaroka. * Tiany hampiasaina amin-javatra maro izy io, “anisan’izany ny fitsaboana”, araka ny resahin’ny gazetiboky Vaovao Siantifika (anglisy). Tian’izy ireo, ohatra, ny hanamboatra “sparadirà tsy mety miendaka na dia lena aza, ary koa zavatra azo apetaka eo amin’ny faritra avy nodidiana mba hampikombona ny fery.”

Ahoana no hevitrao? Tongatonga ho azy ve ireny volo bitika kely mahatonga ny katsatsaka tsy hianjera ireny, sa nisy namorona?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Dinihin’ny mpahay siansa koa izao ny proteinina avoakan’ny betsimitsitekiteky, izay mahatonga an’io biby miaina ao anaty rano io, ho afaka hifikitra amin’ny toerana mando.

[Sary, pejy 26]

Karazana katsatsaka antsoina hoe “tokay” (jerena avy ao ambany)

[Sary, pejy 26]

Volo bitika kely eo amin’ny tongotry ny katsatsaka

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Katsatsaka: Breck P. Kent; sary kely: © Susumu Nishinaga/Photo Researchers, Inc.