Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Inona no Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy manafina ny zavatra inoany ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy amin’ny fiteny an-jatony ny boky sy gazety avoakany, ary afaka mahazo izany ny rehetra. Voafintina eto ambany ny zavatra inoan’izy ireo.

1. Baiboly

Mino izy ireo hoe “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Nilaza toy izao momba azy ireo i Jason BeDuhn, mpampianatra momba ny fivavahana: “Tsy hevitra efa masaka ao an-tsainy no antenainy ho hita ao amin’ny Baiboly, fa ny Baiboly mihitsy no fototry ny zavatra inoany sy ataony.” Ampifanarahan’izy ireo amin’ny Baiboly ny zavatra inoany, ary tsy manazava azy io araka izay tiany izy ireo. Eken’izy ireo koa anefa fa tsy ara-bakiteny izay rehetra voasoratra ao. Tsy ara-bakiteny, ohatra, ilay hoe fito andro namoronana an’izao rehetra izao fa midika hoe vanim-potoana lava.—Genesisy 1:31; 2:4.

2. Mpamorona

Nifidy ny anarana hoe Jehovah * ilay tena Andriamanitra. (Salamo 83:18) Mampiavaka azy amin’ny andriamani-diso izy io. Iaveh no andikana azy io ao amin’ny Baiboly katolika, ary izany koa no manavanana ny manam-pahaizana sasany. Miseho im-7 000 eo ho eo ao amin’ny Soratra Masina tany am-boalohany ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo. Nasongadin’i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely fa zava-dehibe izy io. Hoy izy: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9) Mitaky ny hanompoana azy irery koa Andriamanitra, ary rariny izany. Tsy mampiasa sary àry ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mivavaka.—1 Jaona 5:21.

“Ny Ray dia lehibe noho izaho.”—Jaona 14:28

3. Jesosy Kristy

Izy no Mpamonjy. Izy koa no “Zanak’Andriamanitra” sy “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” (Jaona 1:34; Kolosianina 1:15; Asan’ny Apostoly 5:31) Tsy izy no Andriamanitra, satria noforonin’Andriamanitra izy. Hoy izy: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.” (Jaona 14:28) Tany an-danitra i Jesosy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany, ary niverina tany izy rehefa avy nanao sorona ny ainy sy natsangana tamin’ny maty.  ‘Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalany.’—Jaona 14:6.

4. Fanjakan’Andriamanitra

Tena fitondram-panjakana izy io. I Jesosy Kristy no Mpanjakany, miaraka amin’ny olona 144 000 “novidina avy teto an-tany.” (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3, 4; Daniela 2:44; 7:13, 14) Avy any an-danitra izy ireo no hitondra ny tany manontolo, ary hanafoana ny faharatsiana. Olona maro be matahotra an’Andriamanitra no hiaina eto an-tany amin’izay.—Ohabolana 2:21, 22.

5. Tany

Hoy ny Mpitoriteny 1:4: ‘Ny tany maharitra mandrakizay.’ Rehefa ringana ny ratsy fanahy, dia hovana ho paradisa ny tany, ary hiainan’ny olo-marina mandrakizay. (Salamo 37:10, 11, 29) Ho tanteraka ilay vavak’i Jesosy hoe: “Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao.”—Matio 6:10.

6. Faminaniana

‘Tsy mahay mandainga Andriamanitra.’ (Titosy 1:2) Tanteraka foana izay lazainy, anisan’izany ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly momba ny faran’ity tontolo ity. (Isaia 55:11; Matio 24:3-14) Iza àry no ho tafavoaka velona amin’ilay fandringanana hoavy? Hoy ny 1 Jaona 2:17: “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”

7. Manam-pahefana

Hoy i Jesosy: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:17) Mankatò lalàna àry ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izy ireny.—Asan’ny Apostoly 5:29; Romanina 13:1-3.

“Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14

8. Fitoriana

Nilaza i Jesosy hoe hotorina eran-tany ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” alohan’ny hifaranan’ity tontolo ity. (Matio 24:14) Voninahitra lehibe ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manao an’io asa famonjena aina io. Afaka mifidy anefa ny olona na hihaino na tsia. Hoy mantsy ny Baiboly: “Izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”—Apokalypsy 22:17.

9. Batisa

Izay olona te hanompo an’Andriamanitra sy te ho Vavolombelony ihany no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah batisa, rehefa avy nianatra tsara ny Baiboly. (Hebreo 12:1) Aroboka ao anaty rano izy ireo, mba ho hitan’ny rehetra hoe nanokan-tena ho an’Andriamanitra.—Matio 3:13, 16; 28:19.

10. Mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra

Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.” (Matio 23:8) Nitovy ny olona rehetra na teo anivon’ny Kristianina voalohany izany, na teo amin’ireo mpanoratra Baiboly. Tsy nisy hoe ambony kokoa satria mpitondra fivavahana. Izany no modely arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 4 Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah no namorona ilay anarana hoe “Jehovah.” Efa maro ny fiteny nandika ny anaran’Andriamanitra hoe “Jehovah”, taonjato maro lasa izay, ka anisan’izany ny fiteny alemà sy anglisy. Mampalahelo anefa fa nosoloan’ireo mpandika Baiboly sasany anaram-boninahitra toy ny hoe “Andriamanitra” na “Tompo”, io anarana io. Tena tsy fanajana an’ilay Nampanoratra ny Baiboly izany.