Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Nilaza ny Ministeran’ny Raharaha Ara-pivavahana, any Serbia, fa neken’ny fanjakana ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any. Efa tamin’ny 1930 no nisian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany, araka ny antontan-taratasim-panjakana.

Rehefa natao ny tombantombana maneran-tany, dia hita fa tsy nahazoana alalana ny fakana ny 95 isan-jaton’ny hira nalaina tao amin’ny Internet, tamin’ny 2009.—TIME, ETAZONIA.

“Loza Nahafaty Olona Be Indrindra”

Nilaza ny sampan’asan’ny Firenena Mikambana any Genève, any Soisa, fa “ny horohoron-tany no loza nahafaty olona be indrindra, tao anatin’ireo folo taona lasa.” Raha isaina ny olona maty noho ny loza, dia hita fa maty vokatry ny horohoron-tany ny antsasany mahery tamin’izy ireo. Mbola mandrahona foana io “loza” io, satria eo amin’ny toerana mora voan’ny horohoron-tany ny tanàna valo amin’ireo tanàna folo be mponina indrindra. Nisy loza voajanahary 3 852 tao anatin’ireo folo taona lasa, ary nahafaty olona 780 000 mahery izy ireny.

Asa Mampidi-doza

Nilaza ny Fikambanan’ny Fampahalalam-baovao Iraisam-pirenena, any Vienne, any Aotrisy, fa “mpanao gazety 110 no nisy namono tamin’ny 2009, noho ny asany. Tamin’io no betsaka indrindra ny mpanao gazety maty am-perinasa.” Nilaza koa izy io fa “ny mpanao gazety mihitsy no nokendrena” tao anatin’ireo taona faramparany, tany amin’ireo tany misy ady toa an’i Afghanistan, Irak, Pakistan, ary Somalia. Lasa nihena ny vaovao azo avy amin’ireny toerana ireny, ka ‘miteraka fanahiana satria tsy fantatra tsara ny olana mitranga’ any. Any Irak no toerana mampidi-doza indrindra ho an’ny mpanao gazety, tao anatin’ireo folo taona farany. Manaraka azy i Philippines, avy eo Kolombia, avy eo Meksika, ary farany Rosia.

Mora ny Entana ka Mihena ny Mpamaky Trano

Nilaza toy izao i James Treadwell, mpandinika momba ny heloka bevava sady mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Leicester, any Angletera: ‘Mety tsy hanana asa intsony ny mpamaky trano eto Grande-Bretagne, satria lasa mora sy be dia be ny fitaovana elektronika.’ Lasa mora be ny fitaovana fandefasana DVD vaovao. Zara àry raha mahazo tombony izay mangalatra azy ireny ka mbola hivarotra. “Tsy misy dikany ny hangalarana an’ireny”, hoy i Treadwell. Tsy manafoana ny heloka bevava anefa ny fihenan’ny vidin-javatra. Vao mainka aza ny mpangalatra mikendry ny hahazo zavatra lafo vidy kokoa sy mora amidy kokoa, ‘anisan’izany ireo fitaovana arifomba fitondra mandeha toy ny telefaonina sy fihainoana hira (iPods).’ Manao heloka bevava karazany hafa indray àry izao ny mpamaky trano, ohatra hoe manendaka.