Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Nahoana Andriamanitra no Mbola Tsy Mandringana ny Devoly?

Nahoana Andriamanitra no Mbola Tsy Mandringana ny Devoly?

AZO inoana fa hanampy olona mijaly ianao, raha mahavita izany. Na ny mpamonjy voina aza tonga dia mankany amin’ny toerana misy loza, mba hanavotra olona tsy fantany akory. Andriamanitra anefa toa tsy hoatr’izany. Toa tsy maika handringana ny Devoly izy, nefa ny Devoly no mahatonga antsika hijaly be toy izao. Fa nahoana?

Andeha hatao hoe niakatra fitsarana ny mpamono olona iray. Tiany hajanona ilay fitsarana, ka niteny tamin’ilay mpitsara izy hoe: ‘Tsy mahay mitsara akory ianao! Sady mino aho fa omenao tsolotra ireo mpiara-miasa aminao ireo!’ Tsy maintsy misy olona maro kokoa àry asaina hijoro ho vavolombelona.

Fantatr’ilay mpitsara fa hanahirana be sy handany fotoana izany, sady satriny aza ho voalamina haingana ilay raharaha. Tsy maintsy omena fotoana ampy anefa ny mpiampanga sy ny voampanga mba hahitana ny marina. Ho hita amin’izay fa mahay ilay mpitsara, ka raha mbola misy manendrikendrika indray izy any aoriana any, dia efa voaporofo fa fanaratsiana fotsiny ilay izy.

Tsy maintsy omena fotoana ampy ny mpiampanga sy ny voampanga mba hahitana ny marina. Ho hita amin’izay fa mahay ilay mpitsara

Nanendrikendrika an’i Jehovah, ilay “Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo” koa ny Devoly, izay antsoina koa hoe “dragona”, “menarana”, na “Satana.” (Apokalypsy 12:9; Salamo 83:18) Iza marina ny Devoly? Inona ilay fanendrikendrehana nataony? Rahoviana izy no horinganin’Andriamanitra?

Nahoana no mila porofoina hoe mpandainga ny Devoly?

Anjely lavorary ny Devoly, tamin’ny voalohany. (Joba 1:6, 7) Lasa Devoly anefa izy satria tia tena loatra, ka naniry mafy hivavahana. Nilaza izy hoe tsy manan-jo hitondra Andriamanitra ka tsy tokony hankatoavina. Manantena fitahiana fotsiny koa, hono, ny olona matoa manompo an’Andriamanitra, fa ‘hanozona’ azy raha vao iharam-pitsapana.—Joba 1:8-11; 2:4, 5.

Tsy ho voaporofo hoe diso i Satana raha tonga dia naringana. Mety hisy hieritreritra mantsy hoe marina ny teniny. Navelan’Andriamanitra ho hitan’ny rehetra àry aloha hoe tsy mitombina ny fiampangan’i Satana. Manan-jo hanao izany Andriamanitra, satria izy no manam-pahefana ambony indrindra.

Manao ny marina sy ny rariny foana i Jehovah Andriamanitra. Navelany hanan-taranaka àry i Adama ka ireo no hanaporofo hoe iza no diso: I Satana sa i Jehovah? Afaka manaporofo tsara ny olombelona amin’izay fa tsy noho izy tahin’Andriamanitra no ankatoavany azy. Tena tia azy kosa izy ireo, ka tsy mivadika mihitsy na dia mijaly aza.

Mandra-pahoviana?

Fantatr’i Jehovah Andriamanitra tsara fa tsy maintsy mijaly aloha ny olona mandritra izany rehetra izany. Tsy havelany haharitra ela loatra anefa ny fijaliana. Milaza ny Baiboly fa “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” izy. (2 Korintianina 1:3) Haringan’Andriamanitra àry ny Devoly, rehefa hitany hoe tokony haringana amin’izay. Hofoanany koa ny faharatsiana vokatry ny nataon’ny Devoly. Tsy mbola haringana anefa aloha izy, raha tsy efa voaporofo tanteraka fa diso.

Rehefa voalamina ilay raharaha, dia hiharihary fa i Jehovah no manana zo hitondra. Raha vao misy manohitra ny zony hitondra indray, any aoriana any, dia tsy voatery hoporofoina ela be intsony hoe diso ilay olona. Azo resahina aminy fotsiny hoe efa nanao izany i Satana saingy hita fa diso.

I Jesosy Kristy no hasain’i Jehovah Andriamanitra handringana ny Devoly sy hanala ny faharatsiana, amin’ny fotoana mety amin’izany. Hoy ny Baiboly: “Amin’ny farany, dia hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy izy, rehefa avy nofoanany avokoa ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra. Fa hanjaka izy, mandra-panaon’Andriamanitra ny fahavalo rehetra ho eo ambany tongony. Ary hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.”—1 Korintianina 15:24-26.

Mampanantena koa ny Baiboly fa ho lasa paradisa ny tany manontolo. Hiadana ny olona, araka ny nikasan’Andriamanitra azy. ‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be. Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.’—Salamo 37:11, 29.

Eritrereto ange ny fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra amin’izany e! Hoy ny Baiboly: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.