Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaliana ny Olona ny Fara Andro

Mahaliana ny Olona ny Fara Andro

MARO no matahotra ny hoavy. Efa hatry ny ela ny olona no naminavina izay hitranga amin’ny hoavy, ary zavatra ratsy foana no tonga ao an-tsain’ny maro. Efa an’arivony taona ny olona no liana tamin’ny resaka fara andro, na faran’izao tontolo izao.

Diniho, ohatra, izay nitranga tato ho ato. Samy miresaka loza hitranga tsy ho ela daholo na tantara mampihomehy, na filma, na sinema. Eo koa ny boky an’arivony. Foronina daholo izao karazan-javatra handripaka ny olombelona izao, toy ny robot mpamono olona, zavatra mampahatahotra, olona avy any amin’ny planeta hafa, matoatoa, dragona, rajako, ary ny voalavo sy fanenitra goavam-be. Tantara fotsiny ireny fa tsy inoan’ny olona hoe tena hisy!

Misy resaka hafa tena mampitebiteby ny olona anefa. Mifandray amin’ny siansa ny sasany aminy. Misy milaza fa hihetsika ny sosona ivelan’ny tany, ka hiteraka horohoron-tany sy volkano mahery vaika ary tsunami goavam-be. Lazaina koa fa hifanitsy daholo ny planeta rehetra, ka hahery be ny rivotry ny masoandro, ary hikorontana ambony ambany ny zava-drehetra eto an-tany. Eo koa ilay resaka tendron-tany. Hifamadika tampoka, hono, izy ireo, ka ho fatin’ny taratra avy amin’ny masoandro isika rehetra. Aza matahotra fa tsy hitranga velively izany. Mbola mitana ny sain’ny maro anefa ireo rehetra ireo.

Ary ahoana indray ilay hoe amin’ny 21 Desambra 2012 ny fara andro? Hisy an’izany planeta Nibiru (na Planeta X) izany, hono, hifandona amin’ny Tany, amin’ny Desambra 2012. Tsy hita isa ny boky sy tranonkala ao amin’ny Internet nilaza an’izany sy nampiely fanazavana hafa tsy voaporofo, satria hoe ho tapitra amin’ny faramparan’ny 2012 ny kalandrien’ny foko maya.

Misy mino hoe hisy loza hitranga tokoa, ka manamboatra fiafenana ao ambadiky ny tranony, na mandany vola be mba hamandrihana trano fiafenana any ambanin’ny tany. Misy indray mifindra any an-tendrombohitra mba hahavita tena fa tsy hampiasa jiro sy ranon’ny fanjakana intsony.

Misy kosa tsy mino an’izany rehetra izany. Laviny tanteraka ilay hoe ho avy tsy ho ela ny fara andro. Hoy, ohatra, ireo mpandinika ny any ambony tsy taka-maso any: “Tsy hisy loza hitranga izany amin’ny 2012. Efa 4 000 tapitrisa taona izay no nisian’ny Tany, nefa tsy nisy na inona na inona. Mino ireo mpahay siansa to teny eran-tany fa tsy misy zavatra atahorana hitranga amin’ny 2012.”

Diso anefa isika raha milaza fa tsy hisy loza hitranga, na hoe ny olona mora ambakaina ihany no mino fa ho avy ny fara andro. Ho avy tokoa ve izy io? Raha izany, rahoviana ary ahoana no ho fisehony?