Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te Hahay Hitaiza ve Ianao?

Te Hahay Hitaiza ve Ianao?

Tsaroanao ve ny nitrotroanao voalohany ny zanakao tamin’izy vao teraka?

Tsy ela dia sahiran-tsaina ianao satria tsapanao hoe mbola hila tari-dalana mandritra ny taona maro io zaza io. Hitanao hoe andraikitra be izany.

TSY mora foana ny mitaiza hatramin’izay, nefa vao mainka sarotra izany ankehitriny. Manahirana kokoa mantsy ny fiainana, fa tsy toy ny tamin’ianao mbola kely. Miatrika olana maro izao ny ankizy, ohatra hoe rehefa mampiasa Internet. Mbola tsy nisy akory anefa izany taona maromaro lasa izay.

Ahoana no hiarovanao ny zanakao mba tsy ho voataona hanao ratsy? Ireto misy soso-kevitra telo:

1 Ataovy mazava tsara ny fitsipika arahinao.

Tototra fanazavana diso momba izay mety sy tsy mety ny ankizy rehefa mihalehibe. Avy amin’ny mpiara-mianatra aminy ny sasany, fa avy amin’ny fampitam-baovao ny ankamaroany. Hita ny vokatr’izany rehefa mihoatra ny folo taona izy. Asehon’ny fikarohana anefa fa aleon’ny ankizy manaraka ny hevitry ny ray aman-dreniny toy izay ny an’ny ankizy toa azy, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe izy.

Izay azonao atao: Nasaina niresaka matetika tamin-janany ny ray aman-dreny israelita, mba hanoroana azy ireo ny fitsipika tokony harahiny. (Deoteronomia 6:6, 7) Izany koa atao. Raha manaraka ny fitsipiky ny Baiboly, ohatra, ianao dia lazao aminy hoe nahoana ianao no mino fa izany no fomba fiaina tsara indrindra.

2 Ampio izy hahatsapa ny vokatry ny ataony.

Hoy ny Baiboly: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Galatianina 6:7) Hita amin’ny lafim-piainana rehetra fa misy vokany foana ny zavatra atao. Eritrereto ny fahazazanao. Azo antoka fa tsy hadinonao mihitsy ny zavatra tsy nety nataonao, rehefa nizaka ny vokatr’ilay izy ianao.

Izay azonao atao: Milazà tantaran’olona mampiseho fa voa mafy ny olona manao ratsy ary mandray soa kosa izay manao ny tsara. (Lioka 17:31, 32; Hebreo 13:7) Avelao ny zanakao hizaka ny vokatry ny ataony. Raha nanimba ny kilalaon’ny namany, ohatra, izy dia asaivo omeny an’ilay namany ny kilalaony iray ho solon’ilay nosimbany. Tsy hohadinoin’ilay zanakao mihitsy izany, ka hanaja ny fananan’ny hafa izy.

3 Ampio izy hanana toetra tsara.

Hoy ny Baiboly: “Na ny zaza aza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.” (Ohabolana 20:11) Lasa manana ny toetra mampiavaka azy ny ankizy rehefa mihalehibe. Mampalahelo fa malaza ho ratsy toetra ny ankizy sasany. (Salamo 58:3) Ny hafa kosa manana toetra tsara ka mendri-piderana. Hoy, ohatra, ny apostoly Paoly momba an’ilay tovolahy atao hoe Timoty: “Izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara ny momba anareo.”—Filipianina 2:20.

Izay azonao atao: Tsy ampy ny milaza amin’ny ankizy ny vokatry ny ataony, fa ampio koa izy hieritreritra an’izay toetra tiany hamantarana azy. Hahay handray fanapahan-kevitra tsara ny zanakao rehefa misy olana, raha misaintsaina an’ireto fanontaniana ireto:

  • Te ho olona hoatran’ny ahoana aho?—Kolosianina 3:10.

  • Inona no ataon’ny olona hoatr’izany rehefa sendra an’ity olana ity?—Ohabolana 10:1.

Misy tantarana olona maro ao amin’ny Baiboly, ary hita amin’ny zavatra nataon’izy ireny raha olona tsara izy na ratsy. (1 Korintianina 10:11; Jakoba 5:10, 11) Ampiasao ireny tantara ireny mba hanampiana ny zanakao hanana toetra tsara.

Afaka manampy anao sy ny zanakao hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah.