Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA

Inona no Atao mba Tsy ho Voatarika Haditra?

Inona no Atao mba Tsy ho Voatarika Haditra?

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

“Nijaly be aho tamin’izaho mbola kelikely, satria tsy tian’ny ankizy. Rehefa teny amin’ny lise àry aho dia novako ny paoziko sy ny toetrako mba hitovy amin’ny an’ny mpiara-mianatra tamiko, sitrany ahay mba tian-dry zareo. Tena te hana-namana aho, ka nanao izay tian’ny ankizy fotsiny.”—Domoina, 16 taona. *

Ianao koa ve mahatsapa hoatr’izany? Tena hanampy anao ity lahatsoratra ity.

Raha manaiky ho voatarika haditra ianao, dia ataon’ny namanao toy ny kilalao ka baikony mba hanao izay tiany fotsiny. Ianao ve dia hanaiky an’izany?—Romanina 6:16.

FANTARO IZAO

Na ny ankizy hendry aza mety hanao ratsy raha voatariky ny namany.

“Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Korintianina 15:33.

“Misy zavatra efa fantatrao izao hoe ratsy. Ataonao ihany anefa ilay izy rehefa eo imason’ny namanao, satria ianao te hampifaly an-dry zareo.”—Anja.

Mety ho ianao ihany no mahatonga anao haditra, fa tsy hoe ny namanao foana.

“Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.”—Romanina 7:21.

“Ny foko mihitsy matetika no manery ahy. Tena tiako hatao mantsy ny zavatra resahin’ny namako, satria hoatran’ny mahafinaritra be izany ny firesany an’ilay izy.”—Fy.

Tena mendri-piderana ianao raha tsy manaiky ho voataona haditra.

“Manàna feon’ny fieritreretana madio.”—1 Petera 3:16.

“Sarotra tamiko taloha ny nanda rehefa notaomin’ny ankizy hanao zavatra ratsy. Tsy menatra intsony anefa aho izao, fa sahy manapa-kevitra. Aleoko milamin-tsaina dia matory tsara avy eo.”—Onja.

 INONA NO AZONAO ATAO?

Izao atao rehefa misy mitaona anao haditra:

Eritrereto izay ho vokany. Ohatra hoe: ‘Raha tratra moa aho dia ahoana? Ahoana no ho fiheveran’i Dada sy Mama ahy? Tsy hanamelo-tena be ve aho avy eo?’—Toro lalan’ny Baiboly: Galatianina 6:7.

“Nanontanian’ny dadanay sy mamanay aho hoe: ‘Inona no ho vokany, raha voataonan’ny namanao haditra ianao?’ Nanampy ahy ry zareo mba hisaintsaina hoe ahoana no hiafarako raha lasa maditra aho.”—Tsanta.

Ekeo mihitsy aloha hoe tena ratsy ilay izy. Saintsaino izao: ‘Nahoana aho no resy lahatra fa tsy mety ny manao an’ity zavatra ity, ka tsy maintsy hisy vokany ratsy amiko sy amin’olon-kafa?’—Toro lalan’ny Baiboly: Hebreo 5:14.

“Tamin’izaho mbola kely, dia nanda fotsiny rehefa nisy nampirisika ahy hanao ratsy. Izao anefa aho mahay manazava tsara ny antony. Tena hevitro ilay izy, fa tsy hoe nisy nampirisika fotsiny aho. Resy lahatra mantsy aho hoe ratsy ilay izy.”—Fenitra.

Eritrereto ny momba anao. Mba te ho olona manao ahoana ianao? Diniho àry hoe inona no ho nataon’ny olona toy izany, raha misy mitaona azy haditra.—Toro lalan’ny Baiboly: 2 Korintianina 13:5.

“Izaho tsy miasa saina be amin’izay eritreretin’ny olona momba an’ahy. Efa mety amiko izao izaho izao. Sady izao koa no itiavan’ny olona ahy.”—Mianja.

Eritrereto ny hoavinao. Miezaka erỳ ve ianao izao hampifaly ny mpiara-mianatra aminao? Afaka taona vitsivitsy, na volana vitsivitsy aza, anefa dia mety tsy ho hitanao intsony izy ireo.

“Tsy tadidiko akory ny anaran’ny sasany tamin’ny mpiara-mianatra tamiko rehefa nijery sary aho. Izaho anefa matimaty erỳ nanaraka ny hevitr’izy ireo fa tsy mba niaro ny finoako. Adala mihitsy aho tamin’ireny.”—Mitia, 22 taona izao.

Omano ny sainao. Hoy ny Baiboly: ‘Fantaro izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.’—Kolosianina 4:6.

“Asain’i Dada sy Neny maka sary an-tsaina izaho sy ny zandriko vavy hoe ahoana no mety hitaoman’ny ankizy anay haditra. Ataonay tantara kely ilay izy avy eo, amin’izay hainay izay tokony hatao rehefa sendra ny tena izy.”—Nilaina.

^ feh. 4 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.