Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 NISY NAMORONA VE?

Ny Ditin’ny Hala

Ny Ditin’ny Hala

MIAVAKA ny karazana hala iray any Amerika. Mahavita tranon-kala afaka miraikitra be amin’ny rindrina izy io, mba hataony fandrika. Azony velarina amin’ny tany koa io fandrika io nefa mora miendaka ka afaka mihorona mora foana rehefa misy bibikely mandeha eo amboniny. Nahoana ny dity avoakan’ny hala no miraikitra be nefa koa mora miendaka?

Tranon-kala miraikitra be

Diniho izao: Rehefa manao fandrika eny amin’ny rindrina na valin-tafo ny hala, dia ataony madity be ny kofehy ampiasainy. Miraikitra be àry ilay fandrika, ka tavela eo izay bibikely manidina ka mandalo eo. Rehefa manao fandrika eny amin’ny tany kosa izy, dia hafa mihitsy no ataony. Hitan’ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Akron, any Etazonia, fa ataon’ilay hala zara raha miraikitra ilay fandrika. Tonga dia miendaka sy mihorona àry ilay izy raha vao misy bibikely manitsaka.

Tranon-kala mora miendaka

Nilaza ny vaovao fa miezaka maka tahaka an’io dity tsy manan-tsahala io izao ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Akron. Ny tanjon’izy ireo dia ny hanamboatra sparadirà hafakely, izay sady azo amonosana fery tsotra, no azo itazonana taolana tapaka mihitsy.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve sa nisy namorona ny ditin’ny hala, izay miraikitra be nefa koa mora miendaka?