Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Volon’ny Vitsika Mivolombolafotsy any Sahara

Ny Volon’ny Vitsika Mivolombolafotsy any Sahara

NY VITSIKA mivolombolafotsy any Sahara (Cataglyphis bombycina) no anisan’ny biby an-tanety mahazaka hafanana indrindra. Migaingaina ny hafanana any an-tany efitr’i Sahara rehefa mitataovovonana. Mamonjy alokaloka àry ny biby mpiremby an’ilay vitsika. Izy kosa mivoaka vetivety avy ao an-davaka mba hitady sakafo, izay tsy inona fa ireo bibikely matin’ny hafanam-be.

[0,05] mm

Diniho izao: Rakotra volo hafakely ny lamosin’ilay vitsika sy ny sisiny roa amin’ny vatany, fa tsy misy volo kosa ny kibony. Izany no tena miaro azy amin’ny hafanam-be. Fantsona bitika kely miendrika telozoro ny volony, izay manome an’ilay loko mivolombolafotsy. Malama ny ao anatin’ilay fantsona, rehefa jerena amin’ny mikraoskaopy, fa ny etỳ ivelany kosa mivalombalona manaraka ny lavany. Inona no mahatsara an’izany? Voalohany, afaka mamerina ny tara-pahazavana tsy hita maso avy amin’ny masoandro ireo volo. Faharoa, lasa mora kokoa amin’ilay vitsika ny mampihena tsikelikely ny hafanan’ny vatany. Ilay kibony tsy misy volo kosa ahafahany mamerina ny hafanana miakatra avy amin’ny tany. *

[0,01] mm

Ireo faritra rakotra volo sy tsy misy volo no ahafahan’ilay vitsika mihazona ny hafanan’ny vatany tsy hihoatra ny 53,6 degre. Io no hafanana farany zakany. Te haka tahaka ny zava-bitan’io vitsika io ny mpikaroka, ka miezaka manamboatra saron-javatra na fonon-javatra afaka mihamangatsiaka ho azy, fa tsy ilana vantilatera na fitaovana hafa.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny volon’ny vitsika mivolombolafotsy any Sahara, sa nisy namorona?

^ feh. 4 Hafakely koa ny proteinina ao amin’ilay vitsika. Tsy mora misaratsaraka ny asidra amine ao amin’ilay proteinina, na dia tratran’ny hafanam-be aza. Lava fe koa ilay vitsika ka afaka mihazakazaka haingana, sady tsy mipetaka amin’ny fasika mahamay ny vatany. Mahay lalana tsara izy, ka hainy ny lalana manivaka mody.