Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Mahaiza Mankasitraka

Mahaiza Mankasitraka

OLANA

Ho sambatra ny mpivady raha samy mahay mankasitraka. Maro anefa izao no tsy mahita ny toetra tsaran’ny vadiny intsony, mainka moa fa ny hampiseho hoe tia an’ilay izy. Niresaka momba ny olana atrehin’ireo mpivady tonga ao aminy ny lehilahy iray mpanoro hevitra momba ny fanambadiana. Hoy izy ao amin’ny boky iray: “Mitady an’izay tsy hitany [ao an-tokantranony] izy ireo, fa tsy mahita an’izay efa misy. Ny zavatra tokony hovana no tanisainy, fa tsy izay mbola tokony hotohizana. Tsy mahay mankasitraka izy ireo, nefa mampihena ny fifankatiavana izany.”

Inona àry no hanampy anareo mivady tsy ho tratran’izany fandrika izany?

TSARA HO FANTATRAO

Tsy dia hiady ny mpivady raha samy mahay mankasitraka. Vao mainka hifankatia ny mpivady raha samy miezaka hahamarika ny toetra tsaran’ny vadiny sady mampiseho hoe tia an’ilay izy. Na tezitra be aza izy mivady dia mety hisinda vetivety izany, satria mahatsapa izy ireo hoe mifankatia.

Ho an’ny vehivavy. Hoy ihany ilay boky voalaza tetsy aloha: “Miady saina be ny lehilahy mba hamelomana ny ankohonany. Vehivavy maro anefa no tsy mahamarika an’izany.” Mbola miady saina be foana ny lehilahy any amin’ny tany sasany, na dia samy miasa aza izy mivady.

Ho an’ny lehilahy. Tsy dia raharahain’ny lehilahy loatra ny ezaka ataon’ny vadiny mba hikarakarana ny ankohonany, na amin’ny resaka asa io, na fitaizana, na raharaha ao an-trano. Hoy i Felana, * telo taona nanambadiana: “Mety ho diso daholo isika. Kivy aho rehefa misy tsy mety ataoko. Rehefa mankasitraka ny zavatra tsara nataoko anefa ny vadiko, ohatra hoe ny raharaha nataoko tao an-trano, dia fantatro hoe mbola tia ahy izy na eo aza ny fahadisoako. Tsapako koa hoe vonona hanampy ahy izy, dia faly be aho.”

Raha hitan’ny olona iray anefa hoe tsy mba mankasitraka azy mihitsy ny vadiny, dia mety hitia olon-kafa izy. Hoy i Nomena: “Mora miraiki-po amin’izay olona mankasitraka anao ianao, raha tsy mba manao an’izany ny vadinao.”

INONA NO AZONAO ATAO?

Mahaiza mandinika. Jereo ireto amin’ny herinandro: Inona avy ny toetra tsara asehon’ny vadinao? Inona koa no ataony mba hampandeha tsara ny fiainanareo ao an-tokantrano? Mety tsy ho nahamarika an’ilay izy akory aza ianao taloha. Rehefa tapitra ilay herinandro, dia ataovy lisitra 1) ny toetrany tianao sy 2) ny zavatra tsara nataony ho anareo mianakavy.—Toro lalana: Filipianina 4:8.

Tokony hahay handinika ny mpivady. Hoy i Soary: “Lasa tsy dia mankasitraka ny vadinao ianao, raha efa taona vitsivitsy ianareo no nivady. Tsy mifantoka intsony amin’ny zavatra tsara ataony ianao fa amin’izay tsy ataony.”

Eritrereto izao: ‘Mba mankasitraka ny asa mafy ataon’ny vadiko ve aho?’ Raha manamboamboatra zavatra ao an-trano, ohatra, Ramose, tsy hankasitraka azy ve ianao satria hoe efa andraikiny izany? Ahoana indray raha hitanao hoe miezaka mitaiza ny ankizy i Madama? Tsy hidera azy ve ianao satria hoe adidiny izany? Miezaha hamantatra ny ezaka rehetra ataon’ny vadinao mba hahasoa anareo mianakavy, ary ankasitraho ilay izy na be na kely.—Toro lalana: Romanina 12:10.

Aza mitsitsy teny fiderana. Tsy miteny fotsiny ny Baiboly hoe mahaiza mankasitraka fa hoe: “Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.” (Kolosianina 3:15) Ataovy fahazarana àry ny mankasitraka ny vadinao. Hoy i Kiady: “Vao mainka aho manao tsara ny andraikitro, rehefa mankasitraka an’izay ataoko ny vadiko. Lasa miezaka mafy koa aho mba hahasambatra ny tokantranonay.”—Toro lalana: Kolosianina 4:6.

Vao mainka hifankatia ny mpivady raha mankasitraka an’izay ataon’ny andaniny ny ankilany. Hoy i Sedera: “Maro ny mpivady tsy ho nisaraka, raha samy nifantoka tamin’ny toetra tsaran’ny vadiny izy ireo. Tsy ho maimaika ny hisaraka izy ireo na dia misy olana aza, satria fantany hoe mahafinaritra ny vadiny.”

^ feh. 9 Novana ny anarana sasany.