Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Tendan’ny Vitsika

Ny Tendan’ny Vitsika

MATETIKA ny vitsika no mahavita mitondra entana mavesatra lavitra noho ny vatany. Nahagaga ny injeniera tao amin’ny Oniversiten’i Ohio, any Etazonia, izany ka nisy vitsika nataony skanera. Hitan’izy ireo tamin’ny an-tsipiriany kokoa ny firafitry ny vatan’ny vitsika, ny toetoetran’ilay izy, ary ny fomba fiasany. Nofantarin’izy ireo koa ny hery lanin’ny vitsika rehefa mitondra entana. Izany fanazavana rehetra izany avy eo no nampiasain’izy ireo, mba hanamboarana sarina vitsika azo jerena amin’ny ordinatera.

Anisan’ny tena ilain’ny vitsika ny tendany, satria io no mizaka ny entana raisiny amin’ny vavany. Misy tambatsela malefaka ao amin’ny tendany. Miraikitra amin’ny hoditra mafy eo amin’ny lohany sy ny vatany izy ireo, toy ny rantsantanana mifamikitra rehefa akambana ny tanana roa. Milaza ny iray amin’ireo mpikaroka fa “tsy ho afaka hitondra entana ny tendan’ilay vitsika, raha tsy miraikitra tsara amin’ny hoditra eo amin’ny lohany sy ny vatany ireo tambatsela ireo. Tena miavaka ilay izy satria zavatra malefaka no mifikitra amin’ny zavatra mafy. Mety ho izany aza anefa no mampiraikitra tsara ny lohan’ilay vitsika amin’ny vatany, ka lasa afaka mitondra entam-be izy.” Mino ny mpikaroka fa ho afaka hanatsara ny robot amboariny izy ireo, rehefa hainy tsara ny fomba fiasan’ny tendan’ny vitsika.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny tendan’ny vitsika sa nisy namorona?