Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Vavaka

Vavaka

Mba misy mihaino ve isika rehefa mivavaka?

“Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.”Salamo 65:2.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Maro no mihevitra fa tsy mba tonga any an-danitra ny vavaka ataony. Ny olona mijaly no tena mieritreritra hoe Andriamanitra ve dia mba hihaino azy.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

“Ny mason’i Jehovah [Andriamanitra] mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany, fa ny tavan’i Jehovah kosa manohitra ny mpanao ratsy.” (1 Petera 3:12) Hita avy amin’izany fa mihaino vavaka Andriamanitra, kanefa izay mankatò ny lalàny ihany no tena henoiny. Vonona hihaino ny vavaka ataontsika tokoa Andriamanitra satria milaza ny 1 Jaona 5:14 hoe: “Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” Misy zava-dehibe mba tena tianao hangatahina amin’Andriamanitra àry ve? Mila fantatrao aloha hoe vavaka hoatran’ny ahoana no mifanaraka amin’ny sitrapony.

 Ahoana no tokony hatao rehefa mivavaka?

‘Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana.’Matio 6:7.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Mampiasa sapile na vakana, ohatra, ny Bodista, Hindoa, Katolika, ary Silamo, ka averimberiny ny vavaka ataony sady isainy.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tokony ho vokatry ny fo ny vavaka, sady hatao am-pahatsorana, fa tsy hatao tsianjery na haverimberina foana. Mampitandrina mantsy ny Soratra Masina hoe: ‘Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, toy ny ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Heveriny mantsy fa ny fampiasany teny maro no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy ianareo, fa fantatr’Andriamanitra Rainareo izay ilainareo, raha mbola tsy mangataka aminy akory aza ianareo.’Matio 6:7, 8.

ILAINA FANTARINA IZANY

Raha tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny vavaka ataon’ny olona iray, dia ho lany fotoana fotsiny izy sady mety hampahatezitra an’Andriamanitra. Mampitandrina antsika ny Baiboly fa “maharikoriko” an’Andriamanitra ny vavaka ataon’izay tsy mety manao ny sitrapony.Ohabolana 28:9.

Iza no tokony hivavahantsika?

“Mitadiava an’i Jehovah [Andriamanitra], dieny mbola hita izy. Miantsoa azy, dieny mbola akaiky izy.”Isaia 55:6.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Misy, ohatra, mivavaka amin’i Maria, na amin’ny anjely. Misy koa mivavaka amin’ny “olo-masina”, ohatra hoe “Masindahy” Antoine de Padoue, izay lazaina fa “mpiahy amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo”, ary koa i “Masindahy” Joda, izay heverina ho mpiaro an’ireo “mamoy fo.” Mpivavaka maro no manantena hoe hanelanelana azy amin’Andriamanitra ireny olo-masina sy anjely ireny.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tokony hivavaka amin’ilay ‘Raintsika any an-danitra’ isika. (Matio 6:9) Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.”Filipianina 4:6.