Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Atao ny Mitandrina Amin’ny Diabeta

Azo Atao ny Mitandrina Amin’ny Diabeta

LASA be dia be izao ny olona voan’ny diabeta eran-tany. Misy sokajiny roa ny diabeta tena mpahazo ny olona. Antsoina hoe sokajy 1 ny voalohany, ary mbola zaza ny olona sasany dia efa tratran’izy io. Mbola tsy hitan’ny dokotera anefa ny fomba hisorohana azy. Ilay sokajy 2 kosa no tena mahazatra, satria efa ho 90 isan-jaton’ny olona diabetika no voany. Io sokajy io no horesahina ato.

Olon-dehibe no tena voan’ny diabeta sokajy 2 taloha, nefa lasa voa koa ny ankizy tatỳ aoriana. Milaza anefa ny manam-pahaizana fa azo atao ihany ny mitandrina. Ireto àry misy tsara ho fantatra momba an’io aretina io. *

Inona no atao hoe diabeta?

Voan’ny diabeta ny olona rehefa be loatra ny fatran’ny siramamy ao amin’ny rany. Lasa sarotra amin’ny vatana àry ny manodina ny siramamy avy ao amin’ny lalan-dra mankany amin’ny sela. Ny sela anefa no tena mila siramamy mba hampahatanjaka ny vatana. Inona ny voka-dratsin’ny diabeta? Marary ny taova isan-karazany, na tsy mikoriana tsara ny ra, ka voatery tapahina ny tongotra na ny rantsan-tongotra indraindray. Mety ho jamba koa ilay olona, na harary ny voany. Betsaka amin’ny olona voan’ny diabeta no maty satria tapaka lalan-dra na nijanona tampoka ny fony.

Matetika koa ny olona matavy no voan’ny diabeta sokajy 2. Milaza ny dokotera fa mahatonga diabeta ny tavy miangona ao amin’ny kibo sy ny andilana. Rehefa misy tavy mantsy ao amin’ny aty sy ny sarakaty, dia sarotra amin’ny vatana ny mampidina ny fatran’ny siramamy ao anaty ra. Inona àry no azonao atao mba hisorohana an’izany?

 Dingana telo hiadiana amin’ny diabeta

1. Manaova fitiliana. Misy mantsy olona mbola tsy voan’ny diabeta, nefa efa somary ambony ny fatran’ny siramamy ao anaty rany. Izany no fiandohan’ny diabeta sokajy 2. Mbola azo ampidinina anefa ny fatran’ny siramamy amin’io fotoana io. Raha efa lasa diabetika kosa ilay olona, dia tsy sitrana intsony fa tsy maintsy manaraka fitsaboana foana. Tsara ny manao fitiliana, satria mety tsy hisy famantarana etỳ ivelany hoe efa be dia be siramamy ao anaty ra. Voalazan’ny tatitra fa olona 316 tapitrisa eran-tany no tratran’izany, nefa tsy mahalala akory hoe ambony ny fatran’ny siramamy ao anaty rany. Any Etazonia fotsiny, ohatra, dia manodidina ny 90 isan-jaton’ny olona voan’izany no tsy mahafantatra.

Na mbola tsy lasa diabeta sokajy 2 aza ilay aretina, dia efa ratsy ihany raha miakatra ny fatran’ny siramamy ao anaty ra. Hitan’ny manam-pahaizana vao haingana mantsy fa mety hahatonga aretin-tsaina izy io. Raha matavy ianao, na tsy dia manao fanatanjahan-tena firy, na koa taranaka diabetika, dia atahorana ho be loatra ny siramamy ao amin’ny ranao. Aleo àry manao fitiliana.

2. Mihinàna sakafo mahasalama. Andramo izao fa mety hahasoa anao: Somary ahenao ny sakafo hohaninao. Aza misotro ranom-boankazo be siramamy na misy gazy, fa misotroa rano na dite na kafe. Mihinàna sakafo be otrikaina, fa tsy hoe mahavoky fotsiny. Tsara koa ny voamaina, trondro, hena tsy matavy, ary voan-javatra isan-karazany toy ny voanjo.

3. Manaova fanatanjahan-tena. Hidina ny fatran’ny siramamy ao anaty ranao amin’izay, sady ho ara-dalàna ny lanjanao. Misy manam-pahaizana manoro hevitra hoe ahenao ny fotoana ijerena tele fa soloy spaoro.

Marina aloha fa tsy azonao ovana ny toe-batanao. Azonao ovana kosa anefa ny fomba fiainanao mba ho salama kokoa ianao. Mba andramo ange e! 

^ feh. 3 Tsy mampirisika ny olona hanao fampiasan-tena manokana na hanaraka sakafo manokana ny Mifohaza! Ny tsirairay no tokony hanapa-kevitra, ka handinika tsara na hanontany dokotera aloha rehefa hifidy izay fitsaboana harahiny.