Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | MBOLA MANDAITRA VE NY TOROHEVITRY NY BAIBOLY?

Aza Mora Tezitra

Aza Mora Tezitra

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Ny fahatezeran’ny tsisy saina dia avoakany daholo, fa mahatsindry fo hatramin’ny farany kosa ny hendry.”—Ohabolana 29:11.

“Tena olom-baovao aho izao!”

MAHASOA VE IZANY? Be dia be ny soa azon’ny olona tsy mora tezitra. Anisan’izany ny hoe salama tsara. Milaza mantsy ny Baiboly fa “mamelombelona ny vatana ny fo tony”, ary ‘ny fo falifaly dia manasitrana.’ (Ohabolana 14:30; 17:22) Asehon’ny fanadihadiana kosa fa ny olona masiaka sy mora tezitra dia mora andairan’ny aretina, indrindra fa ny aretim-po. Mbola maro anefa ny soa raisin’ny olona tsy mora tezitra, ankoatra ny hoe salama tsara.

I Cassius, ohatra, manaporofo an’izany. Lehilahy 30 taona mahery izy, ary mpiady aman’olona sy mora tezitra be taloha. Hoy izy: “Nahatsiaro tena ho tsy nisy dikany aho. Niova anefa izany rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly aho. Niezaka nifehy tena aho rehefa tezitra, sady nianatra nanetry tena sy namela heloka. Raha tsy izay aho angamba efa nigadra. Tena olom-baovao aho izao!”

Lasa tsy mora tezitra intsony i Cassius, sady mahay mamela heloka