Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Lakroa

Lakroa

Maro no mino hoe marika amantarana ny Fivavahana Kristianina ny lakroa. Misy anefa mieritreritra hoe tsy tokony hatao firavaka na haingon-trano na hatao ao am-piangonana izy ireny.

Maty teo amin’ny lakroa ve i Jesosy?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

 

Nahanton’ny Romanina teo ambony lakroa i Jesosy tamin’izy novonoina.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

 

“Nahantona tamin’ny hazo” i Jesosy rehefa novonoina. (Asan’ny Apostoly 5:30, Fandikan-teny Katolika) Ksylôn no nadika hoe “hazo” eo. Samy manondro hazo tokana fa tsy roa ny teny grika hoe ksylôn sy staorôs, izay nampiasain’ny mpanoratra Baiboly rehefa niresaka an’ilay hazo namantsihana an’i Jesosy izy ireo. “Azo adika hoe tsato-kazo” ny hoe staorôs “fa tsy midika mihitsy hoe ‘lakroa’”, araka ny boky Ahoana no Natao Fahiny Rehefa Nisy Novonoina teo Amin’ny Tsato-kazo? (anglisy) Ny hoe ksylôn kosa dia manondro “hazo na tsato-kazo mahitsy, izay namantsihan’ny Romanina an’ireo olon-dratsy hovonoina.” *

Nifanaraka tamin’ny lalàna nomena ny Israelita fahiny ny fomba namonoana an’i Jesosy. Hoy ny Deoteronomia 21:22, 23: “Raha misy olona manao fahotana mahameloka azy ho faty, ka novonoina ary nahantona teo amin’ny tsato-kazo, dia ... voaozon’Andriamanitra [izy].” Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hilaza fa “nanjary voaozona hisolo antsika” i Jesosy, “satria voasoratra hoe: ‘Voaozona izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo [ksylôn].’” (Galatianina 3:13) Nilaza i Paoly eo fa teo amin’ny tsato-kazo na hazo tokana i Jesosy no maty.

“Novonoiny izy nahantony tamin’ny hazo.”​Asan’ny Apostoly 10:39, Fandikan-teny Katolika.

Nampiasa lakroa ve ny mpianatr’i Jesosy, ary io ve no nataony famantarana ny Fivavahana Kristianina?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

 

Tsy resahin’ny Baiboly mihitsy hoe nampiasa lakroa ny Kristianina voalohany. Ny Romanina no nampiasa lakroa mba ho famantarana ny andriamaniny. Nataon’i Constantin, Mpanjaka Romanina, famantarana ny tafiny ny lakroa, 300 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Nampidiriny tao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina izy io avy eo.

Ny mpanompo sampy no nampiasa lakroa rehefa nivavaka tamin’ny andriamaniny. Tsy ho nanao an’izany mihitsy àry ny mpianatr’i Jesosy rehefa nivavaka tamin’ilay tena Andriamanitra. Fantatr’izy ireo hoe efa ela no tsy tian’Andriamanitra hampiasa “sarin-javatra na inona na inona” ny mpivavaka aminy. Nasainy ‘nandositra ny fanompoan-tsampy’ koa ny Kristianina. (Deoteronomia 4:15-19; 1 Korintianina 10:14) “Fanahy” tsy hita maso Andriamanitra. Tsy nampiasa zavatra hita maso àry ny Kristianina voalohany rehefa nifandray taminy. Nivavaka “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” kosa izy ireo, izany hoe notarihin’ny fanahy masina ary nanao ny sitrapon’Andriamanitra resahin’ny Soratra Masina.​—Jaona 4:24.

“Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”​Jaona 4:23.

Ahoana no hampisehoan’ny Kristianina hoe manaja an’i Jesosy Kristy izy ireo?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

 

“Ara-dalàna raha hajaina fatratra sy ankamasinina ilay fitaovana nahazoana famonjena. ... Izay manaja an’ilay famantarana, dia manaja an’ilay olona asehony.”​—Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy).

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

 

Tena mankasitraka an’izay nataon’i Jesosy ny Kristianina. Afaka ny ho voavela heloka sy hanatona an’Andriamanitra ary hiaina mandrakizay mantsy izy ireo, noho izy maty ho an’ny olona. (Jaona 3:16; Hebreo 10:19-22) Tsy asaina mampiasa zavatra famantarana an’i Jesosy anefa izy ireo, mba hampisehoana fa manaja azy. Tsy milaza fotsiny koa izy ireo hoe mino azy, satria ‘maty ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.’ (Jakoba 2:17) Tsy maintsy maneho ny finoany an’i Jesosy àry ny Kristianina. Amin’ny fomba ahoana?

Hoy ny 2 Korintianina 5:14, 15: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Olona iray no maty ho an’ny rehetra ... mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.” Mandrisika ny Kristianina hiova sy hanahaka an’i Kristy ny fitiavana lehibe nasehony. Izany no tena manome voninahitra an’i Jesosy, noho ny hoe mampiasa sary na lakroa.

“Izao no sitrapon’ny Raiko: Tokony hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino azy.”​Jaona 6:40.

^ feh. 8 Diksionera sy Fizahan-teny ho An’ny Testamenta Vaovao Anglisy sy Grika, fanontana 11, nataon’i Ethelbert Bullinger, pejy 818-819.