Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

6

Manana Toetra Tsara

Manana Toetra Tsara

AHOANA IZANY?

Mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ny olona manana toetra tsara. Tsy entin’ny fihetseham-po fotsiny izy fa manaraka toro lalana foana amin’izay ataony, na tsy misy mahita aza izy.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Maheno hevi-diso be dia be momba ny atao hoe tsara sy ratsy ny ankizy, na any am-pianarana izany, na amin’ny hira, na amin’ny fandaharana amin’ny tele. Mety hisalasala àry izy raha marina ny zavatra nampianarin’ny ray aman-dreniny azy na tsia.

Tena sarotra izany ho an’ny tanora. Hoy ilay boky hoe Tsy Resa-be Fotsiny (anglisy): “Tokony ho fantany hoe be dia be ny olona hanery azy hanao zavatra sasany. Ho tian’ny olona, hono, izy amin’izay. Mila mianatra mijoro amin’ny heviny izy, ka hanao zavatra mifanaraka amin’izay nampianarina azy foana, na dia tsy ho tian’ny namany aza.” Mbola kely àry ny ankizy dia efa mila ampianarina an’ireo.

AHOANA NO HAMPIANARANA AZY?

Ampio izy hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy.

TORO LALANA: ‘Ny olona matotra dia manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy, satria nampiasaina.’—Hebreo 5:14.

  • Asehoy amin’ny zavatra lazainao izany. Raha misy olona tsy manome toerana ho an’ny zokiolona, ohatra, dia afaka miteny ianao hoe: “Tokony ho tsara fanahy isika, fa tsy hanao hoatr’izao.” Raha misy mandainga indray, dia afaka miteny ianao hoe: “Tsy mety izany.”

  • Hazavao hoe nahoana ny zavatra iray no tsara na ratsy. Anontanio, ohatra, izy hoe: Nahoana no mahasoa foana ny manao ny marina? Nahoana isika no mety ho very namana raha mandainga? Maninona no ratsy ny mangalatra? Miezaha mampisaintsaina azy hoatr’izany.

  • Ataovy azony tsara hoe mahasoa ny manao ny tsara. Afaka milaza ianao hoe: “Raha manao ny marina ianao dia hatoky anao ny olona”, na hoe: “Raha tsara fanahy ianao dia ho tian’ny olona.”

Ataovy fomba fiainan’ny fianakavianareo ilay hoe manao ny tsara.

TORO LALANA: “Zahao toetra foana ny tenanareo.”—2 Korintianina 13:5.

  • Tokony ho fomba fiainanareo mihitsy ilay hoe manao ny tsara. Afaka milaza ianao amin’izay hoe:

    • “Izahay tsy mba mandainga izany.”

    • “Tsy mikasi-tanana na mivazavaza amin’olona izahay.”

    • “Tsy manompa olona izahay na manesoeso.”

Ho hitan’ny zanakao amin’izay hoe tsy manaraka fitsipika be fotsiny ny fianakavianareo, fa efa mampiavaka anareo mihitsy ilay hoe manao ny tsara.

  • Resaho matetika amin’ny zanakao ny zavatra heverin’ny fianakavianareo hoe mety na tsy mety. Ampitahao amin’izay resahina any am-pianarana na resahina amin’ny tele izany. Rehefa misy zava-mitranga, ohatra, dia anontanio izy hoe: “Inona izao no nataonao raha ianao no teo?” “Ahoana izao no nataontsika, raha ny fianakaviantsika no tratran’izany?”

Ampio izy ho tapa-kevitra hanao ny tsara foana.

TORO LALANA: “Manàna feon’ny fieritreretana madio.”—1 Petera 3:16.

  • Derao izy rehefa manao zavatra tsara. Hazavao koa ny antony ideranao ny zanakao. Afaka miteny, ohatra, ianao hoe: “Tena faly aho fa nilaza ny marina ianao.” Raha miaiky indray izy hoe nanao zavatra tsy mety, dia derao aloha izy fa nilaza ny marina, izay ianao vao manitsy azy.

  • Ahitsio izy rehefa manao zavatra tsy mety. Ampio izy hahatsapa hoe tompon’andraikitra amin’izay ataony izy. Hazavao aminy hoe inona ilay tsy mety nataony, ary maninona ilay izy no mifanohitra amin’izay heverin’ny fianakavianareo hoe mety. Tsy manao an’izany ny ray aman-dreny sasany, satria tsy tian’izy ireo ho kivy ny zanany. Raha resahinao amin’ny zanakao anefa ny tsy mety ataony, dia hanampy azy hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy izany.