Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

5

Miana-javatra avy Amin’ny Olon-dehibe

Miana-javatra avy Amin’ny Olon-dehibe

AHOANA IZANY?

Mila olon-dehibe hitari-dalana sy hanoro hevitra azy ny ankizy. Ny ray aman-dreny no tena tokony hanao an’izany. Afaka manampy koa anefa ny olon-dehibe hafa.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Tsy dia mifanerasera amin’ny olon-dehibe ny ankizy, any amin’ny tany maro. Eritrereto izao:

  • Lany any am-pianarana ny ankamaroan’ny fotoanan’ny ankizy mandritra ny andro. Ny ankizy anefa no tena betsaka any, raha oharina amin’ny mpampianatra.

  • Tsy mahita ny ray aman-dreniny ny ankizy sasany rehefa mody avy mianatra, satria samy miasa izy mivady.

  • Mandany adiny enina eo ho eo isan’andro amin’ny fitaovana elektronika ny ankizy 8 ka hatramin’ny 12 taona, any Etazonia, araka ny fanadihadiana iray. *

Hoy ny boky Aza Afoy ny Zanakao (anglisy): “Tsy any amin’ny ray aman-dreniny, na mpampianatra, na olon-dehibe hafa ny tanora no maka torohevitra, fa any amin’ireo ... mitovy taona aminy. Ireny koa no ataony modely.”

INONA NO AZONAO ATAO?

Manokàna fotoana hiarahana aminy.

TORO LALANA: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”—Ohabolana 22:6.

Efa voajanahary amin’ny ankizy ilay hoe mitady ny tari-dalan’ny ray aman-dreniny. Na dia rehefa mihalehibe aza izy, dia mbola ny torohevitry ny ray aman-dreniny ihany no tiany kokoa noho ny an’ireo mitovy taona aminy. Hoy ny Pr. Laurence Steinberg, ao amin’ilay boky hoe Ianao sy ny Zanakao (anglisy): “Tian’ny zanakao ho fantatra ny hevitrao, ary henoiny izay lazainao na dia tsy ekeny daholo aza.”

Omeo tari-dalana àry ny zanakao, satria izany mihitsy no tadiaviny. Manokàna fotoana hiarahana aminy, ary resaho aminy ny hevitrao, sy izay zava-dehibe aminao, ary ny zavatra niainanao.

Mitadiava olona hanoro hevitra azy.

TORO LALANA: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.”—Ohabolana 13:20.

Iza ny olon-dehibe hitanao hoe azo itokisana sady afaka ny ho modely ho an’ny zanakao? Maninona izy raha iangaviana mba hanokana fotoana hiarahana amin’ny zanakao? Mbola andraikitrao foana anefa ny mitaiza ny zanakao, fa manampy fotsiny ilay olona. Miresaka ny ohatr’i Timoty sy ny apostoly Paoly ny Baiboly. Na dia efa olon-dehibe aza i Timoty, dia tena nahasoa azy ny niaraka tamin’i Paoly. Na i Paoly koa aza nandray soa.—Filipianina 2:20, 22.

Betsaka izao ny fianakaviana lasa tsy miara-mipetraka fa mifanalavitra. Mety ho lavitra ny zanakao àry ny dadabe sy bebeny, na ny dadatoa sy nenitoany. Inona no azonao atao raha izany? Mitadiava olon-dehibe hafa manana toetra tsara tianao hotahafin’ny zanakao.

^ feh. 9 Ny tanora 13 ka hatramin’ny 19 taona indray mandany adiny sivy eo ho eo isan’andro amin’ny fitaovana elektronika, araka ilay fanadihadiana. Tsy tafiditra amin’ireo tatitra roa ireo ny fotoana ampiasany fitaovana elektronika, mba hanaovana devoara na hanaovana fikarohana ao amin’ny Internet.