Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Tokony Hanao Raharaha ve ny Ankizy?

Tokony Hanao Raharaha ve ny Ankizy?

OLANA

Tian’ny ray aman-dreny sasany raha manampy amin’ny raharaha ao an-trano ny zanany, ary tsy mampaninona an’ireo ankizy izany. Misy anefa tsy te hampanao raharaha ny zanany, ka zaran’ireo ankizy aza.

Milaza ny mpikaroka fa any amin’ny tany tandrefana izany no tena fahita. Matetika no tsy mba manampy ny ao an-trano ny ankizy any fa mpandanilany fotsiny. Hoy ny raim-pianakaviana atao hoe Steven: “Tsy ampanaovina n’inona n’inona ny ankizy ankehitriny, fa avela hilalao video na hampiasa Internet na hijery tele fotsiny.”

Ahoana ny hevitrao? Tokony hampanaovina raharaha ve ny ankizy? Tsara aloha rehefa mba milamina ny trano. Fa misy soa azon’izy ireo koa ve?

TSARA HO FANTATRAO

Misy ray aman-dreny tsy te hampanao raharaha ny zanany satria efa be dia be, hono, ny entimody sy ny zavatra hafa ataon’izy ireo rehefa avy mianatra. Mahasoa an’ireo ankizy anefa ny manao raharaha noho ireto antony ireto:

Manampy azy ho matotra. Azo inoana fa ho tafita kokoa amin’ny fianarana ny ankizy manao raharaha ao an-trano. Nahoana? Satria lasa matoky tena sy mahay mamola-tena ary tsy mora kivy izy ireo, rehefa zatra manampinampy ao an-trano. Toetra tena ilaina ireo rehefa mianatra.

Mampianatra azy ho tia manampy olona. Voamarika fa vonona kokoa hanao soa ho an’ny fiaraha-monina ny olona iray, raha zatra nanao raharaha izy tamin’ny mbola kely. Tsy mahagaga izany satria efa zatra mitady izay hahasoa ny hafa izy. Hoy kosa i Steven, ilay voalaza tetsy aloha: “Rehefa tsy ampanaovina raharaha mihitsy ny ankizy, dia lasa mieritreritra fa natao hanompo azy ny hafa. Na efa lehibe aza izy, dia mbola tsy takany ihany hoe ilaina ny mandray andraikitra sy miasa mafy eo amin’ny fiainana.”

Mampifandray azy kokoa amin’ny fianakaviany. Tsapan’ny ankizy miezaka manampy ny ao an-trano fa ilaina izy, sady manana andraikitra amin’ny fianakaviany. Mety tsy hahatsapa an’izany izy, raha ny zavatra ataony rehefa avy mianatra no zava-dehibe kokoa amin’ny ray aman-dreniny noho ny raharaha ao an-trano. Tena handray soa ve anefa ny zanakao, raha ny mpiara-milalao baolina aminy indray no akaiky kokoa azy noho ianareo fianakaviany?

INONA NO AZONAO ATAO?

Atombohy dieny mbola kely ilay izy. Misy miteny hoe telo taona ny ankizy dia efa tokony hampanaovin’ny ray aman-dreniny raharaha. Ny an’ny hafa indray hoe roa taona na latsak’izay aza. Tian’ny ankizikely mantsy ny miara-miasa amin’ny ray aman-dreniny sy ny maka tahaka azy ireo.—Toro lalana: Ohabolana 22:6.

Ataovy mifanentana amin’ny taonany. Ny ankizy telo taona, ohatra, afaka mampirina kilalao, mamafa rano very, na manavaka an’ireo akanjo hosasana. Raha efa lehibebe indray izy, dia azo irahina mamafa trano, manasa fiara, na mahandro sakafo. Izay mety ho vitany no ampanaovy azy. Mety ho gaga ianao fa lasa mazoto manao raharaha izy.

Aza atao ambanin-javatra ny raharaha ao an-trano. Mety ho sarotra izany raha efa be dia be ny entimody ataon’ny zanakao isan’andro. Misy boky milaza anefa hoe “tsy mahalala an’izay tena zava-dehibe” ny ray aman-dreny tsy mampanao raharaha ny zanany mihitsy, satria hoe sao dia tsy mahazo naoty tsara izy. Manampy ny ankizy amin’ny fianarany anefa ny fanaovana raharaha, araka ny voalaza tetsy aloha. Tsy izay ihany fa hahay hiantsoroka andraikitra kokoa izy ireo rahatrizay manana tokantrano.—Toro lalana: Filipianina 1:10.

Ny tanjona no ifantohy fa tsy ny zava-bitany. Mety ho elaela ny zanakao vao hahavita an’izay ampanaovina azy, na tsy ho vita tsara araka ny itiavanao azy ilay izy. Aza maika hanao an’ilay izy eo amin’ny toerany anefa. Tsy ny hanaovany an’ilay izy toy ny anaovan’ny olon-dehibe azy mantsy no tanjona, fa ny hanampy azy handray andraikitra sy hahita hoe mahafaly ny miasa.—Toro lalana: Mpitoriteny 3:22.

Jereo hoe inona no tena mahasoa azy. Misy milaza fa hahay handray andraikitra ny ankizy raha omena vola, rehefa hanao raharaha. Tsy manaiky an’izany anefa ny hafa. Lasa izay azon’ilay ankizy avy amin’ny fianakaviany, hono, no ifantohany, fa tsy izay azony anampiana azy. Milaza koa izy ireo fa mety tsy hety hanao raharaha intsony ilay ankizy raha efa manam-bola. Lasa tsy mahasoa azy intsony ilay hoe ampanaovina raharaha. Mety ho tsara kokoa àry raha tsy omena vola ny ankizy, rehefa asaina manao raharaha.