Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Ampio ny Zanakao mba Hahay Handray Andraikitra

Ampio ny Zanakao mba Hahay Handray Andraikitra

Jao: * “Izao no fanaon’i Mika, zanako efa-taona, isan-kariva: Avelany hiparitaka eran’ny trano ny kilalaony, ary kizitina be sady mikiakiaka sy mivazavaza izy rehefa asaiko mampirina izany, alohan’ny hampatoriana azy. Tezitra aho indraindray ka mitrerona azy. Vao mainka anefa izany mahasorena anay mianaka. Tsy te ho tezitra aho alohan’ny hatoriana, ka naleoko tsy niteny azy intsony fa nampirimiko fotsiny ny trano.”

Mirana: “Avy nianatra i Miora, zanako vavy 13 taona. Nitomany adiny iray izy satria tsy azony, hono, izay nampanaovin’ny mpampianatra azy. Nasaiko nanontaniany ilay mpampianatra nefa tsy sahy izy, satria masiaka be, hono, izy io. Efa saika nalehako tany ilay mpampianatra. Fa iza izy no avelako hampalahelo ny sombinaiko?”

TOA an’i Jao sy Mirana ve ianao, ka tsy tantinao koa ny mahita ny zanakao miatrika olana na malahelo? Ara-dalàna raha miezaka miaro an-janany ny ray aman-dreny. Samy afaka manararaotra an’ireo toe-javatra ireo anefa, na i Jao na i Mirana, mba hampianarana ny zanany hahay handray andraikitra. Mazava ho azy fa tsy hitovy ny zavatra azon’ny zaza 4 taona sy 13 taona ianarana.

Tsy ho eo foana mba hiaro ny zanakao anefa ianao, isaky ny manana olana izy. Tsy maintsy handao ny rainy sy ny reniny ny ankizy, ka “hitondra ny entany”, izany hoe handray ny andraikiny. (Galatianina 6:5; Genesisy 2:24) Tsy maintsy miezaka ny ray aman-dreny mba hampianatra ny zanany tsy ho tia tena sy hiahy ny hafa ary hahay handray andraikitra, raha tiany ho lasa olon-dehibe mahaleo tena ny zanany. Tsy mora izany!

Soa ihany fa nanome modely ho an’ny ray aman-dreny i Jesosy rehefa nifandray tamin’ny mpianany. Tsy nanan-janaka izy, nefa nifidy mpianatra sy nampiofana azy ireo hanao asa iray. Tiany hanao sy hanohy an’ilay asa izy ireo, na dia rehefa tsy eo intsony aza izy. (Matio 28:19, 20) Te hanao toy izay vitan’i Jesosy ny ray aman-dreny rehefa mitaiza ny zanany ho lasa olon-dehibe mahay mandray andraikitra. Handinika lafiny telo amin’ny modely nomeny isika.

‘Omeo modely’ ny zanakao

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, taloha kelin’ny nahafatesany: “Modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” (Jaona 13:15) Tokony hohazavain’ny ray aman-dreny sy hasehony amin’ny ataony koa ny tena dikan’ny hoe mahay mandray andraikitra.

Mieritrereta àry hoe: ‘Matetika ve aho no milaza fa tiako ny manao ny andraikitro? Milaza ve aho fa faly rehefa miasa mafy ho an’ny hafa? Sa izaho be taraina sy mampitaha ny fiainako amin’ny an’olona toa miadana?’

Marina fa tsy misy olona tonga lafatra. Mahatsiaro ho be atao loatra isika indraindray. Ny modely omenao anefa no tena hanampy ny zanakao hahita fa zava-dehibe sy sarobidy ny hoe mahay mandray andraikitra.

ANDRAMO IZAO: Raha mety, dia ento tsindraindray any am-piasanao ny zanakao ary asehoy azy ny asa hamelomanao ny fianakaviana. Manaova zavatra hanampiana ny hafa ary ento any ny zanakao. Resaho avy eo ny fifaliana tsapanao nanao an’ilay izy.—Asan’ny Apostoly 20:35.

Aza manantena be loatra

Fantatr’i Jesosy fa nila fotoana ny mpianany mba hahafahan’izy ireo hiantsoroka ny andraikitra nomeny azy. Hoy izy tamin’izy ireo: “Mbola misy zavatra maro tokony holazaiko aminareo, saingy tsy zakanareo izany ankehitriny.” (Jaona 16:12) Nandany fotoana hampianarana azy ireo zavatra maro aloha i Jesosy. Tsy nirahiny avy hatrany izy ireo mba hanao zavatra samirery, raha tsy efa hitany fa vonona tsara.

Tsy mety koa raha asain’ny ray aman-dreny miantsoroka andraikitr’olon-dehibe ny ankizy, raha mbola tsy vonona ho amin’izany. Tokony hojerena anefa hoe inona no azo ampanaovina ny ankizy rehefa mihalehibe izy. Ilaina, ohatra, ny mampianatra azy hahay handray andraikitra ka hadio foana, hanadio ny efitranony, ho marim-potoana, ary hahay hitantam-bola. Tokony hihevitra ny fianarany ho zava-dehibe ny ankizy rehefa manomboka mianatra, ary izany no tokony hotakin’ny ray aman-dreny aminy.

Tsy ampy ny manome andraikitra ny ankizy, fa tokony hampiana hamita izany izy. Takatr’i Jao, ilay voaresaka teo aloha, fa anisan’ny nahatonga an’i Mika ho kamo hampirina ny kilalaony ny fieritreretana hoe toa tsy ho vitany ilay izy. Hoy i Jao: “Nampianariko hampirina ny kilalaony izy, fa tsy nimenomenonako fotsiny.”

Inona àry no nataony? Hoy i Jao: “Nofaritako aloha hoe amin’ny firy no hampirimana ny kilalao. Niara-nampirina tsikelikely ny trano izahay avy eo. Natao toy ny kilalao izany, ka nifaninana izahay hoe iza no mahavita haingana indrindra. Lasa fahazaranay izany. Nampanantena an’i Mika aho fa raha vitany haingana ilay izy, dia hamakiako tantara iray fanampiny izy alohan’ny hatoriany. Hohafohezina kosa ny tantara raha miraikiraiky izy.”

ANDRAMO IZAO: Diniho izay mety ho vitan’ny zanakao mba hampandeha tsara ny fiainana ao an-tranonareo. Diniho, ohatra, hoe: ‘Misy zavatra mety ho vitan-janako irery ve nefa mbola ataoko ihany?’ Ampio àry aloha izy, mandra-pahazonao antoka fa ho vitany samirery izany. Hazavao tsara aminy fa homenao valisoa izy raha ataony tsara ilay asa nampanaovina azy, fa hosazina kosa raha tsy manao tsara an’izany. Ampiharo avy eo izay nolazainao.

Manomeza toromarika voafaritra tsara

Mpampianatra mahay i Jesosy ka fantany fa ny fanaovana zavatra iray no fomba tsara indrindra hianarana azy io. Rehefa hitany, ohatra, fa vonona ny mpianany, dia nirahiny “tsiroaroa hialoha azy tany amin’ny tanàna sy ny toerana rehetra izay mbola halehany.” (Lioka 10:1) Tsy navelany hanao izay saim-pantany fotsiny anefa izy ireo, fa nomeny toromarika voafaritra tsara aloha. (Lioka 10:2-12) Noderainy sy nampahereziny izy ireo rehefa niverina sy nitantara ny zava-bitany. (Lioka 10:17-24) Nasehony fa natoky azy ireo izy sady nankasitraka azy.

Inona no ataonao rehefa misy zavatra sarotra tokony hataon’ny zanakao? Mitady hiaro azy amin’izay mampahatahotra azy ve ianao? Te hanao zavatra ve ianao mba tsy hahadiso fanantenana azy sy hahavitany tsara an’ilay izy? Te “hanavotra” ny zanakao avy hatrany angamba ianao na hanao an’ilay zavatra sarotra tokony hataony.

Diniho anefa izao: Inona no asehonao ny zanakao raha maika ny “hamonjy” azy foana ianao? Asehonao ve fa matoky azy sy ny fahaizany ianao, sa hoe mbola toy ny zazakely mila fanampiana izy, ka mila anao foana?

Diniho, ohatra, ny nataon’i Mirana, ilay voaresaka teo aloha, tamin’ilay olana nitranga tamin’i Miora. Tsy nisalovana izy fa navelany hiresaka mivantana tamin’ny mpampianatra azy i Miora. Nosoratan’izy mianaka izay fanontaniana hapetrak’i Miora, ary nojeren’izy ireo hoe rahoviana no horesahina ilay mpampianatra. Nanao famerimberenana mihitsy aza izy ireo. Hoy i Mirana: “Nisikina herim-po hiresahana tamin’ilay mpampianatra i Miora, ka nidera azy ilay mpampianatra. Faly erỳ i Miora ary faly koa aho.”

ANDRAMO IZAO: Soraty izay olana atrehin’ny zanakao. Soraty eo akaikin’ilay olana izay azonao atao mba hanampiana azy, ary aza mitady “hanavotra” azy. Averimbereno miaraka aminy ireo dingana tsy maintsy ataony mba hiatrehany an’ilay olana. Asehoy fa matoky ny fahaizany ianao.

Tsy avelanao hianatra hiatrika olana ny zanakao, raha ny marina, raha arovanao foana isaky ny misy olana. Zaro handray andraikitra kosa izy. Anisan’ny fanomezana sarobidy indrindra azonao omena azy izany.

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

ERITRERETO IZAO:

  • Araka ny antonony ve ny zavatra antenaiko amin’ny zanako?

  • Lazaiko sy asehoko aminy ve izay tokony hataony mba hahombiazany?

  • Oviana no farany niderako an-janako sy nampaherezako azy?