Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Singa Mahavariana

Ilay Singa Mahavariana

Hoy ny boky Zavatra Fototra ao Amin’ny Zavaboary (anglisy): “Ny karbonina no singa ilaina indrindra eo amin’ny fiainana.” Afaka mitambatambatra ny karbonina, na mitambatra amin’ny singa simika hafa ka ahazoana karazan-javatra an-tapitrisany. Mahita karazany vaovao foana ny manam-pahaizana, fa misy indray vokarin’izy ireo any amin’ny laboratoara.

Ho hitantsika ato fa manana endrika samihafa ny ataomana karbonina rehefa mitambatambatra. Misy, ohatra, miendrika rojo, piramida, peratra, takelaka, na fantsona. Mahavariana tokoa ny karbonina!

DIAMONDRA

Miendrika piramida ny ataomana karbonina ao amin’ny diamondra. Lasa tsy mora miforitra àry ilay ataoma. Tsy mahagaga raha ny diamondra no hitan’ny manam-pahaizana hoe mafy indrindra amin’ireo zavatra vita nanahary. Tena tsara ny diamondra raha iray ihany ny molekiolana karbonina ao anatiny.

MANJARANO

Mifampiraikitra tsara ireo ataomana karbonina ao amin’ny manjarano, ka lasa miendrika takelaka. Mifampitaingina toy ny antontan-taratasy ireo takelaka ireo nefa tsy mifampipetaka be. Ahavitana menaka ampiasaina amin’ny milina sy firamainty anaovana pensilihazo ny manjarano, noho izany toetoetrany izany. *

GRAFENINA

Miendrika takelaka iray ny ataomana karbonina ao amin’ny grafenina rehefa mitambatambatra. Hoatran’ny toho-tantely ny firafiny. Afaka mihenjana kokoa noho ny tsỳ (acier) ny grafenina. Ahitana grafenina kely ao amin’ny diana pensilihazo. Mety ho takelaka iray izany na maromaro.

FOLERENINA

Miendrika baolina na fantsona ny molekiolana karbonina ao amin’ny folerenina ary poakaty izy ireo. Faran’izay bitika ireo molekiola ireo, ka tsy hita raha tsy amin’ny mikraoskaopy.

ZAVAMANANAINA

Anisan’ny singa fototra ao amin’ny selan’ny zavamaniry sy ny biby ary ny olona ny karbonina. Ahitana azy io, ohatra, ny gliosida, tavy na jabora, ary asidra amine.

‘Ny toetran’Andriamanitra tsy hita maso dia hita amin’ny zavatra nataony.’—Romanina 1:20.

^ feh. 7 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mba Ampindramo Pensilihazo aza Fady!”, ao amin’ny Mifohaza! Jolay 2007.