Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fanajana Fotoana

Fanajana Fotoana

Na ny olona tara lava aza miaiky hoe tsara ny marim-potoana. Misy torohevitra mahasoa momba ny fanajana fotoana ao amin’ny Baiboly.

Zava-dehibe ve ny hoe marim-potoana?

NAHOANA IZANY NO ILAINA FANTARINA?

Misy mahatsapa hoe tsy dia mitebiteby loatra izy, rehefa tonga aloha kelin’ny fotoana nifanaovana. Lasa tsara laza koa ny olona marim-potoana. Nahoana?

Mahay mandamin-javatra ny olona manaja fotoana. Efa voalaminy tsara mantsy ny fotoanany, ka tsy avelany hisosoka ireo zavatra mety hisakana azy tsy hamita an’izay tiany hatao.

Azo ianteherana ny olona manaja fotoana. Maro izao no tsy mitana ny teny nataony na tsy mena-mivadika. Tian’ny olona àry ireo mitana ny teniny. Hajain’ny namany sy ny fianakaviany ny olona azo ianteherana. Tian’ny mpampiasa koa ny mpiasa tonga ara-potoana sy mamita ny asany ara-potoana. Atokisana kokoa izy ireny sady mety hasondrotra mihitsy aza ny karamany.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Misy ifandraisany amin’ny fanajana fotoana ny andininy sasany ao amin’ny Baiboly. Izao, ohatra, no lazain’ny 1 Korintianina 14:40: “Aoka ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.” Mampihatra an’io andininy io ny olona mifanao fotoana amin’ny ora sy toerana voafaritra tsara, raha samy marim-potoana. Hoy koa ny Mpitoriteny 3:1: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy, eny, misy fotoanany daholo ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra.” Milaza ny andininy faharoa fa “misy fotoana ambolena ary misy fotoana anongotana.” Tokony hanaja tsara ny fotoam-pambolena ny tantsaha, raha te hijinja vokatra faran’izay betsaka.

Milaza koa ny Baiboly fa manaja ny hafa sy tsy mandanilany ny fotoanany isika, rehefa manaja fotoana. (Filipianina 2:3, 4) Toy ny hoe mangalatra ny fotoanan’ny hafa kosa ireo zatra mampiandry olona.

“Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”Filipianina 2:4.

Inona no hanampy anao hanaja fotoana?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Ilaina ny mandamina mialoha. (Ohabolana 21:5) Be atao loatra angamba ianao matoa tara lava. Sao dia azo ajanona àry izay zavatra mandany fotoana nefa tsy tena ilaina? Aza atao mifanakaiky ny fotoana ifanaovanao amin’ny olona roa samy hafa. Ataovy tanjona koa ny ho tonga aloha. Tsy ho tara ianao amin’izay raha ohatra ka mitohana ny fifamoivoizana na ratsy ny andro.

Milaza ny Ohabolana 11:2 fa tokony hanetry tena ianao, izany hoe miaiky fa voafetra ihany ny vitanao. Diniho tsara àry aloha raha ho tratranao ny fotoana ifanarahana vao manaiky ianao. Tsy hitebiteby na ho sorena ianao sy ny olon-kafa amin’izay!

Ankoatra izany, dia mampirisika antsika hahay hanararaotra fotoana ny Baiboly. (Efesianina 5:15, 16) Azonao atao, ohatra, ny mamaky boky na mandamina ny fandaharam-potoananao, rehefa mandeha fitateram-bahoaka na miandry olona. Ataovy loha laharana izay zava-dehibe kokoa.—Filipianina 1:10.

“Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.” Ohabolana 21:5.