Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Nidonam-pahoriana ve Ianao?

Nidonam-pahoriana ve Ianao?

“Andriamanitra akia mahalala izay tena mahasoa antsika a! ... Aza mitomany intsony an!”

Tany am-pandevenana ny dadany ny vehivavy atao hoe Niry * no nisy nibitsibitsika an’ireo teny ireo. Maty tamin’ny lozam-piarakodia mantsy ilay dadany.

Tena nifankatia be i Niry sy ny dadany. Naman’ny fianakaviany no niteny an’ireo teny ireo taminy, ary nieritreritra ilay olona hoe hampionona azy ilay izy. Vao mainka anefa i Niry nalahelo be. Nieritreritra foana izy hoe: “Inona koa izao no mahatsara ny nahafatesany?” Nosoratan’i Niry tao anaty boky ilay zava-nitranga taona maro tatỳ aoriana, ary hita hoe mbola nalahelo be foana izy.

Hitantsika tamin’izay nanjo an’i Niry fa mety ho ela be vao afaka ny alahelo, indrindra raha nifankatia be ianao sy ilay olona maty. Mety tsara ny ilazan’ny Baiboly hoe “fahavalo farany” ny fahafatesana. (1 Korintianina 15:26) Tsy misy mahasakana azy io mantsy, ary matetika no tsy vonona hiatrika an’ilay izy akory isika. Lasa mikorontana ny fiainantsika ary sarahiny amintsika ny olona tena tiantsika. Tsy misy afa-miala amin’ny voka-dratsiny koa isika. Tsy mahagaga àry raha tsy haintsika izay atao rehefa mitranga izy io, ary tsy vitantsika ny mizaka ny alahelontsika.

Angamba ianao efa nieritreritra hoe: ‘Rahoviana àry vao ho afaka ny alahelo, rehefa misy maty? Inona no azo atao mba hizakana ny alahelo? Ahoana no hampiononana olona nidonam-pahoriana? Mbola ho velona indray ve ireo havantsika efa maty?’

^ feh. 4 Novana ny anarana.