NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Jona 2017

Ho hitanao ao ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’ny 31 Jolay ka hatramin’ny 27 Aogositra 2017.

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha tadidinao izay novakinao.

Mampahery Antsika Foana i Jehovah na Inona na Inona Olana Mahazo Antsika

Inona no olana mety hatrehin’ny Kristianina manambady? Raha manana olana ianao, inona no azonao atao mba hahazoana fampaherezana avy amin’Andriamanitra?

Sarobidy Aminao ve ny Harena Ara-panahy?

Inona avy ny harena tokony hankasitrahantsika, ary ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka azy ireny isika?

Aza Mifantoka Be Amin’ny Paozin’ny Olona

Tsara fanahy tamin’ny lehilahy iray nitokantokana sy ratsy paozy nipetraka teny amin’ny arabe ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Inona no vokatr’izany?

Miezaha Hifandamina ary Tandrovy ny Fihavanana

Tia fihavanana ny olona. Raha vao manambony tena anefa izy na matahotra hoe hisy haka ny toerany, dia mety hanao zavatra mampiady. Ahoana no hisorohana an’izany?

“Hotahina Anie ny Fahendrenao”

I Davida, mpanompon’i Jehovah fahiny, no nilaza an’izany tamin’i Abigaila. Nahoana i Davida no nidera azy? Ahoana no azontsika anahafana an’i Abigaila?

Tadidio Foana hoe Inona no Tena Zava-dehibe

Inona ilay zava-dehibe mahakasika ny olona rehetra? Nahoana ianao no tokony hitadidy foana an’izany?

Asehoy fa Manohana ny Zon’i Jehovah Hitondra Ianao

Hanao ahoana ny fiainanao raha manaiky ianao fa i Jehovah ihany no manana zo hitondra an’izao rehetra izao?

Fantatrao Ve?

Nahoana ireo mpivarotra biby tao amin’ny tempoly no nantsoin’i Jesosy hoe “jiolahy”?