Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Mifantoka Be Amin’ny Paozin’ny Olona

Aza Mifantoka Be Amin’ny Paozin’ny Olona

MIPETRAKA any Kanada i Don, ary Vavolombelon’i Jehovah izy. Miezaka be izy mba hiresaka amin’ny olona tsy manana trano fa mipetraka eny amoron’arabe. Anisan’izany ny rangahy iray atao hoe Peter. Hoy i Don: “Mbola tsy nahita olona naloto hoatr’izany aho teny amin’ny elakela-trano nalehako. Nasiaka be izy ary nataony izay hahatonga ny olona tsy hanatonatona azy. Te hanampy azy ny olona, fa izy matetika no tsy nety.” Nanam-paharetana anefa i Don, ka niezaka mba ho tsara fanahy taminy foana nandritra ny 14 taona mahery.

Nanontany an’i Don i Peter, indray mandeha, hoe: “Fa maninona ianao no misisika manampy ahy e? Ny olona rehetra tsy sahy manelingelina ahy.” Niresaka andinin-teny telo i Don mba hanohinana ny fony. Nanontaniany aloha i Peter raha nahafantatra hoe manana anarana Andriamanitra. Nasainy novakiny avy eo ny Salamo 83:18. Nasainy namaky ny Romanina 10:13, 14 i Peter avy eo mba hanazavana hoe fa maninona izy no te hanampy azy. Voalaza ao hoe: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” Farany, dia namaky ny Matio 9:36 i Don, ary avy eo i Peter mihitsy no nasainy namaky an’ilay izy. Izao no voalaza ao: “Nangoraka [i Jesosy] nony nahita ny vahoaka, satria nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo.” Nanganohano i Peter tamin’izay, sady nilaza hoe: “Dia iray amin’izany ondry izany ve aho?”

Nanomboka niova i Peter. Nandro izy, dia namboariny tsara ny volombavany. Nanaovany koa ny akanjo nomen’i Don azy. Nanao madio tsara foana izy nanomboka tamin’izay.

Nanoratra diary i Peter. Mampalahelo be ny zavatra nosoratany ao amin’ny voalohandohan’ilay izy. Tsy hoatr’izany kosa ny zavatra nosoratany vao haingana. Izao, ohatra, no voalaza ao: “Nahalala ny anaran’Andriamanitra aho androany. Tena faly aho! Lasa afaka mivavaka amin’i Jehovah aho izao. Nilaza i Don hoe azoko atao Namana i Jehovah. Manam-potoana hihainoana ahy foana, hono, i Jehovah na rahoviana na rahoviana ary na inona na inona tiako horesahina aminy.”

Ho an’ny mpiray tam-po aminy ny zavatra nosoratan’i Peter farany. Izao no voasoratra tao:

“Tsy dia salama aho androany. Efa antitra mihitsy aho e! Fa na ho faty rahampitso aza aho, dia fantatro fa mbola hihaona amin’ilay namako [Don] aho any amin’ny Paradisa. Efa tsy eo intsony aho, raha mamaky an’ity ianareo. Raha mahita lehilahy tsy fantatrareo ianareo amin’ny fandevenana ahy, dia miresaha aminy. Mba vakio koa ity boky kely mangamanga ity. * Voalaza ao hoe hihaona amin’ilay namako indray aho rehefa any amin’ny Paradisa. Mino an’izany amin’ny foko manontolo aho. Hoy i Peter tia anareo.”

Taorian’ny fandevenana an’i Peter, dia hoy i Ummi anabaviny: “Nifampiresaka tamin’i Peter aho roa taona lasa teo ho eo izay. Hoatran’ny falifaly izany izy! Efa taona maro izy no tsy hoatr’izany. Nitsiky mihitsy aza izy.” Hoy i Ummi tamin’i Don: “Hovakiko ilay boky. Tsy maintsy hoe boky miavaka mantsy ilay izy, matoa nahavita nanohina ny fon’ny anadahiko.” Nanaiky handinika an’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa i Ummi. Tatỳ aoriana kokoa no navoaka io boky io.

Mety tsy hanintona ny paozin’ny olona, nefa ny ao am-pony tena tsara. Nahoana àry raha tsy mifantoka be amin’ny paozin’ny olona? Asehoy hoe tena tiantsika izy ireny, ary miezaha hanam-paharetana amin’ny karazan’olona rehetra. (1 Tim. 2:3, 4) Mety hanohina ny fon’ny olona isika amin’izay, toy ny nataon’i Don tamin’i Peter. I Jehovah koa “mijery ny fo”, ka afaka matoky isika hoe hataony izay hahatonga ny fahamarinana hanohina ny fon’ny olona mitady an’izany.—1 Sam. 16:7; Jaona 6:44.

^ feh. 7 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, fa tsy atao pirinty intsony.