Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna Finoana ary Mahaiza Manapa-kevitra

Manàna Finoana ary Mahaiza Manapa-kevitra

‘Aoka isika hangataka amim-pinoana hatrany, ary tsy hisalasala mihitsy.’—JAK. 1:6.

HIRA: 81, 70

1. Nahoana i Kaina no tsy nahay nanapa-kevitra, ary inona no vokany?

TSY maintsy nisafidy i Kaina: Na izy hifehy ny fihetseham-pony dia handray soa, na izy hanaiky hofehezin’ny fihetseham-pony dia ho ratsy ny vokany. Fantatsika fa tsy nahay nanapa-kevitra izy ary ratsy tokoa ny vokany. Maty mantsy i Abela rahalahiny, ary izy indray lasa tsy nifandray tsara tamin’ny Mpamorona intsony.—Gen. 4:3-16.

2. Nahoana isika no mila mahay manapa-kevitra?

2 Tsy maintsy misafidy sy manapa-kevitra foana koa isika. Tsy iankinan’ny aina ny fanapahan-kevitra sasany. Mety hisy vokany be amintsika anefa ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra raisintsika. Raha mahay manapa-kevitra àry isika, dia hilamina ny fiainantsika fa tsy ho feno olana. Tsy ho diso fanantenana foana koa isika.—Ohab. 14:8.

3. a) Inona no tokony hinoantsika raha te hahay hanapa-kevitra isika? b) Inona avy ny fanontaniana hovaliantsika ato?

3 Inona no hanampy antsika hahay hanapa-kevitra? Mila matoky isika hoe afaka manampy antsika hanana fahendrena i Jehovah sady tena te hanao an’izany. Mila mino ny Teniny koa isika, ary matoky hoe tsara ny torohevitra omeny. (Vakio ny Jakoba 1:5-8.) Hifandray kokoa amin’i Jehovah sy ho tia kokoa ny Teniny isika amin’izay, ka hatoky hoe mahalala izay hahasoa antsika izy. Hikaroka ao amin’ny Baiboly foana isika, isaky ny handray fanapahan-kevitra. Inona anefa no hanampy antsika hahay hanapa-kevitra kokoa? Tsy mahazo miova hevitra mihitsy ve isika rehefa avy nanapa-kevitra?

TSY MAINTSY MANAPA-KEVITRA ISIKA

4. Inona no safidy tsy maintsy nataon’i Adama, ary inona no vokatry ny fanapahan-keviny?

4 Vao nisy mihitsy ny olombelona, dia efa tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra lehibe. Tsy maintsy nisafidy i Adama hoe ny tenin’ilay namorona azy ve no harahiny sa ny tenin’i Eva. Tsy nisalasala nanapa-kevitra izy, saingy ratsy be ny safidiny. Ny tenin’i Eva no narahiny, ka voaroaka tao amin’ny Paradisa izy ary maty tamin’ny farany. Isika koa aza mbola mizaka ny vokatry ny fanapahan-keviny.

5. Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny hoe mila manapa-kevitra?

5 Mety hisy hieritreritra hoe tsara kokoa ny fiainana raha tsy nila nanapa-kevitra isika. Angamba ianao mieritreritra hoatr’izany. Tsy nataon’i Jehovah hoatran’ny masinina baikoina fotsiny anefa ny olombelona, ka hoe tsy afaka misaina sy misafidy. Atorony antsika ao amin’ny Baiboly hoe ahoana no hahaizana manapa-kevitra. Tian’i Jehovah hanapa-kevitra isika, ary tena ilaina izany. Handinika ohatra manaporofo an’izany isika.

6, 7. Inona no safidy tsy maintsy nataon’ny Israelita, ary nahoana izy ireo no nisalasala hanompo an’i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

6 Rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, dia tsy maintsy nisafidy hoe hanompo an’i Jehovah sa hanompo andriamanitra hafa. (Vakio ny Josoa 24:15.) Hoatran’ny hoe tsotra be izany. Niankinan’ny ain’izy ireo anefa ny fanapahan-kevitra noraisiny. Imbetsaka izy ireo no tsy nahay nanapa-kevitra, tamin’ny fotoana nitondran’ireo mpitsara. Nivadika tamin’i Jehovah izy ireo ary nanompo andriamani-diso. (Mpits. 2:3, 11-23) Tsy maintsy nisafidy koa izy ireo tatỳ aoriana hoe hanompo an’i Jehovah sa hanompo an’i Bala. (1 Mpanj. 18:21) Nibedy azy ireo i Elia mpaminany satria niroaroa saina izy ireo. Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Izany koa ve dia manahirana? Mahafinaritra ange ny manompo an’i Jehovah e!’ Tsy hieritreritra hanompo an’i Bala tokoa raha olona misaina tsara. Nisalasala anefa ny Israelita. Nampirisika azy ireo àry i Elia mba hifidy ny hanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Tena nety ny nataony.

7 Inona no mety ho nahatonga ny Israelita hisalasala hanompo an’i Jehovah? Voalohany, tsy nino azy intsony izy ireo sady tsy nety nankatò azy. Tsy niezaka hahalala ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fahendreny izy ireo, ary tsy natoky azy. Raha nanao an’izany anefa izy ireo sady nampihatra ny zavatra fantany, dia ho nahay nanapa-kevitra tsara. (Sal. 25:12) Faharoa, nanaraka ny toe-tsain’ny firenena hafa ny Israelita. Izy ireny mihitsy aza no navelany hanapa-kevitra ho azy ireo. Lasa nanaraka ny fanaon’ireny olona ireny izy ireo, ka nanompo ny andriamanitr’izy ireny. Efa ela be talohan’izay anefa i Jehovah no nilaza hoe mila mitandrina izy ireo mba tsy hitrangan’izany.—Eks. 23:2.

METY VE RAHA OLON-KAFA NO MANAPA-KEVITRA HO ANTSIKA?

8. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’ny Israelita?

8 Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’ny Israelita? Ny tsirairay no mila manapa-kevitra, ary tokony hanaraka an’izay lazain’ny Baiboly isika raha te hahay hanapa-kevitra. Hita ao amin’ny Galatianina 6:5 fa samy tompon’andraikitra amin’ny safidy ataony ny tsirairay. Tsy ny olon-kafa àry no tokony hasaintsika hanapa-kevitra ho antsika. Mila fantarintsika izay tian’Andriamanitra, ary avy eo isika mifidy ny hanao an’izany.

9. Nahoana no tsy mety raha olon-kafa no avelantsika hanapa-kevitra ho antsika?

9 Mamela ny olon-kafa hanapa-kevitra ho antsika isika, raha manaiky hanao izay hampirisihin’izy ireo hataontsika. Mety ho ratsy ny fanapahan-kevitra horaisintsika raha manaraka an’izay lazainy isika. Na manery antsika hoatran’ny inona aza anefa ny olona, dia anjarantsika foana ny manaraka ny feon’ny fieritreretantsika. Efa nozarintsika hanaraka an’izay lazain’ny Baiboly mantsy ny feon’ny fieritreretantsika. Raha ny olona no avelantsika hanapa-kevitra ho antsika, dia midika izany hoe nifidy ny ‘hiara-dalana aminy’ isika. (Ohab. 1:10, 15) Efa manapa-kevitra ihany isika amin’izay, saingy mety ho ratsy ny vokatr’ilay izy.

10. Inona no nampitandreman’i Paoly an’ireo Kristianina tany Galatia?

10 Nampitandrina ny Kristianina tany Galatia ny apostoly Paoly hoe tsy mety raha ny olon-kafa no avelan’izy ireo hanapa-kevitra ho azy ireo. (Vakio ny Galatianina 4:17.) Nisy rahalahy nitady hanao safidy ho an’ny hafa mantsy tao amin’ilay fiangonana, mba hitaomana azy ireo tsy hanaraka ny apostoly intsony. Tia tena ireo rahalahy ireo, ka izy ireo indray no tiany hoe harahin’ny fiangonana. Tsy nanetry tena koa izy ireo, ary tsy nanaja ny zon’ny mpiara-manompo hanapa-kevitra.

11. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa rehefa hanapa-kevitra izy?

11 Nanaja ny zon’ny hafa hanapa-kevitra ny apostoly Paoly, ka ohatra tsara ho antsika. (Vakio ny 2 Korintianina 1:24.) Tokony hanahaka azy ny anti-panahy. Anjaran’ny olona indraindray ny misafidy izay hataony, ka tokony hanaja an’izany izy ireo. Azon’ny anti-panahy atao ny manome torohevitra avy ao amin’ny Baiboly. Tokony havelany hanapa-kevitra samirery anefa ireo rahalahy sy anabavy. Ara-dalàna izany satria izy ireo no ho tompon’andraikitra amin’izay vokatry ny fanapahan-keviny. Inona àry no ianarantsika avy amin’izany? Azo atao ny manampy an’ireo rahalahy sy anabavy hahafantatra tsara ny toro lalan’ny Baiboly. Anjaran’izy ireo anefa ny manapa-kevitra, ary manan-jo hanao an’izany izy. Handray soa izy ireo raha manao safidy tsara. Tsy tokony hieritreritra mihitsy àry isika hoe azontsika atao ny manapa-kevitra ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika.

Manampy an’ireo rahalahy sy anabavy hanapa-kevitra samirery ny anti-panahy be fitiavana (Fehintsoratra 11)

AZA MANAIKY HOBAIKOIN’NY FONAO

12, 13. Nahoana no mety hampidi-doza ny manapa-kevitra rehefa tezitra na kivy?

12 Manaiky hobaikoin’ny fihetseham-pony ny ankamaroan’ny olona rehefa hanapa-kevitra. Mety hampidi-doza anefa izany. Mampitandrina antsika mba tsy hanao an’izany ny Baiboly, satria tsy lavorary ny fontsika. (Ohab. 28:26) “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra” izy io, sady “sarotra fehezina.” (Jer. 17:9) Misy ohatra maro koa ao amin’ny Baiboly mampiseho hoe ratsy ny vokany raha ny fihetseham-po no mibaiko antsika. (Jer. 3:17; 13:10; 1 Mpanj. 11:9) Inona àry no mety hitranga raha manaiky hobaikoin’ny fontsika isika?

13 Sarobidy ny fo, satria tokony ho tia an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika ary tokony ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika. (Mat. 22:37-39) Hitantsika tamin’ireo andininy tao amin’ny fehintsoratra tetsy aloha anefa fa mety ho ratsy ny vokany raha ny fihetseham-pontsika no mibaiko ny eritreritsika sy izay ataontsika. Inona, ohatra, no mety hitranga raha manapa-kevitra isika nefa mbola tezitra? Hainao tsara ny valin’izany raha efa nanao an’izany ianao taloha. (Ohab. 14:17; 29:22) Ary raha kivy isika no manapa-kevitra? Mety ho tsara ve ny fanapahan-kevitra horaisintsika? (Nom. 32:6-12; Ohab. 24:10) Handray soa isika raha manaiky ho “mpanompon’ny lalàn’Andriamanitra”, izany hoe manaiky ny tari-dalan’izy io. (Rom. 7:25) Raha manaiky hobaikoin’ny fontsika kosa isika rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe, dia ho mora voafitak’izy io.

RAHOVIANA ISIKA NO TOKONY HIOVA HEVITRA?

14. Ahoana no ahalalantsika fa azo atao ny manova ny fanapahan-kevitra efa noraisintsika?

14 Marina fa mila manapa-kevitra tsara isika. Tsy midika anefa izany hoe tsy azo ovana intsony izay fanapahan-kevitra efa noraisintsika. Mila averina dinihina ny fanapahan-kevitra sasany, ary mila ovana mihitsy aza angamba. Izany no nataon’i Jehovah tamin’ny andron’i Jona. Efa nanapa-kevitra izy hoe handringana ny mponin’i Ninive. Rehefa hitany anefa hoe “niala tamin’ny lalan-dratsiny izy ireo”, dia ‘nanenenany ilay loza nolazainy hamelezany azy, ka tsy nampihariny indray.’ (Jona 3:10) Novan’i Jehovah ilay fanapahan-keviny rehefa nibebaka sy niova ny mponin’i Ninive. Hita amin’izany fa tsy hentitra be loatra izy, manetry tena, ary mamindra fo. Mieritreritra tsara foana koa izy vao manapa-kevitra na dia rehefa tezitra be aza, fa tsy hoatran’ny ankamaroan’ny olona.

15. Inona no mety hahatonga antsika hanova ny fanapahan-kevitra efa noraisintsika?

15 Inona no mety hahatonga antsika hamerina handinika ny fanapahan-kevitra efa noraisintsika na ny safidy nataontsika? Mety hanao an’izany isika raha nisy zavatra niova. Izany no nataon’i Jehovah indraindray. (1 Mpanj. 21:20, 21, 27-29; 2 Mpanj. 20:1-5) Mety ho nisy zavatra lasa fantatsika koa ka hitantsika hoe tokony hovana ilay fanapahan-kevitra. Izany no nataon’i Davida Mpanjaka. Novany ny fanapahan-kevitra noraisiny rehefa fantany hoe lainga ny zavatra noresahina taminy momba an’i Mefiboseta, zafikelin’i Saoly. (2 Sam. 16:3, 4; 19:24-29) Mety hahasoa antsika koa ny manao hoatr’izany indraindray.

16. a) Inona no azontsika atao raha te hahay hanapa-kevitra isika? b) Nahoana no mila ovana ny fanapahan-kevitra sasany, ary tokony ho vonona hanao inona isika?

16 Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa tsy tokony ho maimaika isika rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. (Ohab. 21:5) Hahay hanapa-kevitra isika, raha maka fotoana mba handinihana tsara ny zava-drehetra mifandray amin’ilay izy. (1 Tes. 5:21) Rehefa hanapa-kevitra ny loham-pianakaviana, dia mila mikaroka ao amin’ny Soratra Masina sy ao amin’ny boky sy gazety aloha. Tokony hanontany ny hevitry ny vady aman-janany koa izy. Tadidio fa nasain’Andriamanitra nihaino ny vadiny i Abrahama. (Gen. 21:9-12) Mila manao fikarohana koa ny anti-panahy. Ahoana raha misy fanazavana hitan’izy ireo ka tsapany hoe mila ovana ny fanapahan-kevitra efa noraisiny? Tsy ho hentitra be izy ireo raha manetry tena, fa ho vonona hanova an’ilay izy sady hanova ny fomba fiheviny. Tsy tokony hieritreritra izy ireo hoe hanala baraka azy izany. Mila manao hoatr’izany koa isika rehetra. Hiray saina sy hilamina tsara ny fiangonana amin’izay.—Asa. 6:1-4.

TANTERAHO NY FANAPAHAN-KEVITRAO

17. Inona no tokony hataontsika raha te hahay hanapa-kevitra isika?

17 Zava-dehibe kokoa ny fanapahan-kevitra sasany, ka mila mieritreritra sy mivavaka bebe kokoa momba an’ilay izy isika. Mety ho elaela àry isika vao hanapa-kevitra. Misy, ohatra, mila manapa-kevitra hoe hanambady sa tsia, ary raha hanambady dia iza. Misy indray mila manapa-kevitra hoe inona no fanompoana manontolo andro hataony ary rahoviana izy no hanomboka. Raha te hahay hanapa-kevitra isika, dia mila matoky hoe hanome tari-dalana antsika i Jehovah. (Ohab. 1:5) Mila mivavaka isika mba hahazo ny tari-dalany. Mila mikaroka ao amin’ny Baiboly koa isika, satria ao no misy ny torohevitra tsara indrindra. Matokia fa hanampy antsika i Jehovah mba hanana an’ireo toetra ilaina, ka ho afaka handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny sitrapony isika. Rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe àry ianao, dia eritrereto hoe: ‘Ho hita amin’ity fanapahan-kevitro ity ve fa tia an’i Jehovah aho? Hahafaly ny fianakaviako sy hampifandray tsara anay ve ilay izy? Ho hita ve hoe manam-paharetana sy tsara fanahy aho?’

18. Nahoana isika tsirairay no tian’i Jehovah hanapa-kevitra?

18 Tsy manery antsika ho tia sy hanompo azy i Jehovah, fa avelany hisafidy isika. Zontsika sady andraikitsika ny misafidy hoe hanompo azy sa tsia, ary manaja an’izany izy. (Jos. 24:15; Mpito. 5:4) Rehefa nandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny tari-dalany anefa isika, dia tiany raha tanterahintsika ilay izy. Tokony hatoky isika hoe mahasoa ny toro lalana omen’i Jehovah. Tsy hiroaroa saina isika amin’izay fa hahalala izay tokony hatao foana, ka hahay hanapa-kevitra.—Jak. 1:5-8; 4:8.