Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no Misy ny Marina?

Aiza no Misy ny Marina?

Tena ilaina ny mahafantatra ny marina, satria mety hamonjy aina izany. Niova be, ohatra, ny fiainan’ny olona rehefa voavaly ity fanontaniana ity: Inona no mahatonga ny areti-mifindra hiparitaka?

Tsy hain’ny olona ny valin’io fanontaniana io nandritra ny an’arivony taona. Olona an-tapitrisany no matin’ny areti-mifindra, tao anatin’izay fotoana izay. Fantatry ny mpahay siansa ihany ny marina, tatỳ aoriana. Hitan’izy ireo fa mikraoba toy ny bakteria na virosy no mahatonga ny areti-mifindra hiparitaka. Lasa afaka nisoroka sy nitsabo aretina maro ny olona noho izany. Olona an’arivony tapitrisa àry no lasa salama kokoa sy ela velona kokoa.

Ary ahoana ny amin’ny fanontaniana lehibe hafa? Ohatra hoe:

  • Iza moa Andriamanitra?

  • Iza i Jesosy Kristy?

  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

  • Hanao ahoana ny fiainana amin’ny hoavy?

Olona an-tapitrisany no nahita ny valin’ireo fanontaniana ireo, ka nihatsara ny fiainany. Handray soa koa ianao raha miezaka hahalala ny marina hoatr’azy ireo.

AFAKA MAHITA NY MARINA IANAO

Betsaka angamba ny zavatra manitikitika ny sainao. Mety hieritreritra ianao hoe azo fantarina ihany ve ny marina momba azy ireny? Vao mainka sarotra izany amin’izao. Nahoana?

Betsaka no tsy matoky ny fitondram-panjakana, ny orinasa, na ny haino aman-jery. Sarotra mantsy izao ny manavaka hoe milaza ny zava-misy ve ny olona iray sa maneho ny heviny fotsiny. Tsy milaza ny marina rehetra koa ny hafa rehefa manome fanazavana. Misy indray mandainga tsotra izao. Hita hoe tsy mifampatoky ny olona ary be dia be ny hevi-diso miely. Samy manana an’izay heveriny fa marina àry izy ireo. Misy aza mieritreritra hoe tsy ilaina ny mahalala ny marina.

Na izany aza, dia afaka mahalala ny valin’ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana ianao. Amin’ny fomba ahoana? Izay ataonao rehefa mitady valina fanontaniana tsotra ihany averina.

INONA NO AZONAO ATAO?

Azo lazaina hoe mitady ny marina ianao isan’andro. Eritrereto ny manjo an’i Jessica. Hoy izy: “Tsy mahazaka voanjo mihitsy ny zanako vavy. Na kely fotsiny aza no mifangaro amin’ny sakafony dia efa mety hahafaty azy.” Mitandrina be àry i Jessica isaky ny hividy sakafo ho an’ny zanany. Hoy izy: “Vakiko tsara aloha ny fonony mba hahitako hoe inona avy no ao amin’ilay izy. Manao fikarohana aho avy eo ary miantso ny mpanamboatra an’ilay sakafo, mba ho azoko antoka hoe tsy misy atahorana ilay izy. Mijery tranonkala na fanazavana azo antoka koa aho, mba hahitana raha mitandrina tsara ilay orinasa rehefa manamboatra sakafo.”

Mety tsy ho hoatran’ny an’i Jessica ny zavatra manahiran-tsaina anao. Afaka manao hoatr’azy anefa ianao rehefa mitady ny valin’ny fanontanianao. Ahoana izany?

  • Jereo izay fanazavana misy.

  • Manaova fikarohana bebe kokoa.

  • Hamarino hoe azo antoka ny tranonkala na boky anaovanao fikarohana.

Hahita ny valin’ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana ianao, raha manaraka an’ireo dingana ireo.

BOKY IRAY MILAZA NY MARINA

Manampy an’i Jessica hahita sakafo mety amin’ny zanany ireo dingana voaresaka teo aloha. Ireo dingana ireo ihany no narahiny rehefa nitady ny valin’ny fanontaniany momba ny fiainana izy. Hoy izy: “Nahita ny valin’ny fanontaniako aho, rehefa namaky Baiboly sy nanao fikarohana.” Olona an-tapitrisany koa no nanao hoatran’i Jessica, ka nahita ny valin’ireto:

  • Inona no antony namoronana antsika?

  • Manao ahoana ny olona rehefa maty?

  • Nahoana isika no mijaly?

  • Inona no efa ataon’Andriamanitra mba tsy hijaly intsony isika?

  • Inona no hanampy antsika hanana fianakaviana sambatra?

Hahita ny valin’ireo fanontaniana ireo sy ny fanontaniana hafa ianao, raha mamaky Baiboly sy manao fikarohana ao amin’ny www.ps8318.com.