Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | DAVIDA

“An’​i Jehovah ny Ady”

“An’​i Jehovah ny Ady”

HITA hoe natahotra be ireo miaramila nifanena tamin’i Davida. Nirifatra nandositra izy ireo, ka na i Davida aza voadona ary saika nianjera. Fa misy inona? Anaran’olona iray foana no naverimberin’izy ireo. Io fa tazan’i Davida nijoro teo amin’ny lemaka ilay lehilahy. Hangezan’izay olona re izao! Mbola tsy nahita olona hoatran’io angamba izy.

Goliata no anaran’ilay lehilahy. Azon’i Davida ny antony natahoran’ireo miaramila azy. Tsy nampino ny hangezany sy ny halavany. Na niala daholo aza ny akanjo vy teny aminy, dia mety ho mbola navesatra noho ny lehilahy roa ngezabe izy. Feno fitaovam-piadiana koa teny amin’i Goliata ary natanjaka be izy sady efa zatra ady. Nihantsy ny tafiky ny Israely sy ny mpanjakany izy sady nivazavaza be. Ny feony amin’izany nidoboka be sady nanako teny amin’ny havoana. Miaramila iray no nasainy hifampitana taminy, dia vita, hono, ny ady teo amin’ny Israely sy ny Filistinina.—1 Samoela 17:4-10.

Nipararetra i Saoly Mpanjaka sy ny Israelita. Henon’i Davida hoe efa iray volana mahery ny tafiky ny Israely sy ny Filistinina no nihazohazo teo. Nihantsy ady foana, hono, i Goliata isan’andro. Tezitra i Davida. Nanala baraka mantsy hoe nihorohoro daholo na ny mpanjakan’ny Israely na ny miaramilany, anisan’izany ny zokiny telo lahy. Nihevitra i Davida hoe tsy ny tafiky ny Israely fotsiny no nambanimbanin’i Goliata, fa i Jehovah Andriamanitry ny Israely mihitsy. Inona anefa no azony natao? Izy aza mbola tanora kely. Ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny finoany?—1 Samoela 17:11-14.

“HOSORY IZY, FA IO NO IZY!”

Andeha aloha hojerentsika ny zava-nitranga volana maro talohan’io. Efa hariva ny andro ary mbola niandry ny ondrin-drainy tany amin’ny havoana akaikin’i Betlehema i Davida. Tsara tarehy izy ary mbola tanora kely. Somary mena koa izy ary nahafinaritra ny nijery ny masony. Ny nandinika ny zavaboary sy nitendry harpa no tena nanalany andro rehefa nangingina iny. Vao mainka izy nahay harpa arakaraka ny nitendreny an’ilay izy. Voantso tampoka anefa izy tamin’io hariva io satria te hahita azy ny rainy.—1 Samoela 16:12.

Hitany niresaka tamin’ny zokiolona iray i Jese rainy. Tsy iza izy io fa i Samoela mpaminany. Nirahin’i Jehovah izy mba hanosotra ny iray tamin’ny zanak’i Jese ho mpanjakan’ny Israely. Efa nandalo teo amin’i Samoela daholo ny zokin’i Davida fito lahy. Nilaza anefa i Jehovah fa tsy nisy nofidiny izy rehetra. Hoy kosa izy tamin’i Samoela rehefa tonga i Davida: “Hosory izy, fa io no izy!” Nalain’i Samoela àry ny tandroka iray nisy menaka manokana. Nararany teo amin’ny lohan’i Davida ilay menaka, ary nataony teo imason’ireo zokiny izany. Niova be ny fiainan’i Davida taorian’izay. Hoy mantsy ny Baiboly: “Niasa tamin’i Davida ny fanahin’i Jehovah, nanomboka tamin’iny andro iny.”—1 Samoela 16:1, 5-13.

Nanetry tena i Davida ka niaiky fa i Jehovah no nanampy azy hamono an’ireo bibidia

Maimay ny ho lasa mpanjaka ve i Davida? Tsia. Vonona ny hiandry ny fitarihan’ny fanahin’i Jehovah izy. Izy io mantsy no hampahafantatra azy ny fotoana mety tsara hiantsorohana andraikitra lehibe. Mbola lasa niandry ondry àry izy. Tena nahafoy tena sy be herim-po izy rehefa nanao an’io asa io. Efa notafihin’ny liona iray, ohatra, ny ondrin-drainy ary efa notafihin’ny orsa iray koa. Tsy hoe noroahiny fotsiny ireo bibidia masiaka ireo fa tonga dia niadivany ary matiny.—1 Samoela 17:34-36; Isaia 31:4.

Voantso indray i Davida tatỳ aoriana, satria ren’i Saoly Mpanjaka ny lazany. Mbola mpiady mahery i Saoly, nefa tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony satria tsy nankatò azy. Niala taminy ny fanahin’i Jehovah ka lasa nikorontan-tsaina izy, izany hoe lasa tezi-dava sy niahiahy olona ary nahery setra. Ny mozika ihany no mba afaka nampitony azy. Nisy miaramilan’i Saoly nahalala hoe nahay mozika i Davida sady nahay niady. Nampanantsoin’i Saoly àry i Davida, ary tsy ela izy dia lasa anisan’ny mpitendry tao an-dapany sady mpitondra ny fiadiany.—1 Samoela 15:26-29; 16:14-23.

Tovolahy nanam-pinoana i Davida. Ahoana no azon’ny tanora anahafana azy? Tsara homarihina fa nanao zavatra nanampy azy hifandray amin’i Jehovah izy rehefa nisy fotoana nalalaka. Nianatra zavatra mahasoa koa izy ka lasa azo nampiasaina. Fa ny tena zava-dehibe dia hoe nanaraka ny fitarihan’ny fanahin’i Jehovah izy. Tena ohatra tsara ho antsika rehetra i Davida!—Mpitoriteny 12:1.

“AOKA TSY HO KETRAKA NY FON’NY OLONA”

Matetika i Davida no nody tany aminy mba hiandry ondry, na dia efa niasa ho an’i Saoly aza izy. Nijanona elaela tany izy indraindray. Nirahin’i Jese izy, indray andro, mba hijery hoe manao ahoana ny zokiny telo lahy miaramilan’i Saoly. Nankatò i Davida ka nivatsy sakafo ho an’ny rahalahiny, ary nankany amin’ny lemaka ivan’i Elaha. Nanahy izy rehefa tonga tany satria samy nihazohazo fotsiny ny tafika roa tonta, araka ny voalaza terỳ aloha. Nifanatrika izy ireo ka ny Filistinina teo amin’ny tendrombohitra iray, ary ny Israelita teo amin’ny ilany. Lemaka midadasika no nanelanelana azy ireo.—1 Samoela 17:1-3, 15-19.

Tsy zakan’i Davida ilay zava-nitranga. Ny tafik’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona, ve dia hatahotra olona, sady amin’izay indray mpanompo sampy? Taminy dia i Jehovah mihitsy no nambanimbanin’i Goliata fa tsy olona fotsiny. Niresaka tamin’ny miaramila àry izy hoe ho vitany ny handresy an’i Goliata. Henon’i Eliaba zokiny lahimatoa ilay tenin’i Davida ka noteneniny mafy izy, ary nolazainy hoe hijery ny ady fotsiny no nahatongavany. Hoy anefa i Davida: “Fa maninona aho izao? Mba manontany fotsiny ange aho e!” Mbola lasa niresaka tamin’olon-kafa indray izy avy eo hoe ho vitany ny handresy an’i Goliata. Nisy nitatitra tany amin’i Saoly izany tamin’ny farany ka nasainy nankany aminy i Davida.—1 Samoela 17:23-31.

Nampahery an’i Saoly Mpanjaka i Davida hoe: “Aoka tsy ho ketraka ny fon’ny olona.” Tena ketraka mantsy ny fon’i Saoly sy ny miaramilany satria natahotra an’i Goliata izy ireo. Diso ry zareo satria ny haben’i Goliata no nifantohany. Azony sary an-tsaina angamba hoe hatreo amin’ny tratrany fotsiny ny halavan’izy ireo. Nieritreritra koa izy ireo hoe atody miady aman-bato. Hafa mihitsy anefa no fahitan’i Davida an’ilay olana, ka nanolo-tena hiady tamin’i Goliata izy.—1 Samoela 17:32.

Hoy anefa i Saoly: “Tsy vitanao ny hiady amin’io Filistinina io satria mbola zaza ianao, fa izy kosa lehilahy mpiady hatramin’ny fahakeliny.” Mbola zaza tokoa ve i Davida? Tsia. Mbola tsy ampy taona hanao miaramila anefa izy. Hoatran’ny zaza koa angamba ny fahitana ny endriny. Efa nalaza anefa hoe mpiady mahery fo i Davida, ary efa 20 taona latsaka izy tamin’io.—1 Samoela 16:18; 17:33.

Te hanome toky an’i Saoly i Davida ka notantarainy izay nataony tamin’ilay liona sy ilay orsa. Tsy hoe nirehareha anefa izy tamin’izay. Fantany kosa ny antony nahatonga azy handresy an’ireo bibidia. Hoy izy: “I Jehovah izay namonjy ahy teo an-tanan’ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy eo an-tanan’io Filistinina io.” Nanaiky ihany i Saoly tamin’ny farany, ka hoy izy: “Mandehana àry, ary homba anao anie i Jehovah!”—1 Samoela 17:37.

Te hanam-pinoana hoatran’i Davida ve ianao? Mariho fa tsy hoe ninonino fahatany an’i Jehovah Andriamaniny i Davida. Nino azy kosa izy satria nahalala azy sady efa nampiany. Fantany hoe Mpiaro i Jehovah, be fitiavana, ary Mpanatanteraka ny teniny. Raha te hanam-pinoana hoatr’izany koa isika, dia mila mianatra momba an’ilay Andriamanitra resahin’ny Baiboly. Handray soa isika rehefa mampihatra izay ianarantsika, ary hanatanjaka ny finoantsika izany.—Hebreo 11:1.

‘HATOLOTR’I JEHOVAH HO ETO AN-TANAKO IANAO’

Nampanaovin’i Saoly an’i Davida ny akanjo fitondrany miady. Ngezabe ilay izy sady navesatra. Nitovitovy tamin’ny an’i Goliata ny paoziny, ary vita tamin’ny takela-barahina nifanindritsindry toy ny kiran-trondro. Tsy afa-namindra i Davida rehefa nanao an’ilay akanjon’i Saoly, izay lehilahy lava indrindra teo amin’ny Israely. (1 Samoela 9:2) Tsy nampiofanina ho miaramila izy ka tsy nahazatra azy ny nanao azy io. Hitany hoe tsy nety taminy ilay izy, ka nesoriny. Ny akanjony ihany no nanaovany, izany hoe ny akanjon’ny mpiandry ondry.—1 Samoela 17:38-40.

Nentin’i Davida ny tehina fentiny miandry ondry. Nitondra kitapo sy pilotra koa izy. Hoatran’ny hoe tsy ampy raha pilotra fotsiny no entina miady. Tena fitaovam-piadiana nandaitra anefa izy io. Tady vita amin’ny hoditra lavalava izy io, ary misy faritra fasiana vato eo amin’ny fisasahany. Fitaovana nety tsara ho an’ny mpiandry ondry ny pilotra. Ahodinkodiny mafy eo ambony lohany ilay izy rehefa avy nasiany vato, ary avotsony avy eo ny tady ilany ka tody tsara eny amin’izay kendreny ilay vato. Nahomby be io fitaovana io, ka nasiana andia-miaramila mpampiasa pilotra tao amin’ny tafika indraindray.

Vonona izao i Davida ka maika hifanehatra tamin’ilay fahavalony. Azo antoka hoe nivavaka mafy izy rehefa niondrika naka an’ireo vato kilonjy dimy teo amin’ilay tany lemaka nisy renirano, izay mbola maina tamin’izay. Nankany amin’ilay toerana hanaovana ady izy avy eo, ary tsy nandeha tsotra fotsiny fa nihazakazaka.

Inona no tao an-tsain’i Goliata rehefa nahita an’i Davida? Milaza ny Baiboly fa “nanao tsinontsinona” azy izy “satria mbola zaza io, ary somary menamena sady tsara tarehy.” Nivazavaza izy hoe: “Izaho angaha alika no hatonin’ialahy amin’ny tehina?” Hitan’i Goliata ny tehin’i Davida fa tsy hitany ilay pilotra. Nozoniny tamin’ny anaran’ireo andriamaniny i Davida avy eo, ary nivoady izy fa homeny ny vorona sy ny biby any an-tsaha ny fatiny.—1 Samoela 17:41-44.

Hita tamin’ny valin-tenin’i Davida fa tena nanam-pinoana izy. Alao sary an-tsaina izy niantsoantso hoe: “Ianao manatona ahy amin’ny sabatra sy lefona ary lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Andriamanitry ny tafiky ny Israely izay nohantsinao.” Fantatr’i Davida hoe tsy ny tanjak’olombelona na ny fitaovam-piadiana no zava-dehibe. Tsy maintsy hanao zavatra i Jehovah, satria tsy nohajain’i Goliata. Hoy i Davida: “An’i Jehovah ny ady.”—1 Samoela 17:45-47.

Hitan’i Davida tsara ny hangezan’i Goliata sy ny fitaovam-piadiany. Tsy navelany hampahatahotra azy anefa izany. Tsy nanao hoatran’i Saoly sy ny miaramilany i Davida. Tsy nampitaha ny tenany tamin’i Goliata izy. Nampitahainy tamin’i Jehovah kosa i Goliata. Marina fa lava noho ny olon-drehetra izy satria nirefy 2,90 metatra. Faran’izay bitika anefa izy raha nampitahaina tamin’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao! Hoatran’ny bibikely no fahitan’i Jehovah azy ka tsy ho sarotra aminy ny hamono azy.

Nihazakazaka nanatona an’ilay fahavalony i Davida, ary naka vato iray tao anaty kitapony. Nasiany vato ilay pilotra, ka nahodinkodiny haingana be teo ambony lohany. Nanatona an’i Davida i Goliata ary teo alohany ny mpitondra fiadiany. Nisy naharatsy azy ihany ilay izy lava be, satria sarotra tamin’ilay mpitondra fiadiany ny nanakona ny lohan’i Goliata tamin’ny ampinga. Teo mihitsy anefa no nokendren’i Davida.—1 Samoela 17:41.

Fantatr’i Davida fa na ny olona goavam-be aza dia bitika kely raha oharina amin’i Jehovah Andriamanitra

Navotsotr’i Davida ilay vato. Gina tsy nahateny ny rehetra nijery an’izay iantefan’ilay izy. Nataon’i Jehovah azo antoka hoe vato iray ihany dia efa ampy. Nilentika teo amin’ny handrin’i Goliata ilay izy ka nianjera nihohoka tamin’ny tany izy. Azo inoana fa tonga dia nandositra ilay mpitondra fiadiany. Nanatona i Davida avy eo, ary nalainy ny sabatr’i Goliata ka notapahiny ny lohan’ilay miaramila goavam-be.—1 Samoela 17:48-51.

Izay vao tsy natahotra intsony i Saoly sy ny miaramilany. Nanao hiakan’ady izy ireo ary nirohotra nanenjika ny Filistinina. Tanteraka ilay tenin’i Davida tamin’i Goliata hoe: ‘Hanolotra anareo eo an-tananay i Jehovah.’—1 Samoela 17:47, 52, 53.

Tsy mandray anjara amin’ny ady intsony izao ny mpanompon’Andriamanitra. (Matio 26:52) Mila manahaka ny finoan’i Davida anefa isika. Tokony ho tena misy amintsika koa i Jehovah, ka izy irery no tokony hotompointsika sy hatahorantsika. Mety hahatsapa ho bitika isika indraindray raha oharina amin’ny olana mahazo antsika. Bitika anefa ireny olana ireny raha oharina amin’ny herin’i Jehovah tsy misy fetra. Tsy hisy hampahatahotra antsika, raha izy no tompointsika ary manam-pinoana toa an’i Davida isika. Tsy misy zavatra tsy resin’i Jehovah mantsy!