Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Hanananao ny Tena Finoana

Ny Fomba Hanananao ny Tena Finoana

Ny Fomba Hanananao ny Tena Finoana

Sivy ambin’ny folo taona i Sarah Jayne tamin’izy nahafantatra hoe voan’ny kansera izy. Rehefa avy nodidiana izy, dia nihatsara, hany ka be fanantenana. Be fanantenana aoka izany izy, ka niomana hanambady sy nanomboka nikarakara ny mariaziny, rehefa feno 20 taona. Niverina tamin’io taona io ihany anefa ilay kansera, ary nolazaina taminy fa ho faty izy rehefa afaka herinandro vitsivitsy. Maty i Sarah Jayne, tamin’ny Jona 2000, taloha kelin’ny naha feno 21 taona azy.

INONA no nampiaiky volana ny olona tonga nitsidika an’i Sarah Jayne tany amin’ny hopitaly? Tony izy, tsy natahotra izay mety hitranga, ary nino mafy an’Andriamanitra sy ny Teniny, ny Baiboly. Tena mafy ny nanjo azy, nefa azony antoka fa hisy ny fitsanganana amin’ny maty, ka hahita ny namany rehetra indray izy. (Jaona 5:28, 29) “Hifankahita indray isika rehetra ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra”, hoy izy.

Misy mihevitra fa finoanoam-poana fotsiny izany. Nanontany toy izao i Ludovic Kennedy: “Iza moa no mino ny fiainana aorian’ny fahafatesana, fa tsy ny olona matahotra ny hoavy? Manantena izy ireo fa rehefa haneno ny trompetra farany, dia hipetraka ao amin’ny zaridaina iray tsara tarehy toa an’i Edena izy ireo, ka hihinana hanim-pito loha sy hiara-mifaly amin’ireo olona maty talohany na taoriany.” Iza amin’ireto anefa no mora inoana kokoa: “Ity fiainana ity ihany no fiainantsika, ka aleo manararaotra izany”, araka ny hevitr’i Kennedy? Sa ny mino an’Andriamanitra sy ny fampanantenany fitsanganana amin’ny maty? Nifidy ilay faharoa i Sarah Jayne. Inona no nanampy azy hanana io finoana io?

‘Mitadiava an’Andriamanitra, dia hahita azy’

Raha misy olona tianao hinoana sy hitokisana, dia mila fantarinao izy sy ny fomba fisainany ary ny fomba fanaovany zavatra. Tafiditra amin’izany ny fo sy ny saina. Tsy misy hafa amin’izany ny atao, mba hinoana an’Andriamanitra. Mila mamantatra azy ianao, izany hoe mamantatra ny toetrany sy ny fomba nampisehoany fa tena mendri-pitokisana sy azo ianteherana izy tamin’izay nolazainy sy nataony.​—Salamo 9:10; 145:1-21.

Misy mihevitra fa tsy ho vita mihitsy izany. Milaza izy ireo fa lavitra sady saro-pantarina loatra Andriamanitra, ary mety tsy hisy akory aza. Hoy ny olona be fisalasalana: “Raha tena misy Andriamanitra, araka ny fiheveran’ny Kristianina toa an’i Sarah Jayne azy, nahoana izy no tsy mampahafantatra ny tenany amintsika rehetra?” Marina anefa ve fa lavitra sady saro-pantarina loatra Andriamanitra? Nanao lahateny ho an’ireo olon-kendry sy manam-pahaizana tany Atena ny apostoly Paoly. Nilaza izy fa ilay Andriamanitra “nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra”, dia nanome izay rehetra ilaina ‘mba hitadiavana azy, ka hahitana Azy.’ Nilaza mihitsy aza i Paoly fa “tsy mba lavitra antsika rehetra Izy.”​—Asan’ny Apostoly 17:24-27.

Ahoana àry no ‘hitadiavanao an’Andriamanitra, ka hahitanao azy’? Nandinika an’izao rehetra izao fotsiny ny sasany, mba hanaovana izany. Efa ampy izany ho an’ny maro, mba hanaporofoana fa tsy maintsy misy Mpamorona. * (Salamo 19:1; Isaia 40:26; Asan’ny Apostoly 14:16, 17) Eken’izy ireo ny tenin’ny apostoly Paoly hoe “ny fomban[’Andriamanitra] tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony.”​—Romana 1:20; Salamo 104:24.

Mila Baiboly ianao

Mila zavatra hafa nomen’ny Mpamorona anefa ianao, mba hinoanao azy. Inona izany? Ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry, izay manambara ny sitrapony sy ny fikasany. (2 Timoty 3:16, 17) “Ahoana anefa no ahafahanao mino izay lazain’ny Baiboly”, hoy ny sasany, “rehefa hitanao ireo zavatra mahatsiravina ataon’ny olona milaza ho manaraka azy io?” Marina fa nihatsaravelatsihy sy nanao herisetra ary ratsy fitondran-tena foana ny olona tao amin’ny Kristianisma Anarana. Rehefa mandinika tsara anefa ny olona, dia ho hitany fa miseho ho manaraka ny toro lalan’ny Baiboly fotsiny ny Kristianina Anarana.​—Matio 15:8.

Efa nilaza mihitsy ny Baiboly fa maro no hihambo ho mpanompon’Andriamanitra, nefa “handa ny Tompo Izay efa nividy azy.” Nilaza ny apostoly Petera fa “ireny no hitenenan-dratsy ny làlan’ny fahamarinana.” (2 Petera 2:1, 2) Nilaza i Jesosy Kristy fa “mpanao meloka” ireny, ary ho fantatra tsara amin’ny asa ratsiny. (Matio 7:15-23) Ny fandavana ny Tenin’Andriamanitra noho ireo zava-dratsy nataon’ny Kristianisma Anarana, dia mitovy amin’ny fanariana taratasy avy amin’ny namana itokisana, satria tsy mendri-pitokisana ilay olona nitondra azy io.

Tsy afaka ny hanana ny tena finoana isika, raha tsy mampiasa ny Tenin’Andriamanitra. Ao amin’ny Baiboly ihany i Jehovah no mampiseho amintsika ny fomba fijeriny. Valiany, ohatra, ny fanontaniana efa nipetraka hatramin’ny ela, toy ny hoe: Nahoana no avelany hisy ny fahoriana sy ny fijaliana? Ary inona no hataony mba hamaranana izany? (Salamo 119:105; Romana 15:4) Nanjary nino i Sarah Jayne fa Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ny Baiboly. (1 Tesaloniana 2:13; 2 Petera 1:19-21) Tamin’ny fomba ahoana? Tsy noho izy nasain’ny ray aman-dreniny nino izany fotsiny akory, fa noho izy naka fotoana mba handinihana tsara ny porofo rehetra mampiseho fa fanambarana tsy manam-paharoa, avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. (Romana 12:2) Nodinihiny, ohatra, ny hery lehibe nananan’ny Baiboly teo amin’ny olona nampihatra ny toro lalana ao aminy. Nandinika porofo maro manamarina ny maha ara-tsindrimandry ny Baiboly izy, ka nampiasa boky toy ilay hoe Ny Baiboly ​Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? *

Avy amin’ny zavatra re ny finoana

Tsy ampy anefa ny manana Baiboly, na ny mino fa ara-tsindrimandry izy io. “Hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny?”, hoy ny apostoly Paoly. (Romana 10:14) Ny fandrenesana ny Baiboly àry, fa tsy ny fananana azy io fotsiny, no manampy mba hanatanjahana ny finoana. ‘Mandre’ izay lazain’Andriamanitra ianao, rehefa mamaky sy mianatra ny Teniny. Na ny ankizy aza dia afaka manao izany. Nilaza i Paoly fa “hatry ny fony vao zaza” i Timoty dia efa nampianarin’ny reniny sy ny renibeny ny “Soratra Masina.” Milaza ve izany fa noterena na nofitahina mihitsy i Timoty? Tsia! “Nampinoana” azy ny zavatra reny sy novakiny, izany hoe noresena lahatra tamin’izany izy.​—2 Timoty 1:5; 3:14, 15.

Resy lahatra toy izany koa i Sarah Jayne. “Nandray ny teny [avy tamin’ny ray aman-dreniny sy ny mpampianatra hafa] tamin’ny zotom-po indrindra” izy, toy ny Berianina tamin’ny taonjato voalohany. Azo antoka fa ninoany avy hatrany izay nolazain’ny ray aman-dreniny taminy, fony izy mbola kely. Tsy nino an-jambany fotsiny izay rehetra nampianarina azy anefa izy, rehefa nihalehibe. “Nandinika ny Soratra Masina isan-andro [izy], na marina izany, na tsia.”​—Asan’ny Apostoly 17:11.

Afaka manana ny tena finoana ianao

Afaka manana ny tena finoana koa ianao, dia ilay finoana resahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Kristianina hebreo. Io karazana finoana io, hoy izy, dia “fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” (Hebreo 11:1) Raha manana io karazana finoana io ianao, dia hatoky tanteraka fa ho tanteraka avokoa ny zavatra antenainao, anisan’izany ny fitsanganana amin’ny maty, nampanantenain’Andriamanitra. Hatoky ianao fa azo antoka ireo fanantenana ireo, fa tsy nofinofy fotsiny. Ho fantatrao fa nanatanteraka ny fampanantenany foana i Jehovah. (Josoa 21:45; 23:14; Isaia 55:10, 11; Hebreo 6:18) Ho toy ny hoe efa miaina ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra mihitsy ianao. (2 Petera 3:13) Ho hitanao mazava tsara amin’ny mason’ny finoana koa, fa tena misy i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ary ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy finoanoam-poana akory.

Misy fanampiana azonao raisina mba hanananao ny tena finoana. Sady nanome ny Teniny i Jehovah, no nanome ny fiangonana kristianina maneran-tany, izay natao mba hanampy ireo tso-po hino azy. (Jaona 17:20; Romana 10:14, 15) Raiso izay fanampiana rehetra omen’i Jehovah amin’ny alalan’io fandaminana io. (Asan’ny Apostoly 8:30, 31) Koa satria vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny finoana, dia mivavaha hatrany mba hanampian’io fanahy io anao hanana ilay tena finoana.​—Galatiana 5:22.

Aza avela hampihemotra anao ny olona be fisalasalana sy maneso izay rehetra mino an’Andriamanitra sy ny Teniny. (1 Korintiana 1:18-21; 2 Petera 3:3, 4) Vao mainka ilaina mihitsy aza ny tena finoana, satria manampy anao ho tapa-kevitra tsara hanohitra ireny fanafihana ireny. (Efesiana 6:16) Hitan’i Sarah Jayne fa marina izany, ka nampirisihiny foana ny mpitsidika azy tany amin’ny hopitaly mba hanamafy ny finoan’izy ireo. “Ataovy fomba fiainanao ny fahamarinana”, hoy izy. “Mianara ny Tenin’Andriamanitra. Mifandraisa akaiky amin’ny fandaminan’Andriamanitra. Mivavaha tsy tapaka. Mazotoa hatrany amin’ny fanompoana an’i Jehovah.”​—Jakoba 2:17, 26.

Hitan’ny iray tamin’ireo mpitsabo mpanampy fa nino an’Andriamanitra sy ny fitsanganana amin’ny maty i Sarah, ka nilaza toy izao izy: “Tena mino izany ianao e?” Nanontany an’i Sarah izy hoe inona no nahatonga azy tsy ho kivy, na dia voasedra aza. Hoy i Sarah: “Ny finoako an’i Jehovah. Tena namako izy, ary tena tiako.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Jereo ilay boky hoe Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve? (frantsay), navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 12 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 6]

“Hatry ny fony vao zaza” i Timoty, dia efa nampianarin’ny reniny sy ny renibeny “ny Soratra Masina”

[Sary, pejy 6]

Noderaina ireo Berianina, satria nandinika ny Soratra Masina isan’andro

[Sary nahazoan-dalana]

Nalaina avy tamin’ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana (anglisy)”, 1914

[Sary, pejy 7]

Ny fandrenesana sy ny fankatoavana ny Baiboly, fa tsy ny fananana azy io fotsiny, no manampy mba hananana finoana

[Sary, pejy 7]

“Hifankahita indray isika rehetra any amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra”