Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Fandroana Fanaon’ny Jiosy ve ny Batisa?

Avy Amin’ny Fandroana Fanaon’ny Jiosy ve ny Batisa?

Avy Amin’ny Fandroana Fanaon’ny Jiosy ve ny Batisa?

NITORY ‘ny batisa mariky ny fibebahana’ i Jaona Mpanao Batisa. Nandidy ny mpanara-dia azy koa i Jesosy, mba hanao mpianatra sy hanao batisa ny olona.—Marka 1:4; Matio 28:19.

Asehon’ny Baiboly fa mila aroboka tanteraka ao anaty rano ny Kristianina, rehefa atao batisa. Hoy ny boky hoe Jesosy sy ny Fiainany (anglisy): “Ahitana fanao mitovy amin’izany ao amin’ny fivavahana maro taloha sy ankehitriny, ary any amin’ny firenena sy kolontsaina samihafa.” Manizingizina ilay boky fa ‘avy amin’ny Fivavahana Jiosy ny batisa kristianina.’ Marina ve izany?

Ireo dobo fandroan’ny Jiosy

Nahita dobo fandroana efa ho 100 ny arkeology, rehefa nandavaka tany akaikin’ny Tendrombohitra Nisy ny Tempoly, tany Jerosalema. Tamin’ny taonjato voalohany T.K. sy taonjato voalohany A.K. no nanaovana azy ireny. Afaka nandro tao amin’ireny dobo ireny izay “vahiny te hanao izany”, araka ny soratra hita tao amin’ny synagoga iray, izay nosoratana tamin’ny taonjato faharoa na fahatelo.” Nahitana dobo toy izany koa tao amin’ny faritra nisy ny fianakavian’ny mpanefohefo sy mpisorona tany Jerosalema, ary saika ny trano rehetra no nisy izany.

Vato nolavahana na tany nohadina miendrika mahitsizoro ireny dobo ireny. Nopetahana biriky na vato ny atiny, ary nolalorina mba tsy hitete. Matetika no nirefy 1,8 metatra ny sakany ary 2,7 metatra ny halavany. Nisy fantsona nitondra ny ranon’orana nankao aminy. Raha kely indrindra dia 1,2 metatra ny halalin’ny rano, mba ho difotra tanteraka ny olona rehefa mininginingina. Indraindray dia nisy rindrina ivaiva nanasaraka ny tohatra nankao anaty rano. Misy mihevitra fa natao hidinan’ny olona mbola maloto ho ao amin’ilay rano fidiovana, ny ilan’ilay tohatra. Ny ilany kosa natao hivoahany avy ao, mba tsy ho voaloto intsony izy rehefa avy mandro.

Nampiasaina tamin’ny fandroana fanaon’ny Jiosy ireo dobo ireo. Inona no tafiditra amin’izany fidiovana izany?

Lalàna sy fanao mifandray amin’ny fidiovana

Nantitranterin’ny Lalàn’i Mosesy fa nila nadio ny vahoakan’Andriamanitra, na teo amin’ny fivavahana na teo amin’ny ara-batana. Maro ny zavatra nety ho nandoto ny Israelita, ka tsy maintsy nandro sy nanasa ny fitafiany izy ireo, mba hadio.—Levitikosy 11:28; 14:1-9; 15:1-31; Deoteronomia 23:11, 12.

Madio sy masina tanteraka i Jehovah Andriamanitra. Tsy maintsy nanasa ny tanany sy ny tongony àry ny mpisorona sy ny Levita, rehefa hanatona ny alitaran’i Jehovah. Raha tsy izany dia ho faty izy ireo.—Eksodosy 30:17-21.

Mino ny manam-pahaizana fa nasain’ireo mpitondra fivavahana jiosy nanaraka ny fombafomba fidiovan’ny mpisorona koa ny olon-kafa tsy Levita, tamin’ny taonjato voalohany. Nanao izany fombafomba izany koa matetika ny antokom-pivavahan’ny Esenianina sy ny Fariseo. Hoy ny boky iray momba ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Jesosy: “Tsy maintsy nanaraka ny fombafomba fidiovana ny Jiosy, rehefa ho any amin’ny Tendrombohitra Nisy ny Tempoly, na hanao fanatitra, na hanao zavatra hafa mitovitovy amin’izany. Tsy maintsy nanao izany koa izy, mba handraisan-tsoa tamin’ny fanatitra nataon’ny mpisorona.” Milaza ilay boky momba ny lovantsofina jiosy atao hoe Talmoda, fa tsy maintsy niroboka tanteraka tao anaty rano ilay olona.

Nanameloka ny Fariseo i Jesosy, noho izy ireo nanantitrantitra ny fanarahana fombafomba fidiovana. Zatra nanao “fandrobohana samihafa” izy ireo, ka anisan’izany ny fandrobohana “kaopy sy zinga ary fitaovana varahina” tao anaty rano. Nilaza i Jesosy fa nandika ny didin’Andriamanitra izy ireo, mba hampanjakana ny fomban-drazany. (Hebreo 9:10; Marka 7:1-9; Levitikosy 11:32, 33; Lioka 11:38-42) Tsy nitaky ny handrobohana tanteraka ny olona tao anaty rano mihitsy ny Lalàn’i Mosesy.

Avy amin’ny fandroana fanaon’ny Jiosy àry ve ny batisa kristianina? Tsy izany velively!

Ny fandroana fanaon’ny Jiosy sy ny batisa kristianina

Rehefa nanaraka fombafomba fidiovana ny Jiosy, dia izy ihany no nandroboka ny tenany tao anaty rano. Tsy nitovy tamin’izany fomba fidiovan’izy ireo izany anefa ilay batisa nataon’i Jaona, ka tsy nahazatra azy ireo. I Jaona no voalohany nanao an’io fandrobohana io, ka izany no niantsoana azy hoe Mpanao Batisa. Hafa mihitsy àry ilay fandrobohana nataon’i Jaona. Naniraka olona ho any aminy mihitsy aza ireo mpitondra fivavahana jiosy mba hanontany hoe: ‘Nahoana ianao no manao batisa?’—Jaona 1:25.

Tsy maintsy naverina foana ilay fidiovana notakin’ny Lalàn’i Mosesy, isaky ny naloto ilay olona. Tsy toy izany kosa ny batisa nataon’i Jaona sy ny batisa nataon’ny Kristianina tatỳ aoriana. Mariky ny fibebahana sy ny fialana amin’ny fomba fiaina taloha ny batisan’i Jaona. Porofon’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra kosa ny batisa kristianina. Indray mandeha ihany izy io no atao fa tsy averimberina.

Zara raha nisy itoviana tamin’ny fanaovana batisa kristianina ilay fombafomba fidiovana natao tany an-tranon’ny mpisorona jiosy, sy ilay natao tany amin’ny dobo fandroan’ny besinimaro tao akaikin’ny Tendrombohitra Nisy ny Tempoly. Samy hafa tanteraka ny hevitr’ireo fandrobohana ireo. Hoy ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy): ‘Miara-miaiky ireo manam-pahaizana fa tsy karazana batisa [fanao tao amin’ny Fivavahana Jiosy] akory no nalain’i Jaona tahaka na namboamboariny, rehefa nanao batisa izy.’ Toy izany koa ny batisa natao teo anivon’ny fiangonana kristianina.

“Fangatahana amin’Andriamanitra feon’ny fieritreretana madio” ny batisa kristianina. (1 Petera 3:21) Midika izy io fa nanolo-tena tanteraka ho an’i Jehovah ilay olona, mba hanompo azy sy hanara-dia ny Zanany. Mety tsara raha aroboka tanteraka ao anaty rano ilay olona, mba hanaporofoana izany fanoloran-tenany izany. Rehefa alentika ao anaty rano mantsy izy, dia toy ny hoe maty, izany hoe mifarana hatreo ny fomba fiainany taloha. Ny fivoahany avy ao kosa dia midika fa velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy.

Omen’i Jehovah Andriamanitra feon’ny fieritreretana madio izay manolo-tena sy atao batisa. Rehefa nahazo herin’ny fanahy masina àry ny apostoly Petera, dia afaka nilaza tamin’ny mpiray finoana taminy hoe: “Mamonjy anareo koa ankehitriny” ny batisa. Tsy izany mihitsy anefa no vokatry ny fandroana fanaon’ny Jiosy.