Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampakaram-bady Mahafaly sy Mendri-kaja

Fampakaram-bady Mahafaly sy Mendri-kaja

Fampakaram-bady Mahafaly sy Mendri-kaja

“NY ANDRO fampakaram-badinay no anisan’ny andro lehibe indrindra sy nahafaly indrindra teo amin’ny fiainako.” Izany no nolazain’i Gordon, efa 60 taona nanambadiana. Nahoana no tena andro lehibe amin’ny Kristianina ny andron’ny fampakaram-bady? Satria manao voady masina amin’ilay olon-tiany sy amin’i Jehovah izy, amin’io andro io. (Matio 22:37; Efesianina 5:22-29) Sady te ho finaritra amin’ny fampakaram-badiny ireo olon-droa hivady, no maniry hanome voninahitra an’ilay Mpamorona ny fanambadiana.—Genesisy 2:18-24; Matio 19:5, 6.

Inona no azon’ny mpampakatra atao mba ho tena mahafaly sy mendri-kaja ny fampakaram-badiny? Inona no azon’ny ampakarina atao mba hampisehoany fa manaja an’i Jehovah sy ilay ho vadiny izy? Inona no azon’ireo mpanotrona atao mba hahafinaritra kokoa ilay fampakaram-bady? Handinika toro lalana sasany avy ao amin’ny Baiboly isika, mba hamaliana ireo fanontaniana ireo. Hisoroka zava-manahirana mety hanimba ny fahamendrehan’io fotoana miavaka io, ny fanarahana ireny toro lalana ireny.

Iza no tena tompon’andraikitra?

Any amin’ny tany maro, dia omen’ny fanjakana alalana hanoratra fanambadiana ny mpiandraikitra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy entina eo anatrehan’ny solontenam-panjakana kosa ny fisoratam-panambadiana, any amin’ny tany sasany. Mety ho tian’ilay mpivady vao hisy lahateny ara-baiboly, aorian’izany. Matetika no asaina misaintsaina momba ny andraikitra nomen’Andriamanitra ny loham-pianakaviana ilay mpampakatra, mandritra io lahateny io. (1 Korintianina 11:3) Ny mpampakatra àry no tena tompon’andraikitra amin’izay mitranga mandritra ilay fampakaram-bady. Mazava ho azy fa efa alamina aloha be ny fizotran’ilay fampakaram-bady sy izay fiaraha-mikorana mety hatao aorian’izay. Nahoana no mety ho sarotra ho an’ilay lehilahy ny mandamina izany?

Mety hisy olona avy amin’ny havan’ny lahy na ny havan’ny vavy, te hampanjaka ny heviny ny amin’izay tokony hatao. Efa nanoratra fanambadiana maro i Rodolfo, ka hoy izy: “Ny havana indraindray no tena manery an’ilay lehilahy, indrindra raha manome vola anaovana ilay fiaraha-mikorana izy ireo. Mety hanizingizina ny heviny izy ireo, momba ny tokony ho fizotran’ilay fampakaram-bady sy ny fiaraha-mikorana. Tsy fanajana ny fahefan’ilay mpampakatra anefa izany, satria izy no lazain’ny Soratra Masina fa tompon’andraikitra voalohany.”

Efa nanoratra fanambadiana nandritra ny 35 taona mahery i Max, ka hoy izy: “Voamariko tato ho ato fa ilay ampakarina indray no lasa manapa-kevitra momba ny fizotran’ny fampakaram-bady sy ny fiaraha-mikorana, fa tsy dia manan-kolazaina loatra ilay mpampakatra.” Hoy i David, izay efa nanoratra fanambadiana maro koa: “Mety tsy ho zatra mandray andraikitra ilay lehilahy, ka tsy miditra firy amin’ny fanomanana ilay fampakaram-bady.” Inona àry no tokony hataon’ny mpampakatra mba hiantsorohany tsara ny andraikiny?

Mampitombo ny fifaliana ny fifampiresahana tsara

Tsy maintsy miresaka tsara momba ny heviny ilay mpampakatra mba hampizotra tsara ny fanomanana ilay fampakaram-bady. Lazain’ny Baiboly fa hisy fahadisoam-panantenana, raha tsy misy resaka amim-pahatsorana. (Ohabolana 15:22) Azo sorohina anefa izany raha izao aloha no ataon’ilay mpampakatra: Iarahany midinika amin-dravehivavy sy ny fianakaviana ary ny olona hanome torohevitra ara-baiboly, ny fanomanana ilay fampakaram-bady.

Izy roa hivady aloha no tsy maintsy miara-midinika momba izay tiany hatao sy izay mety ho vitany. Nahoana? Diniho izay nitranga tamin’i Ivan sy Delwyn, mpivady efa hatramin’ny taona maro. Sambatra ny tokantranony, na dia samy hafa kolontsaina aza izy mivady. Hoy i Ivan mahakasika ny fomba nanomanany ny fampakaram-badiny: “Efa nanana ny hevitro aho hoe izao sy izao avy no hatao amin’ilay fampakaram-bady sy ilay fiaraha-mikorana. Hasaiko daholo ny namako, hasiana mofomamy amin’izay, ary hisarom-boaly ny vadiko. I Delwyn kosa te hanao fampakaram-bady tsotsotra, tsy be olona, ary tsy asiana mofomamy. Tiany mihitsy aza raha akanjo tsotra no anaovany fa tsy akanjo mariazy.”

Ahoana no nandaminan’izy ireo izany tsy fitovian-kevitra izany? Nifampiresaka tamim-katsaram-panahy sy tamin-pahatsorana izy ireo. (Ohabolana 12:18) Hoy ihany i Ivan: “Niara-nandinika lahatsoratra ara-baiboly momba ny fampakaram-bady izahay, anisan’izany Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1984. * Izany no nanampy anay hihevitra an’ilay raharaha araka ny fomba fihevitr’i Jehovah. Samy hafa be izahay, ka tsy maintsy samy nampandefitra izay tianay. Nitady ny marimaritra iraisana izahay.”

Toy izany koa no nataon’i Aret sy Penny. Hoy i Aret momba ilay andro fampakaram-badiny: “Tsy nitovy ny zavatra tianay sy Penny momba ilay fampakaram-bady. Nifampiresaka momba izany àry izahay, ka nitady marimaritra iraisana. Nivavaka izahay mba hotahin’i Jehovah ilay andron’ny fampakaram-badinay. Nangataka torohevitra tamin’ny ray aman-dreninay sy tamin’ireo mpivady matotra teo anivon’ny fiangonana koa aho. Tena nanampy anay ny soso-kevitr’izy ireo. Nizotra tsara sady nahafinaritra ny fampakaram-badinay, vokatr’izany.”

Fitafiana sy taovolo mendri-kaja

Ara-dalàna raha maniry hanao akanjo tsara ireo olon-droa hivady. (Salamo 45:8-15) Mety handany fotoana sy hery ary vola izy ireo mba hahazoana fitafiana mifanentana amin’ny fampakaram-bady. Inona no toro lalan’ny Baiboly hanampy azy ireo hifidy akanjo mendri-kaja sy mahafinaritra?

Inona, ohatra, no akanjo hanaovan’ilay ampakarina? Samy manana ny tiany ny olona, ary mety hiankina amin’ny firenena misy azy izany. Azo ampiharina foana anefa ny toro lalan’ny Baiboly. Tokony “hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena” ny vehivavy. Mihatra foana io toro lalana io, na dia amin’ny andro fampakaram-bady aza. Tsy voatery ho “fitafiana lafo vidy” àry no hanaovana vao hahafinaritra ny fampakaram-bady. (1 Timoty 2:9; 1 Petera 3:3, 4) Mahafaly tokoa ny mampihatra io torohevitra io!

Hoy i David, ilay noresahina tetsy aloha: “Mendri-piderana tokoa ny ankamaroan’ny Kristianina nampaka-bady, satria niezaka nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Nisy ihany anefa ireo nanao akanjo mariazy tsy maotina, izay nampiseho tratra na nanify loatra.” Miresaka amin’ireo mpifamofo ny anti-panahy matotra, alohan’ny fampakaram-bady, ary manampy azy ireo hihevitra ilay raharaha araka ny fomba fihevitr’i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana? Anontaniany izy ireo raha maotina ka azo anaovana mandritra ny fivoriana kristianina ny akanjo fampakaram-bady eritreretin’izy ireo. Marina aloha fa tsy hitovy amin’ny akanjo fitondra mivory ny didin’ilay akanjo, sady mety efa misy didin’akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady eo an-toerana. Tokony ho maotina foana anefa ilay akanjo, ka hifanentana amin’ny fitsipika mendri-kaja arahin’ny Kristianina. Tsy manaiky hovolavolain’ity tontolo ity ny tena Kristianina, na dia heverin’ny olona sasany ho maneritery aza ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly.—Romanina 12:2; 1 Petera 4:4.

“Tsy ny akanjo na ny fiaraha-mikorana no noheverinay sy Aret ho zava-dehibe indrindra”, hoy i Penny. “Ny lafiny ara-pivavahana kosa no nifantohanay, satria izany no zavatra lehibe indrindra tamin’ilay andro. Tsy ny akanjo nanaovako na ny sakafo nohaniko no zava-tsarobidy tsaroako, fa ny fiarahana sy ny fifaliana tsapako noho ny nanambadiako an’ilay olon-tiako.” Tsara raha mitadidy izany ireo Kristianina mikasa hivady, eo am-panomanan’izy ireo ny fampakaram-badiny.

Toerana Mendri-kaja ny Efitrano Fanjakana

Maro amin’ny Kristianina mikasa hivady no maniry hanao ny fampakaram-badiny ao amin’ny Efitrano Fanjakana, raha misy eo an-toerana. Nahoana no tian’izy ireo izany? Manazava ny antony ny mpivady iray: “Takatray fa fandaharana masina avy amin’i Jehovah ny fanambadiana. Natao tao amin’ny Efitrano Fanjakana, izay toeram-pivavahantsika, ny fampakaram-badinay, hany ka tafalentika tao an-tsainay dieny hatrany am-piandohana fa mila an’i Jehovah izahay ao amin’ny tokantranonay. Nisy tombony hafa koa ny nanaovana ilay izy tany amin’ny Efitrano Fanjakana, satria nanjary hitan’ireo havana tsy Vavolombelona tonga nanatrika teo, fa tena zava-dehibe taminay ny fanompoana an’i Jehovah.”

Raha mahazo alalana avy amin’ny anti-panahy hampiasa Efitrano Fanjakana ny Kristianina roa hivady, dia tokony hampahafantariny ny anti-panahy izay fanomanana kasainy hatao amin’ilay efitrano. Tokony ho tapa-kevitra hanaja ny fandaharam-potoana voasoratra momba ilay fampakaram-bady ny ampakarina sy ny mpampakatra. Anisan’ny fomba hanehoany fanajana an’ireo olona nasaina izany. Hiezaka koa izy ireo mba ho azo antoka fa atao amim-pahamendrehana ny zava-drehetra. * (1 Korintianina 14:40) Amin’izay dia tsy hisy ny fihetsika tsy maotina sy tsy mihaja, izay mampiavaka ny fampakaram-bady maro eto amin’ity tontolo ity.—1 Jaona 2:15, 16.

Azon’ireo mpanotrona aseho koa fa mitovy amin’ny an’i Jehovah ny fiheveran’izy ireo ny fampakaram-bady. Tsy tokony hantenain’izy ireo ho tsara kokoa noho ny an’ny Kristianina hafa, ohatra, ilay fampakaram-bady, ka toy ny hoe misy fifaninanana atao ny amin’izay fampakaram-bady mirenty indrindra. Takatry ny Kristianina matotra koa fa ny any amin’ny Efitrano Fanjakana no zava-dehibe sy andraisan-tsoa kokoa noho ilay fanasana na fiaraha-mikorana aorian’ilay fampakaram-bady. Raha tsy afaka manatrika afa-tsy ny iray amin’ireo isika, noho ny fotoana sy ny zava-misy, dia aleontsika mankany amin’ny Efitrano Fanjakana. Hoy ny anti-panahy iray atao hoe William: “Tsy mahatakatra tsara ny fahamasinan’io fotoan-dehibe io ny olona nasaina, raha tsy tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana noho ny antony tsy dia manao ahoana, nefa tonga any amin’ilay fiaraha-mikorana. Na dia tsy nasaina ho any amin’ilay fiaraha-mikorana aza isika, dia afaka maneho ny fanohanantsika an’ireo mpivady vao, raha manatrika ilay fampakaram-bady ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Fitoriana tsara amin’ireo havany tsy Vavolombelona koa izany.”

Aoka hitohy foana ny fifalianao

Navadiky ny tontolon’ny varotra ho fitadiavam-bola be ny andro fampakaram-bady. Nasehon’ny tatitra vao haingana fa ny ankamaroan’ny fampakaram-bady any Etazonia, dia “andaniana 22 000 dolara [48 tapitrisa ariary eo ho eo], izany hoe antsasaky ny vola raisin’ny tokantrano amerikanina [isan-taona].” Maro ny mpivady vao na ny fianakaviany no voataonan’ny dokam-barotra, ka nidi-trosa be noho io andro iray io. Voatery hefainy an-taonany maro izany trosa izany. Ho tsara fiandohana ve ny fanambadiana raha izany no mitranga? Fampakaram-bady mirenty be toy izany no fidin’ireo tsy mahalala na tsy te hahalala ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy mba toy izany kosa ny tena Kristianina!

Maro tamin’ireo Kristianina nanambady no afaka nampiasa ny fotoanany sy ny fananany nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra, satria noferany tsy ho be loatra sy araka izay takatry ny volany, ny isan’ny olona nasainy tamin’ny fampakaram-badiny. Ny lafiny ara-pivavahana tamin’ilay fotoan-dehibe no nifantohan’izy ireo. (Matio 6:33) Diniho, ohatra, i Lloyd sy Alexandra, izay nanohy ny fanompoany manontolo andro nandritra ny 17 taona, taorian’ny fampakaram-badiny. Hoy i Lloyd: “Mety ho nieritreritra ny olona sasany hoe fampakaram-bady tsotsotra ny anay. Tena faly anefa izahay sy Alexandra. Araka ny hevitray, dia tsy tokony hiteraka fahasahiranana ara-bola ny fampakaram-badinay, fa ho fankalazana an’ilay zavatra nataon’i Jehovah hitondra fahasambarana lehibe ho an’ny olon-droa.”

Hoy koa i Alexandra: “Mpisava lalana aho talohan’ny nivadianay. Tsy tiako ny hamoy io tombontsoa io satria fotsiny hoe te hanao fampakaram-bady mirenty izahay. Marina fa tena zava-dehibe taminay ny fampakaram-badinay, nefa vao ny andro voalohany amin’ny andro rehetra hiarahanay izy io. Nampiharinay ilay torohevitra hoe tsy tsara ny mifantoka be loatra amin’ny fampakaram-bady. Naleonay nitady ny tari-dalan’i Jehovah eo amin’izay ho fiainan-tokantranonay. Tena notahin’i Jehovah izahay noho izany.” *

Andro manokana tokoa ny fampakaram-badinareo. Azo itarafana izay ho fiainanareo mivady mandritra ireo taona ho avy, ny zavatra ataonareo sy ny toe-tsaina asehonareo amin’io andro io. Noho izany, dia miantehera amin’ny tari-dalan’i Jehovah. (Ohabolana 3:5, 6) Tadidio foana ny hevitr’Andriamanitra momba io andro io. Aoka ianareo hifanohana amin’ireo andraikitra nomen’Andriamanitra anareo. Ho fototra tsara no anorenanareo ny fanambadianareo amin’izay, ary haharitra ela be atỳ aorian’ny andro fampakaram-bady ny fifalianareo, noho ny fitahian’i Jehovah.—Ohabolana 18:22.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Misy fanazavana fanampiny momba izany ao amin’ny Mifohaza! 8 Febroary 2002, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 20 Raha mihevitra ny haka sary na video ao amin’ny Efitrano Fanjakana izy roa, dia tokony ho azony antoka fa tsy hanimba ny fahamendrehan’ilay fampakaram-bady ny zavatra ataon’ilay mpaka sary.

^ feh. 25 Jereo ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, pejy 26, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 29]

Tokony hifampiresaka amim-pahatsorana sy amim-panajana ny mpifamofo rehefa mikarakara ny fampakaram-badiny

[Sary, pejy 31]

Tadidio foana ny hevitr’Andriamanitra momba ny fampakaram-bady