Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Nampisy ny Masoandro sy ny Planeta Manodidina Azy?

Ahoana no Nampisy ny Masoandro sy ny Planeta Manodidina Azy?

Ahoana no Nampisy ny Masoandro sy ny Planeta Manodidina Azy?

MIAVAKA ny masoandro sy ny planeta manodidina azy, ary antony maro no mahatonga izany. Eo amin’ny toerana tsy dia be kintana, ohatra, no misy azy ireo. Tena lavitra antsika ny ankamaroan’ny kintana hitantsika amin’ny alina. Toy ny hoe teboka manjelanjelatra fotsiny izy ireny, na dia jerena amin’ny teleskaopy faran’izay lehibe aza. Eo amin’ny toerana mety tsara àry ve no misy ny masoandro sy ny planeta manodidina azy?

Ahoana raha tany akaikin’ny ivon’ny vahindanitra Voie lactée no nisy azy ireo? Be kintana loatra any, ka hampidi-doza antsika. Ho voakorontana, ohatra, ny fihodinan’ny Tany amin’ny masoandro, ka hisy vokany tena ratsy amin’ny olona izany. Mety handalo ao anatina gazy matevina toy ny rahona isika, ka ho tratran’ny hafanam-be. Misy kintana mipoaka sy zavatra hafa mandefa taratra mahafaty koa any. Mety tsara anefa ny toerana misy ny masoandrontsika sy ny planeta manodidina azy, ka tsy mitranga ireo rehetra ireo.

Kintana tena mety amintsika ny masoandro. Mirehitra foana mantsy izy io fa tsy mety maty, ary tsy lehibe loatra na mahamay loatra. Kely lavitra noho ny masoandro ny ankamaroan’ny kintana ao amin’ny vahindanitra misy antsika, ka tsy manome ny karazana hazavana tena mety na ny hafanana ilaina mba hahavelona hatrany ny zavaboary. Etsy an-danin’izany, dia mamoaka hery ny ankamaroan’ny kintana, ka mifampisintona amin’ny kintana iray na maromaro. Mihodidina amin’izy samy izy koa izy ireny. Tsy toy izany anefa ny masoandro, fa kintana mahaleo tena. Raha mifampisintona amin’ny kintana hafa izy io, dia azo inoana fa hikorontana izy sy ny planeta miaraka aminy. 

Misy lafiny hafa koa mampiavaka ny masoandro sy ireo planeta manodidina azy. Misy kely sy lehibe ny planeta manodidina ny masoandro, ka ny kely no eo akaikiny fa ny lehibe kosa lavitra. Tsy miovaova ny lalan’ireo planeta goavana ireo rehefa mihodidina ny masoandro, fa manao faribolana tsara. Noho izany, dia tsy atahorana hisintona an’ireo planeta kely toy ny tany sy ny planeta hafa mitovitovy aminy, izy ireo. * Miaro an’ireo planeta kely kosa izy ireo, ka mitelina na mampivily lalana ny zavatra mampidi-doza. Hoy i Peter Ward sy Donald Brownlee, mpahay siansa, tao amin’ny boky nosoratany: ‘Misy vato be sy kintana manan-drambo milatsaka atỳ amintsika. Tsy be loatra anefa ny isany, satria miaro antsika ny planeta goavana toa an’i Jupiter.’ Efa nahita masoandro hafa koa ny mpahay siansa, saingy ny planeta goavana mihodidina azy ireny, dia mety hampidi-doza ny planeta kely any, izay mitovitovy amin’ny tany.

Ny asan’ny volana

Efa hatramin’ny ela no nahatalanjona ny olona ny volana. Nampisy aingam-panahy tao amin’ny poety sy ny mpahay mozika izy io. Nilaza, ohatra, ny poety hebreo iray fa “hampitoerina mandrakizay” ny volana, ary ‘tahaka ny vavolombelona marina eny amin’ny lanitra’ izy io.—Salamo 89:37.

Tena ilaina amin’ny fiainana eto an-tany ny volana. Ny hery misinton’izy io, ohatra, no mahatonga ny ranomasina hisondrotra na hisintona. Voalaza fa tena ilaina izany mba hampikoriana ny ranomasina, ka hahatonga an’ireo fiovana voajanahary eo amin’ny toetrandro.

Misy asa lehibe hafa koa ataon’ny volana. Mitongilana kely ny tany rehefa mihodidina ny masoandro. Mety ho niovaova io fitongilanany io, raha tsy teo ny hery misinton’ny volana. Milaza ny gazety Natiora (anglisy) fa hiova be ny fitongilan’ny tany rehefa ela ny ela, raha tsy teo ny volana. Inona tokoa no hitranga raha tsy nitongilana kely ny tany? Tsy ho nisy ny fizaran-taona isan-karazany, nefa tena mahafinaritra izy ireny. Tsy ho ampy koa ny orana. Hafana loatra na hangatsiaka loatra ny andro, ka tsy ho velona isika. Hoy ilay astronoma atao hoe Jacques Laskar: ‘Ny fisian’ny Volana no mahatonga ny fizaran-taona tsy hiova tampoka.’ Misy volana koa miaraka amin’ireo planeta goavana. Lehibe kokoa noho ny azy ireny anefa ny volana miaraka amin’ny tany, ka afaka manao izay tsy hampiova ny fitongilan’izy io.

Mbola manana asa hafa koa ny volana. Manome hazavana amin’ny alina izy io, araka ny voalazan’ny mpanoratra ny bokin’ny Genesisy.—Genesisy 1:16.

Tongatonga ho azy sa nisy nandamina?

Hitantsika teo fa zavatra maro no niara-nitranga, mba hampisy ny fiainana eto an-tany sy hahatonga izany hahafinaritra. Tongatonga ho azy teo fotsiny ve izany, sa nisy nandamina?

An’arivony taona lasa izay, dia nilaza ny Soratra Masina fa nisy namorona izao rehetra izao. Tsy iza izany fa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Raha marina izany, dia tsy tongatonga ho azy teo ireo zava-mahagaga noresahintsika tetsy aloha, momba ny masoandro sy ireo planeta manodidina azy. Andriamanitra no namorona azy ireny. Nasainy noraketina an-tsoratra izay rehetra nataony mba hisian’ny fiainana eto an-tany. Tokotokony ho 3 500 taona izay no nanoratana izany. Mety ho gaga anefa ianao satria mitovy ihany amin’ny ankapobeny, ny voasoratra ao amin’ilay fitantarana sy izay heverin’ny mpahay siansa fa tena nitranga. Hita ao amin’ny bokin’ny Genesisy izany fitantarana izany.

Ny fitantaran’ny Genesisy momba ny famoronana

Manomboka amin’izao teny izao ny Baiboly: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1) Ny famoronana an’izao rehetra izao no tiana horesahina eo, anisan’izany ny masoandro, ny tany, ny planeta hafa, ary ny kintana ao amin’ireo vahindanitra an’arivony tapitrisa. Resahin’ny andininy manaraka, fa “tsy nisy endrika sady foana” ny tany tamin’ny voalohany. Tsy nisy ny tany mahavokatra. Milaza anefa ny mpahay siansa, fa mila rano be dia be ny zavaboary mba hahavelona azy. Nisy tokoa izany, araka ny voaresaka eo amin’io andininy io ihany. Voalaza eo fa “nanomba tambonin’ny rano” ny fanahin’Andriamanitra.—Genesisy 1:2.

Tsy maintsy mety tsara anefa ny elanelan’ny tany amin’ny masoandro, raha tiana tsy hivaingana na ho lasa etona ny rano. Izany indrindra no zava-misy. Hoy mantsy i Andrew Ingersoll, mpahay siansa momba ny planeta: “Mangatsiaka loatra eny amin’i Mars, ary mahamay loatra eny amin’i Vénus. Antonony tsara kosa ny hafanana eto an-tany.” Mila hazavana ampy koa ny zavamaniry mba hitomboany. Nisy rahona matevina anefa nanodidina ny tany, ary toy ny hoe ‘fonony’ izany. Nataon’Andriamanitra àry izay hahatonga ny hazavan’ny masoandro ho tafiditra tao amin’ilay rahona, nandritra ny vanim-potoana voalohany namoronany ny zavaboary teto an-tany.—Joba 38:4, 9; Genesisy 1:3-5.

Resahin’ny andinin-teny manaraka fa namorona ny “habakabaka” Andriamanitra, taorian’izay. (Genesisy 1:6-8) Feno gazy io habakabaka io, izay antsoina koa hoe atmosfera.

Hazavain’ny Baiboly, avy eo, fa novan’Andriamanitra ho tany maina ilay tany mbola “tsy nisy endrika” teo. (Genesisy 1:9, 10) Azo inoana fa nataony izay hampisondrotra na hampiletsy na hampifanalavitra ny sosona nofon-tany. Mety ho nisy hantsana lalina niforona àry, ka nirotsaka tany daholo ny ranomasina, ary niseho ny tany maina.—Salamo 104:6-8.

Namorona ahidrano faran’izay bitika koa Andriamanitra. Zavaboary any an-dranomasina manana sela tokana afaka mizarazara izy io. Nampiasa ny hafanana avy amin’ny masoandro ny ahidrano, ka nifoka gazy karbonika, ary namoaka oksizenina teny amin’ny atmosfera. Mahavariana tokoa izany. Nataon’Andriamanitra izay hampitombo haingana ny oksizenina teny amin’ny atmosfera, nandritra ny vanim-potoana fahatelo namoronany. Nanao ny zavamaniry mantsy izy tamin’izay. Nameno ny tany manontolo ireny zavamaniry ireny tamin’ny farany. Nihanitombo àry ny oksizenina, izay gazy ilain’ny olona sy ny biby mba hahavelona azy foana.—Genesisy 1:11, 12.

Nanao ireo zavamiaina bitika dia bitika isan-karazany any anaty tany ny Mpamorona, mba hahatonga ny tany hahavokatra. (Jeremia 51:15) Potehin’izy ireo ny fatina zavamaniry sy biby, ary ovany ho zavatra ilain’ny zavamaniry hafa. Mifoka azota avy amin’ny rivotra ny karazana bakteria sasany ao anaty tany, ary manome an’io gazy tena ilaina io ho an’ny zavamaniry, mba haniriany. Mahavariana fa tany eran’ny tanana fotsiny, dia efa mety hahitana zavamiaina bitika dia bitika enina arivo tapitrisa!

Tantarain’ny Genesisy 1:14-19, fa tamin’ny vanim-potoana fahefatra no namoronana ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Toa mifanohitra amin’ilay fanazavana ny Genesisy 1:1 izany, rehefa jerena maimaika. Izao anefa no tokony hotadidintsika: Toy ny hoe efa nisy teto an-tany i Mosesy, ilay nanoratra ny Genesisy, tamin’io fotoana io, ka teto izy no nitazana izay nataon’Andriamanitra. Taminy àry, dia toy ny hoe tamin’ilay vanim-potoana fahefatra no namoronana ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Efa nisy anefa izy ireny, fa tamin’io fotsiny vao tazana teny amin’ny lanitra.

Tamin’ny vanim-potoana fahadimy no noforonina ny hazandrano. Tamin’ny fahenina kosa no natao ny biby an-tanety sy ny olona.—Genesisy 1:20-31.

Natao hankafy ny fiainana eto isika

Izay voatantara ao amin’ny Genesisy izay àry no niandohan’ny fiainana teto an-tany. Tsy hitanao ve hoe tena natao hankafizina ny fiainana? Efa nifoha ve ianao indray maraina, ka nahita fa tsara erỳ ny andro ary madio ny rivotra? Azo inoana fa tsapanao tamin’izay hoe mamy ny miaina. Nandehandeha tao an-jaridaina angamba ianao, ary nankafy ny hakanton’ny voninkazo sy ny fameroverony. Na koa nitsangantsangana tao anaty saha, ary naka voankazo mamy. Tsy ho nisy izany zavatra mahafinaritra rehetra izany, raha tsy teo ireto: 1) rano be dia be eto an-tany, 2) hafanana sy hazavana ampy tsara avy amin’ny masoandro, 3) atmosfera ahitana gazy isan-karazany ampy tsara, ary 4) tany mahavokatra.

Tsy hita eny amin’i Mars sy Vénus ary ny planeta hafa manodidina ny masoandro ireo rehetra ireo. Tsy tongatonga ho azy fotsiny àry ireo, fa natao tamim-pitandremana tsara mba hahatonga ny fiainana hahafinaritra. Lazain’ny Baiboly koa fa nataon’ny Mpamorona haharitra mandrakizay ity planeta kanto ity. Izany no ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Efatra ny planeta kely sady akaiky kokoa ny masoandro, dia i Mercure, Vénus, Tany, ary Mars. Mitovitovy izy ireo satria vato no be indrindra ao aminy. Ireto kosa ny planeta goavana sady lavitra kokoa: Jupiter, Saturne, Uranus, ary Neptune. Gazy no be indrindra ao amin’izy ireo.

[Efajoro, pejy 6]

“Mpandinika ny nofon-tany no asako. Aoka hatao hoe asaina hazavaiko fohifohy ny fampianarana omena antsika ankehitriny, momba ny niandohan’ny tany sy ny zavamananaina eo aminy. Olon-tsotra mpiandry ondry toa an’ireo foko nanoratana ny Bokin’ny Genesisy anefa no tsy maintsy hanazavako izany. Ny fitantarana ao amin’ny Genesisy toko voalohany ihany no hitako fa tsara indrindra ampiasaina.”—Wallace Pratt, mpandinika ny nofon-tany.

[Efajoro/​Sary, pejy 7]

ETO NO TOERANA METY INDRINDRA

Tsy ho hitantsika tsara toy izao ny kintana, raha tany amin’ny toerana hafa amin’ny vahindanitra Voie lactée, no nisy ny masoandro. Hoy ny boky Ilay Planeta Tsy Manan-tsahala (anglisy): “Lavitra ny faritra mazava loatra sy feno vovoka no misy ny masoandrontsika sy ny planeta miaraka aminy, ka afaka mahita tsara ny kintana eto akaiky sy ny faritra lavitra amin’izao rehetra izao isika.”

Mety tsara koa ny haben’ny volana sy ny halavirany miala amin’ny tany, ka mahasarona tanteraka ny masoandro izy mandritra ny fanakona-masoandro. Tsy fahita firy ny fanakona-masoandro, ary tena mahavariana. Manampy ny astronoma handinika ny masoandro izany, ka ahafantarany zavatra maro mahatonga ny kintana hanjelanjelatra.

[Sary, pejy 5]

Tsy miovaova ny fitongilan’ny tany noho ny hery misinton’ny volana sy ny habeny

[Sary, pejy 7]

Tsy ho nisy zavamiaina teto an-tany, raha tsy teo ny rano be dia be, hafanana sy hazavana ampy tsara, atmosfera, ary tany mahavokatra

[Sary nahazoan-dalana]

Gilaoby: Based on NASA Photo; vary: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est